Toko faha 46

1 Miankohoka i Bela, mitanondrika i Nebo; ireo sampin'izy ireo dia entin'ny biby fiompy sy biby folahina. Ireo sampy izay entinareo ireo dia enta-mavesatra ho an'ny biby reraka. 2 Miara-miondrika izy ireo, miara-mandohalika; ka tsy mahavonjy ny entany, ary izy ireo dia efa lasan-ko babo. 3 Henoy aho, ry taranak'i Jakoba, ry taranak'Israely sisa rehetra, izay efa nentiko mialohan'ny fahaterahanareo, efa nobabeko hatrany am-bohoka. 4 Eny na dia amin'ny taom-pahanteranareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-paha fotsy ny volonareo dia hitondra anareo Aho. Nahary anareo Aho ka hitrotro anareo; hitondra anareo Aho ary hanavotra anareo. 5 Amin'iza no hampitahainareo Ahy? Iza no heverinareo fa mitovy amiko, ka azo ampitahaina izahay? 6 Nandraraka volamena avy ao anaty kitapo ny vahoaka ary nandanja izany teo amin'ny mizana. Manakarama mpanefy vy izy ireo, ary manamboatra izany ho andriamaniatra izy, miankohoka sy manompo izany izy ireo. 7 Mampiakatra izany eo an-tsorony izy ireo ka mitondra izany, mametraka izany eo amin'ny toerany izy ireo, mijoro eo amin'ny toerany izany ary tsy mihetsika eo. Mitaraina amin'izany izy ireo, kanefa tsy afaka mamaly na mamonjy na iza na iza amin'ny lozany izany. 8 Hevero ny momba ireo zavatra ireo; aza tsinontsinoavina ireo, ry mpikomy! 9 Hevero ny momba ireo zavatra vao tsy ela, ireo tamin'ny fotoan-dasa, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa, Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy na iza na iza mitovy amiko. 10 Ambarako any am-piandohana ny fiafarana, ary mialohan'izay mbola tsy niseho; Izaho manao hoe: "Ho tanteraka ny fikasako, ary hanao araka izay faniriako Aho." 11 Antsoiko avy any atsinana ny vorona mpiremby, ary ny olona voafidiko avy any amin'ny tany lavitra; eny, efa nolazaiko; ka ho tanterahiko; efa natolotro, ka hataoko ihany koa izany. 12 Mihainoa Ahy, ianareo ry vahoaka mafy hatoka, izay lavitry ny fanaovana ny mahitsy. 13 Mampanakaiky ny fahamarinako Aho; tsy lavitra izany, ary tsy miandry ny famonjeko; ary hanome ny famonjena ho an'i Ziona sy ny hatsarako ho an'i Israely Aho.