Toko faha 37

1 Rehefa ren'i Hezekia Mpanjaka ny tatitr'izy ireo, dia nandriatra ny akanjony izy, ka nanarona ny tenany tamin'ny akanjo fisaonana, ary nankany an-tranon'i Yaveh. 2 Izy dia naniraka an'i Eliakima, izay lohan'ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary ireo lohan'ny mpisorona, samy nisarona akanjo fisaonana avokoa, ho any amin'i Isaia mpaminany, zanak'i Amoza. 3 Hoy izy ireo taminy: "Hoy i Hezekia hoe: 'Ity andro ity dia andron'ny fahoriana, fibedesana, ary fanalam-baraka, tahaka ny zaza efa ho teraka, nefa ny reniny dia tsy manana hery hiterahana ny zanany. 4 Mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ihany ireo tenin'ny lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ka hiteny mafy ireo teny izay ren'i Yaveh Andriamanitrao. Ankehitriny dia asandrato ho an'izay mbola tavela eto ny vavakao."' 5 Ka nankany amin'i Isaia ireo mpanompon'i Hezekia mpanjaka, 6 ary hoy i Isaia tamin'izy ireo: "Lazao amin'ny tomponareo hoe: "Aza matahotra ny teny izay efa renao, izay tamin'izany no nanevatevan'ireo mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria ahy. 7 Indro, hametraka fanahy ao aminy aho, ary hahare ny tatitra sasany izy ka hiverina any amin'ny taniny. Hataoko lavon'ny sabatra any amin'ny taniny ihany izy.""' 8 Ary niverina ireo lehiben'ny mpitarika ka nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna, fa efa reny fa niala tao Lakisy ny mpanjaka. 9 Ary ren'i Senkeriba fa nihetsika hiady aminy i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta, ka naniraka mpitondra hafatra miaraka amin'ny hafatra tany amin'i Hezekia indray izy: 10 "Lazao amin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda hoe: 'Aza avela handiso fanantenana anao ny Andriamanitrao izay itokianao, manao hoe: ''Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria i Jerosalema." 11 Indro, efa renareo izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra tamin'ny fandravana azy ireo tanteraka. Koa ho voavonjy ve ianareo? 12 Moa ve namonjy azy ireo andriamanitry ny firenena, dia ireo firenena izay noravan'ireo razambeko: Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara? 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata, mpanjakan'i Arpada, mpanjakan'ireo tanànan'i Sefarvaima, Hena, ary Iva?"' 14 Nandray ny taratasy teny an-tanan'ny mpitondra hafatra i Hezekia ary namaky izany. Dia nankany an-tranon'i Yaveh izy ary namelatra izany teo anatrehany. 15 Nivavaka tamin'i Yaveh i Hezekia hoe: 16 "Ry Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambony Kerobima, Ianao irery no Andriamanitra eo amin'ny fanjakan'ny tany rehetra. Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany. 17 Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Sokafy ny masonao, ry Yaveh, ka jereo, ary henoy ireo tenin'i Sankeriba, izay efa nalefany hanesoana an'Andriamanitra velona. 18 Marina izany, ry Yaveh, fa noravan'ny mpanjakan'i Asyria ny firenena rehetra sy ny tanin'izy ireo. 19 Efa nataony tao anaty afo ireo andriamaniny, fa tsy andriamanitra ireny fa asan-tanan'olona, hazo sy vato ihany. Ka dia nopotehin'ny Asyriana ireo. 20 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitray, vonjeo eo amin'ny heriny izahay, mba ho fantatry ny fanjakan'ny tany rehetra fa Ianao irery ihany no Yaveh." 21 Ary nandefa hafatra tany amin'i Isaia zanak'i Amoza i Hezekia, manao hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely manao hoe: 'Satria efa nivavaka tamiko mahakasika an'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ianao, 22 dia izao ny teny izay nolazain'i Yaveh ny momba azy: "Manao tsinontsinona sy manala baraka anao ny zanaka vavy virijin'i Ziona; mihifikifi-doha aminao ny zanaka vavy. Nihantsy sy naniratsira an'iza ianao? 23 Nampiaka-peo sy nivandravandra tam-pireherehana tamin'iza ianao? Tamin'ny Ilay Masin'Israely. 24 Tamin'ny alalan'ireo mpanomponao no nihantsianao ny Tompo ary nanaovanao hoe: 'Tamin'ny hamaroan'ny kalesiko no niakarako teny amin'ny havoan'ireo tendrombohitra, tamin'ny fiakarana avo indrindra an'i Libanona. Hokapaiko ireo sederany lava ary hofidiako ireo hazon-kypreso any, ary hihiditra ao amin'ny toerany ambony indrindra aho, dia ny alany mamoha be indrindra. 25 Efa nihady lava-drano aho ary nisotro rano; [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany taloha sy vaovao misy hoe "Efa niady lava-drano sy nisotro rano tany an-tanin'ny vahiny aho."] Noritraiko ny reniranon'i Egypta rehetra ambanin'ny faladian-tongotro.' 26 Moa ve tsy renao ny namaritako izany fotoana maro lasa izay sy nanaovako izany tamin'ny fotoana fahiny? Ary entiko mba hitranga izany. Eto ianao mba handrava ireo tanàna matanjaka ho lasa korotam-bato. 27 Ireo mponiny, tsy manan-kery, dia kivy sy afa-baraka. Voly any an-tsaha izy ireo, ahi-maitso, ahitra eny ambony tafo na eny an-tsaha, mialohan'ny rivotra avy any atsinana. 28 Fa fantatro ny fipetrakao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny hatezeranao Amiko. 29 Nohon'ny hatezeranao Amiko, nohon'ny avonavonao izay nipàka tamin'ny sofiko, dia hametrahako farangoko eo amin'ny oronao, ary ny lamboridiko eo amin'ny vavanao; haveriko any amin'izay lalana niavianao ianao." 30 Izao no ho famantarana ho anao: Hihinana izay maniriniry foana ianao amin'ity taona ity, ary izay maniry amin'izany amin'ny taona faharoa. Fa amin'ny taona fahatelo dia tsy maintsy mamboly ianao ary mioty, manaova tanim-boaloboka ary hano ny vokany. 31 Ireo sisa amin'ny ankohonan'i Joda izay tsy maty dia hamaka sy hamokatra indray. 32 Fa avy ao Jerosalema no hivoahan'ireo sisa; avy ao an-Tendrombohitr'i Ziona ireo tsy maty. Hanao izany ny zotom-pon'i Yaveh Tompon'ny maro."' 33 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh momban'ny mpanjakan'i Asyria: "Tsy hiditra eto amin'ity tanàna ity, na hanipy tsipìka eto izy. Na ho tonga alohan'izany miaraka amin'ny ampinga na hanangana rindrina fiakarana amin'izany izy. 34 Ny lalana nahatongavany ihany no ho lalana hialany; tsy hiditra ao amin'ity tanàna ity izy_izany no fanambaran'i Yaveh. 35 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ary hamonjy izany, nohon'ny Amiko sy nohon'ny amin'i Davida mpanompoko." 36 Ary ny anjelin'i Yaveh dia nivoaka ka nanafika ny tobin'ireo Asyriana, nahafaty miaramila185.000. Rehefa nifoha maraim-be ireo lehilahy, dia nitsirara teny rehetra teny ny fatin'olona. 37 Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary nody tany an-trano ka nitoetra tao Ninive. 38 Taty aoriana, raha mbola nidera tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia namono azy tamin'ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy. Avy eo dia nitsoaka tany amin'ny tanin'i Ararata izy ireo. Ary dia i Esara-hadona zanany no nanjaka teo amin'ny toerany.