Toko faha 19

1 Fanambarana momba an'i Egypta. Indro, Yaveh mitaingina rahona haingam-pandeha ka ho avy any Egypta; mihovitrovitra eo anatrehany ireo sampin'i Egypta, ary dia ketraka anaty ny fon'ireo Egyptiana. 2 "Hamporisihiko hiady ireo Egyptiana samy Egyptiana: lehilahy iray hiady amin'ny rahalahiny, ary lehilahy iray hanohitra ny namany; tanàna hanohitra tanàna, ary fanjakana hanohitra fanjakana. 3 Ho ketraka anaty ny fanahin'i Egypta. Ho potehiko ny toroheviny, na dia nitady ny hevitr'ireo sampy, sy fanahin'olo-maty, sy mpahita ny ho avy, ary mpanao sikidy aza izy ireo. 4 Hatolotro eo an-tanan'ny tompo masiaka ireo Egyptiana, ary mpanjaka matanjaka no hanapaka eo amin'izy ireo_ izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro." 5 Ho ritra ny ranon'ny ranomasina, ary ho ritra ny ony ka ho foana. 6 Ho tonga maloto ireo renirano; hihena ny riak'i Egypta ka ho ritra; ny volotara sy ny zozoro halazo. 7 Ireo volotara amoron'i Neily, amoron'ny vavan'i Neily, sy ireo tanim-bolin'i Neily rehetra dia ho kina, hanjary vovoka, ka ho voatsoka. 8 Hidradradradra sy hisaona ireo mpanjono, ary izay rehetra manipy ny fintany ao amin'i Neily hisaona, ary izay mamelatra ny haratony ao amin'ny rano halahelo. 9 Ireo mpiasa amin'ny bangon-drongony sy izay manenona lamba hiova ho hatsatra. 10 Ho voatorotoro ireo mpanao lamban'i Egypta; ireo rehetra miasa amin'ny fikaramana halahelo anaty. 11 Adala tanteraka ireo andrian'i Zoana. Ny torohevitr'ireo mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao miova ho tsy misy dikany. Ahoana no hitenenanao amin'i Farao hoe: "Izaho no zanaka lahin'ireo olon-kendry, zanaka mpanjaka fahiny?" 12 Koa aiza ary izay olon-kendrinao eo? Aoka izy ireo hilaza aminao ka hampahafantatra izay kasain'i Yaveh Tompon'ny maro mahakasika an'i Egypta. 13 Efa adala ny andrian'i Zoana, voafitaka ireo andrian'i Memfisa; efa nanao an'i Egypta handeha amin'ny lalan-diso izy ireo, izay fehizoron'ireo fokony. [Fanamarihana: raha toa ka "Memfisa", ireo dikan-teny sasany manao hoe "Nofa", anarana Hebreo ho an'io tanàna any Egypta io ihany.] 14 Yaveh efa nampifangaro fanahin'ny fifandroritana teo anivony, ary izy ireo efa nitarika an'i Egypta tamin'ny lalan-tsy izy amin'izay ataony rehetra, tahaka ny mamo mivembena amin'ny naloany. 15 Tsy misy na inona na inona azon'ny olona atao intsony ho an'i Egypta, na ny loha na ny rambo, na ny rantsan-drofia na ny volotara. 16 Amin'izany andro izany, ireo Egyptiana ho tahakan'ny vehivavy. Hihorohoro sy hatahotra izy ireo noho ny fisandratry ny tanan'i Yaveh Tompon'ny maro izay atsangany eo amin'izy ireo. 17 Ho tonga anton'ny fivemben'i Egypta ny tanin'ny Joda. Na rahoviana na rahoviana misy olona hampahatsiahy azy ireo Azy, dia hatahotra izy ireo, noho ny fikasan'i Yaveh, izay rafetiny hanohitra azy ireo. 18 Amin'izany andro izany dia hisy tanàna dimy ao amin'ny tany Egypta izay hiteny ny fitenin'i Kanàna ary hianiana fankatoavana amin'i Yaveh Tompon'ny maro. Iray amin'ireo tanàna ireo ho antsoina hoe Ilay Tanànan'ny Masoandro. [Fanamarihana: Raha toa ka "Ilay Tanànan'ny Masoandro" izay angamba manondro an'i Helopolisy tanànan'ny Egyptiana. Ireo dikan-teny sasany taloha sy taty aoriana manao hoe "Ilay Tanànan'ny Faharavana".] 19 Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Yaveh eo afovoan'ny tany Egypta, ary tsangam-bato ho an'i Yaveh eo amin'ny sisiny. 20 Izany dia ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tany Egypta. Rehefa mitomany an'i Yaveh noho ireo mpampahory izy ireo, dia handefa mpanavotra sy mpiaro ho azy ireo Izy, ary hanafaka azy ireo. 21 Ho tonga fantatr'i Egypta i Yaveh, ary hahalala an'i Yaveh ireo Egyptiana amin'izany andro izany. Hanompo amin'ny sorona sy fanatitra izy ireo, ary hanao voady amin'i Yaveh izy ireo ka hanatanteraka ireo. 22 Hampahory an'i Egypta i Yaveh, mampahory ary manasitrana. Hiverina amin'i Yaveh izy ireo; hihaino ny vavak'izy ireo Izy ka hanasitrana azy ireo. 23 Amin'izany andro izany dia hisy lalam-be hantrany Egypta ka hatrany Asyria, ka ho tonga any Egypta ny Asyriana, ary ny Egyptiana any Asyria; ary hanompo miaraka amin'ireo Asyriana ireo Egyptiana. 24 Amin'izany andro izany, Israely no ho fahatelo amin'i Egypta sy Asyria, fitahiana iray eo afovoan'ny tany; 25 hitahy azy ireo Yaveh Tompon'ny maro ka hiteny hoe: "Hotahiana anie Egypta, vahoakako; i Asyria, asan'ny tanako; ary Israely, lovako."