Toko faha 45

1 Izao no lazain'i Yaveh amin'ilay voahosony, amin'i Kyrosy, izay tazoniko amin'ny tanany ankavanana, mba haharesy ireo firenena eo anatrehany, mba hampilavo lefona ny mpanjaka, ary mba hanokatra ny varavarana eo anoloany, mba hijanona hisokatra ireo vavahady. 2 "Handeha eo anoloanao aho ary hampahitsy ireo tendrombohitra; ho tapatapahako ireo varavarana varahina ary ho potipotehiko ireo bara vy, 3 ary homeko anao ireo haren'ny aizina sy ny harena niafina, mba hahafantaranao fa Izaho, Yaveh, no miantso anao amin'ny anaranao, dia Izaho, ilay Andriamanitr'Israely. 4 Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko, sy Israely voafidiko, dia niantso anao tamin'ny anaranao Aho: nanome anao anaram-boninahitra, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao. 5 Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra ankoatra Ahy. Izao no ampisikina anao ho amin'ny ady, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao; 6 mba hahafantaran'ny olona hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatrany andrefana, fa tsy misy andriamanitra ankoatra Ahy: Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa. 7 Izaho no nanao ny mazava ary nahary ny aizina; izao no mitondra fiadanana ary mahatonga loza; Izaho no Yaveh, izay manao izany zavatra rehetra izany. 8 Ianareo ry lanitra, aoka hanorana avy any ambony! Aoka ny habakabaka hanorana fahamarinana. Aoka ny tany hitroka izany, mba hitsimoka miaraka amin'izany ny famonjena, ary hiara-hitsiry amin'izany ny fahamarinana. Izaho, Yaveh, no nahary azy ireo. 9 Loza ho an'izay rehetra miady amin'izay nanao azy, amin'izay toy ny vilany tany eo anivon'ireo vilany tany hafa eo amin'ny tany ihany! Moa ve ny tanimanga mba miteny amin'ny mpanefy tanimanga hoe: 'Inona izato amboarinao?' na 'Tsy mahafehy izany ny asanao'? 10 Loza ho an'izay miteny amin'ny ray hoe: 'Inona ity aterakao?' na amina vehivavy hoe: 'Inona ity avoakanao?' 11 Izao no lazain'I Yaveh, ilay Iray Masin'Israely, Mpahary azy: 'Nahoana ianao no mametra-panontaniana ny amin'izay ataoko ho an'ny zanako? Miteny amiko izay tokony hatao mahakasika ireo asan'ny tanako ve ianao? 12 'Izaho no nanao ny tany ary nahary ny olona teo amin'izany. Ny tanako no namelatra ny lanitra, ary Izaho no nandidy ny kintana rehetra mba hipoitra. 13 Izaho no nanentana an'i Kyrosy tamin'ny fahamarinana, ary izaho no hanalama ny lalany rehetra. Izy no hanangana ny tanànako; izy no hampody ireo oloko sesitany, ary tsy misy vidiny na kolikoly,'" hoy i Yaveh tompon'ny maro. 14 Izao no lazain'i Yaveh: "Ny fidiram-bolan'i Egypta sy ny entam-barotr'i Etiopia mbamin'ireo Sabeana, izay olona lava ranjanana, dia ho entina eo aminao. Ho anao ireo. Hanaraka anao ireny, handeha miaraka amin'ny gadra vy. Hiankohoka eo aminao ireny ka hifona aminao hanao hoe: 'Miaraka aminao tokoa Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy."' 15 Marina tokoa fa Ianao no Andriamanitra izay manafina ny tenanao, ry Andriamanitr'Israely, Mpamonjy. 16 Hiara-menatra sy ho afa-baraka avokoa ireny; ireo izay manao sampy voasokitra dia handeha amin'ny fahafaham-baraka. 17 Fa ho avotan'i Yaveh amin'ny famonjena mandrakizay Israely; tsy ho menatra na ho afa-baraka intsony ianao. 18 Izao no lazain'i Yaveh, izay nahary ny lanitra, ilay Andriamanitra marina izay nahary ny tany sy nanao izany, izay nanorina izany. Izy no nahary izany, tsy tahaka ny fakofako, fa nataony mba ho azo hipetrahana: "Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa. 19 Tsy niteny mangingina, tany amin'ny toerana miafina Aho; tsy mba niteny tamin'ny taranak'i Jakoba Aho hoe: 'Tadiavo fahatany Aho!' Izaho no Yaveh, izay miteny marina; zavatra marina no ambarako. 20 Vorio ny tenanareo ka avia! Miaraha-miangona, ianareo mpitsoa-ponenana avy any amin'ireo firenena! Tsy mba manam-pahalalana, ireo izay mitondra sary voasokitra sy mivavaka amin'ny andriamanitra izay tsy afa-mamonjy. 21 Manakaikeza ary ambarao amiko izany, ento ny porofo! Aoka izy ireo hiara-hikononkonona. Iza no nampiseho izany hatry ny ela? Iza no nitory izany? Tsy Izaho Yaveh ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; tsy misy hafa ankoatra ahy. 22 Miverena amiko ary aoka ho voavonjy, ry faran'ny tany rehetra; fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy ankoatra Ahy. 23 Mianiana amin'ny tenako Aho, milaza ny lalàna mariko, ary tsy hihemotra izany: 'Amiko no hitolefika ny lohalika rehetra, ary hianiana ny lela rehetra. 24 Hilaza ny Amiko izy ireo hoe: "Ao amin'i Yaveh irery ihany ny famonjena sy ny hery."'"' Ho menatra avokoa ireo izay tezitra aminy. 25 Ao amin'i Yaveh no hanamarinana ny taranak'Israely rehetra; ao aminy no hireharehan'izy ireo.