Toko faha 42

1 Indro, ny mpanompoko, izay tantanako; ilay nofidiko, ao aminy no andraisako sitraka. Efa napetrako teo aminy ny Fanahiko; hitondra rariny eo amin'ireo firenena izy. 2 Tsy hitaraina na hihiaka izy, na hanao ny feony ho re eny an-dalana. 3 Tsy ho tapahiny ny volotara torotoro, ary tsy ho vonoany ny afon'ny jiro mirehitra: hanatanteraka ny rariny amim-pahatokiana izy. 4 Tsy hitombo harerahana izy na ho kivy mandra-pametrahany ny rariny ety ambonin'ny tany; ary ny tany amorontsiraka hiandry ny lalàny. 5 Izao no lazain'Yaveh Andriamanitra__izay namorona ny lanitra ary nanenjana ireo, ilay nanao ny tany sy izay rehetra vokariny, izay manome fofonaina ho an'ny olona amin'izany ary fianana ho an'ireo izay miana eo amin'izany hoe: 6 "Izaho, Yaveh, efa niantso anao tamin'ny fahamarinana ary hihazona ny tananao. Hiambina anao Aho ary hametraka anao toy ny fanekena ho an'ny olona, tahaka ny fahazavana ho an'ireo Jentilisa, 7 mba hanokatra ny mason'ny jamba, mba hanafaka ireo voafonja ao amin'ny trano maizina, ary avy amin'ny trano fonenan'ireo izay mipetraka ao amin'ny aizina. 8 Izaho no Yaveh, izany no anarako; ary ny voninahitro tsy ho zaraiko amin'ny hafa na ny fiderana Ahy ho amin'ny sampy voasikotra. 9 Indro, efa lasa ny zavatra taloha, ankehitriny hanambara zava-baovao aminareo Aho. Mialohan'ny hanomboan'ireo dia hiteny anareo mahakasika ireo Aho." 10 Mihirà hira vaovao ho an'i Yaveh, ary ny fiderany hatrany amin'ny faran'ny tany; ianareo izay midina any amin'ny ranomasina, sy izay rehetra ao aminy, ireo tany amorontsiraka, ary ireo izay mivelona any. 11 Aoka hitaraina ny efitra sy ireo tanàna, ny tanàna izay honenan'i Kedara, dia hihiaka amin'ny fifaliana! Aoka hihoby ny mponin'i Sela; aoka hihiaka avy eo an-tampon- tendrombohitra izy ireo. 12 Aoka hanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo ary hanambara ny fiderany amin'ny tany amorontsiraka. 13 Hivoaka tahaka ny mpiady i Yaveh; tahaka ny lehilahin'ady hamporisin'ny zotom-pony Izy. Hihiaka Izy, eny, hierona amin'ny hiakan'adiny Izy; hasehony ny fahavalony ny heriny. 14 Efa nangina Aho hatrizay; efa nangina Aho ary nifehy ny tenako; ankehitriny hitaraina toy ny vehivavy miteraka Aho; miehakehaka tsy avy miaina. 15 Hataoko lao ny tendrombohitra sy ny havoana ary hanamaina ny zava-maniriny rehetra; ary hamadika ny ony ho nosy Aho ary hanamaina ny farihy. 16 Hitondra ny jamba amin'ny lalana izay tsy fantatr'izy ireo Aho; amin'ny lalana izay tsy fantatr'izy ireo no hitarihako azy ireo. Hamadika ny aizina ho mazava eo anoloan'izy ireo Aho, ary hanao ny toeranan'ny meloka ho marina. Ireo zavatra ireo no hataoko, ary tsy handao azy ireo Aho. 17 Hiverina izy ireo, ary ho afa-baraka tanteraka, ireo izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, izay milaza ny sarin-javatra narendrika tamin'ny vy hoe: "Ianareo no andriamanitray." 18 Mihainoa, ianareo ry marenina; ary mijere, ianareo jamba, mba hahita. 19 Iza no jamba nefa mpanompoko? Na marenina toy ny mpitondra hafatra niraiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizam-panekeko, na marenina tahaka ny mpanompon'i Yaveh? 20 Maro ny zavatra hitanareo, saingy tsy takatrareo; manongilan-tsofina, nefa tsy misy mandre. 21 Nahafaly an'i Yaveh ny midera ny fahamarinany ary ny manome voninahitra ny lalàny. 22 Nefa ity dia vahoaka nangalarana sy voaroba; voafandrika any amin'ny lavaka avokoa izy ireo, notanana ho babo tao am-ponja; efa lasa voaroba izy ireo ka tsy misy na iza na iza hanavotra azy, ary tsy misy miteny hoe: "Avereno izy ireo!" 23 Iza aminareo ireo no hihaino izany? Iza no hihaino sy handre amin'ny ho avy? 24 Iza no nanome an'i Jakoba ho an'ireo jiolahy, ary ny Israely ho amin'ny mpandroba? Moa ve izany tsy i Yaveh, izay efa nanotantsika, izay nolavin'izy ireo andehanana ny lalany, ary izay nolavin'izy ireo harahina ny lalàny? 25 Noho izany dia nararany tamin'izy ireo ny firehetan'ny fahatezerany, mbamin'ny fandravan'ny ady. Niredareda nanodidina azy ireo izany, nefa tsy nahafantatra izany izy ireo; ka nandoro azy ireo izany, nefa tsy noraisin'izy ireo am-po izany.