Toko faha 41

1 ''Mihainoa am-pahanginana manoloana Ahy, ianareo moron-tsiraka; aoka hanavao ny heriny ireo firenena; aoka izy ireo hanatona akaiky ary hiteny; aoka isika hiaraka hanakaiky mba hifandahatra sy hiady hevitra. 2 Iza no nanentana ny iray avy any atsinanana, niantso azy am-pahamarinana ho amin'ny fanompoany? Manolotra ny firenena ho azy Izy ary manampy azy handresy ireo mpanjaka. Mamadika azy ireo ho vovoka amin'ny sabany izy, tahaka ny mololo tsofin'ny rivotra amin'ny tsipíkany. 3 Manenjika azy ireo izy ka tafita soa aman-tsara, tamin'ny lalana tsara izay tsy nodiavin'ny tongony. 4 Iza no nanao sy nahavita ireo asa ireo? Iza no nampiantso ireo taranaka hatrany am-piandohana? Izaho, Yaveh, no voalohany, ary miaraka amin'ireo farany, Izaho no Izy. 5 Nahita ireo nosy ka natahotra; miovitrovitra ny faran'ny tany; nanatona izy ireo ka tonga. 6 Samy manampy ny namany ny olon-drehetra, ary ny olona rehetra nifampiresaka hoe: 'Mahereza.' 7 Koa dia mampahery ireo mpanefy volamena ny mpandrafitra, ary izay miasa amin'ny tantanana mampahery izay miasa amin'ny riandriana, milazan'ny solohoto hoe: 'tsara izany.' Nofehezin'izy ireo tamin'ny fantsika izany mba tsy hihozongozona. 8 Fa ianao, ry Israely, mpanompoko, ry Jakoba izay efa nofidiako, taranak'i Abrahama namako, 9 ianao izay haveriko avy amin'ny fiafaran'ny tany, ary izay nantsoiko avy tamin'ireo toerana lavitra, ary izay nolazaiko hoe: 'Mpanompoko ianao;' Efa nifidy anao Aho ary tsy nolaviko ianao. 10 Aza matahotra, fa momba anao Aho. Aza mitebiteby, fa Izaho no Andriamanitrao. Hampatanjahako ianao, ary hanampy anao Aho, ary hanohana anao amin'ny tanako ankavana marina Aho. 11 Indro, ho menatra sy ho afa-baraka, ireo rehetra izay tezitra taminao; ho toy ny tsy misy dikany izy ireo ary ho faty, ireo rehetra izay manohitra anao. 12 Hitady ianao nefa tsy hahita ireo izay nifandahatra taminao; ireo izay niady taminao dia ho toy ny tsy misy dikany, tena tsy misy dikany. 13 Fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, no hiazona ny tananao ankavanana, milaza aminao hoe: 'Aza matahotra; fa hanampy anao Aho.' 14 Aza matahotra, ianao ry Jakoba kankana, ary ianareo olon'ny Israely; fa hanampy anareo aho—izany no fanambaran'i Yaveh, mpanavotra anareo, ilay Iray Masin'Israely. 15 Indro, ataoko ho toy ny kodia vy maranitra ianao, vao sady roa-lela; hamely ireo tendrombohitra ianao ary hanorotoro ireo; hataonao ho toy ny akofa ireo havoana. 16 Hikororoka azy ireo ianao, ary ny rivotra hitondra azy ireo hiala; hanaparitaka azy ireo ny rivotra. hiravoravo amin'i Yaveh ianao, hiravoravo amin'ny ilay Iray Masin'Isarely. 17 Mitady rano ireo ory sy mahantra, kanefa tsy misy, ary ny lelan'izy ireo dia ho maina nohon'ny hetaheta; Izaho, Yaveh, no hamaly ny vavak'izy ireo; Izaho, Ilay Andriamanitr'Israely, dia tsy hahafoy azy ireo. 18 Hahatonga ny renirano hikoriana amin'ny hantsana Aho, ary loharano eo afovoan'ny lohasaha; hataoko dobon-drano ny tany hay, ary ny tany maina ho loharano. 19 Any amin'ny tany efitra no hametrahako ireo sedera, akasia, rotra, ary ny hazon'Oliva. Hametraka ny kypreso eny amin'ny lemaky ny tany hay, miaraka amin'ireo kesika sy ireo hazo kypreso Aho. 20 Hanao izany Aho mba hahita, hanaiky, ary hiara-hahatakatra ny olona, fa ny tanan'i Yaveh no nanao izany, ary ilay Iray Masin'Israely no namorona izany. 21 "lazao ny mahakasika anao," hoy i Yaveh, ''asehoy ny hevitrao tsara indrindra ho an'ireo sampinao," hoy ny Mpanjaka an'i Jakoba. 22 Aoka izy ireo hitondra ny hevitr'izy ireo manokana; asaivo mandroso izy ireo ary ambarao aminay izay hiseho, mba hahafantaranay tsara ireo zavatra ireo. Asaivo ambaran'izy ireo aminay ireo fanambarana voavina mialoha, mba hahafahanay manao azy ireo ho fitaratra sy hahafantaranay ny fomba nahatanterahan'ireny 23 Lazao ireo zavatra momba ny ho avy, mba hahafantaranay fa andriamanitra ianareo; manaova zavatra tsara na ratsy, mba hahatahotra sy hiaky volana izahay. 24 Indro, tsy misy dikany ianareo sampy ary ny asanareo dia tsy misy dikany; ilay iray izay nifidy anareo dia maharikoriko. 25 Efa nanangana iray avy any avaratra Aho, ary tonga izy; avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro no hiantsoako izay miantso ny anarako, ary hanitsaka ireo mpanapaka toy ny fotaka izy, toy ny mpanefy tanimanga manitsakitsaka ny tanimanga. 26 Iza no nanambara izany hatrany am-piandohana, mba hahafantaranay? Alohan'izany fotoana izany, mba hilazanay hoe: "Marina izy''? Eny tokoa, tsy nisy nanao izany ho lalàna izy ireo, eny, tsy nisy naheno anareo nilaza zavatra. 27 Hoy Aho tamin'i Ziona tamin'ny voalohany: 'Indro indreto izy ireo;" nandefa mpitondra hafatra tany Jerosalema Aho. 28 Rehefa mijery aho, dia tsy misy na iza na iza, na ny iray eo amin'izy ireo izay afaka manome toro-hevitra tsara, izay, afaka hamaly teny, rehefa manontany Aho. 29 Indro, tsy misy dikany izy rehetra, ary ny asan'izy ireo dia tsy misy dikany; rivotra sy zava-poana ny sary an'idin'izy ireo.