Toko faha 20

1 Tamin'ny taona nahatongavan'i Tartana tao Asdoda, rehefa naniraka azy i Sargona mpanjakan'i Asiria, dia niady tamin'i Asdoda izy ary naka izany. 2 Tamin'izany fotoana izany i Yaveh dia niresaka tamin'Isaia zanaka lahin'i Amoza ary niteny hoe: "Mandehana ary esory ny lamba fisaonana eny amin'ny andilanao sy ny kapa eny an-tongotrao." Koa nataony izany, nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa. 3 Hoy Yaveh hoe: "Tahaka ny nandehanan'Isaia nitanjaka sy tsy nanao kapa nandritry ny telo taona, dia famantarana sy fambara mahakasika an'i Egypta sy mahakasika an'i Etiopia izany— 4 amin'izany fomba izany no hitarihan'ny mpanjakan'i Asyria ireo babon'i Egypta, sy ireo sesi-tanin'i Etiopia, tanora sy antitra, mitanjaka sy tsy manao kapa, ary miaraka amin'ny vody tsy mirakotra, ho amin'ny fahamenaran'i Egypta. 5 Hatahotra sy ho menatra izy ireo, satria nalain'i Etiopia ny fanantenan'izy ireo ary nalain'i Egypta ny voninahitr'izy ireo. 6 Amin'izany andro izany ny mponin'ireo sisin-tany ireo dia hilaza hoe: 'Loharan'ny fanantenanay tokoa izany, izay nandosiranay mba hila fanampiana ho voaavotra amin'ny mpanjakan'i Asyria, ary ankehitriny, ahoana no afahanay mandositra?'"