Toko faha 38

1 Tamin'ireo andro ireo i Hezekia dia narary mafy efa eo andalam-pahafatesana. Koa tonga teo aminy Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany, ary nanao taminy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Alamino ny tranonao; fa ho faty ianao, fa tsy ho velona."' 2 Dia nanodina ny tavany nankany amin'ny rindrina i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh. 3 Hoy izy: "Mba tsarovy re ry Yaveh, ny nandehanako am-pahatokiana tamin'ny foko manontolo teo anatrehanao, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao." Dia nitomany mafy i Hezekia avy eo. 4 Ary tonga tamin'Isaia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 5 "Mandehana ary lazao amin'i Hezekia, mpitarika ny oloko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Davida razambenao: Efa reko ny vavakao, ary efa hitako ireo ranomasonao. Indro, hanampy dimy ambin'ny folo taona amin'ny fiainanao Aho. 6 Dia hanavotra anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho, ary hiaro ity tanàna ity. 7 Izao no ho famantarana avy amin'i Yaveh ho anao, fa ho ataoko izay nampanantenaiko. 8 Indro, hampiverina ny aloka eo amin'ireo tohatr'i Ahaza ho folo dingana Aho."" Ka niverina ambaratonga folo ireo tohatra teo amin'izay nihoatra. 9 Izao no vavaka voasoratr'i Hezekia mpanjakan'i Joda, rehefa narary ary sitrana izy: 10 "Izaho nilaza fa eo amin'ny antenantenan'ny fiainako dia handeha amin'ireo vavahadin'ny fiainan-tsy hita aho; nalefa tany aho mandritra ny taona sisa hiainako. 11 Hoy aho hoe tsy hahita an'i Yaveh intsony aho, Yaveh any amin'ny tanin'ny velona; tsy hijery ny olombelona na ireo mponin'ny tany intsony aho. [Fanamarihana: "ireo mponin'izao tontolo izao": Ny ankamaroan'ny dikan-teny vaovao dia manana io dika io. Ireo dikan-teny Hebreo Taloha dia manao hoe: "ireo mponina eo amin'ny toerana tsy misy." (izany hoe: fisiana vetivety ihany)] 12 Nesorina sy nalàna tamiko tahaka ny lain'ny mpiandry ondry ny aiko; naforiporitro tahaka ny tenona ny aiko; manapaka ahy amin'ny fitaovana fanenomana Ianao; eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko. 13 Nihiaka mafy mandra-maraina aho; tahaka ny liona no famakiany ireo taolako rehetra. Eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko. 14 Mikoraraika tahaka ny sidintsidina aho; mitolokoloko tahaka ny voromailala aho; reraka miandrandra ambony ny masoko. Ry Tompo, ory aho; ampio aho. 15 Inona no tokony ho lazaiko? Sady niteny izy, no nanatanteraka izany tamiko; hamindra moramora amin'ny taona hiainako rehetra aho satria tototry ny alahelo. 16 Ry Tompo, ireo fijaliana nalefanao dia tsara ho ahy; ho averina amiko indray anie ny aiko; namerina ny aiko sy ny fahasalamako Ianao. 17 Tombontsoa ho ahy ny niainako alahelo tahaka ireny. Nanavotra ahy tamin'ny lavaky ny faharavana Ianao; efa nanipy ireo fahotako rehetra ho any an-damosinao Ianao. 18 Fa tsy misaotra anao ny fiainan-tsy hita; tsy midera anao ny fahafatesana; ireo izay midina ao anaty lavaka dia tsy manantena ny fahamendreham-pitokisanao. 19 Ny olombelona, ny olombelona, izy no ilay iray izay manome fisaorana anao, tahaka ny ataoko amin'ity andro ity; ray mampahafantatra ny fahamendreham-pitokisanao amin'ireo zanaka. 20 Eo andalam-pamonjena ahy i Yaveh, ary hankalaza amin'ny hira izahay amin'ny androm-piainanay rehetra ao an-tranon'i Yaveh." 21 Ary hoy Isaia: "Aoka izy ireo haka vongan'aviavy ary hametraka izany eo amin'ny vay, dia ho sitrana izy." 22 Hoy ihany koa i Hezekia hoe: "Inona no ho famantarana fa tokony hiakatra ho any an-tranon'i Yaveh aho?"