Genesis 45

Genesis 45:1

tsy nahafehy ny fihetseham-pony

Ny heviny dia tsy nahafehy ireo fihetseham-pony. Afaka atao izany hoe: DH: "saika hitomany"

teo anilany

"teo akaikiny"

tranon'i Farao

Eto ny "trano" dia ilazana ny olona izay tao an-dapan'i Farao. DH: "ny olona rehetra tao andapan'i Farao"

tohina teo anatrehany

"natahotra azy"

Genesis 45:4

izay namidinareo tany Egypta

Afaka atao mazava ny tena dikan'izany. DH: "izay namidinareo ho andevo tamin'ny mpanao raharaham-barotra izay nitondra ahy tany Egypta"

Aza malahelo

"aza tezitra" na "aza miahiahy"

ny amin'ny namarotanareo ahy taty

Ny tena heviny dia afaka atao mazava kokoa. DH: "ny amin'ny namarotanareo ahy ho andevo sy ny nandefasanareo ahy eto Egypta"

mba hiarovana ny aina

Eto ny "aina" dia ilazana ny olona izay navotan'i Josefa tsy ho faty nandritra ny mosary. DH: "mba hahafahako manavotra aina maro"

mbola hisy dimy taona izay tsy hisy na fiasana tany na fijinjana

"mbola hisy dimy taona ankoatra izay tsy hisy na fiasana tany na fijinjana." Eto ny "tsy hisy na fiasana tany na fijinjana" dia ilazana ny zava-misy fa ny vokatra dia tsy haniry nohon'ny mosary. DH: "ary ny mosary dia mbola haharitra dimy taona"

Genesis 45:7

hitahiry anareo ho sisa eto an-tany

"mba tsy ho levona eto an-tany ianao sy ireo fianakavinareo" na "mba hahazoana antoka fa ho velona ireo taranakao"

hitazona anareo ho velona amin'ny fanafahana lehibe

Ny anarana hoe "fanafahana" dia afaka atao koa hoe "fanavotana." DH: "hitazona anareo ho velona amin'ny fanavotana amin'ny fitondrana mahery"

izy nanao ahy ho rain'i Farao

Ny fanampiana sy ny fanoroana an'i Josefa an'i Farao dia resahina toy ny hoe rain'i Farao i Josefa. DH: "nataony ho mpitari-dalana an'i Farao aho" na "nataony ho ilay lehiben'ny mpanolotsaina an'i Farao aho"

ny tranony rehetra

Eto ny "trano" dia ilazana ny olona izay mipetraka ao an-dapany. DH: "ny ankohonany rehetra" na "'ny ao an-dapany rehetra"

mpanapaka ny tany rehetra manerana an'i Egypta

Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. DH: "mpanapaka ny olona rehetra eto Egypta"

mpanapaka

Eto i Josefa dia midika ho mpanapaka faharoa manaraka an'i Farao, ilay mpanjakan'i Egypta. Afaka atao mazava izany fampahafantarana izany.

Genesis 45:9

Faingàna ary miakara any amin'ny raiko

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana. DH: "miverena mankany amin'ny raiko"

lazao aminy hoe: 'Izao no ambaran'i Josefa zanakao: "Nataon'Andriamanitra ... izay anananao rehetra

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: " lazao azy izay lazaiko hoe: 'Andriamanitra efa ... izay anananao rehetra"

Midina aty amiko

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta. DH: "Mankanesa aty amiko"

tonga aminareo ny fahantrana

Miresaka ny "fahantrana" toy ny lahatra izany itodihana izany. DH: "mandany" na "mosarena"

Genesis 45:12

hitan'ny masonareo, sy ny mason'i Benjamina rahalahiko

Ny teny hoe "maso" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "Ianareo rehetra sy i Benjamina no maita"

fa ny vavako no miteny aminareo

Ny teny hoe "vava" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "fa izaho, Josefa, no miresaka aminareo"

momban'ny voninahitro aty Egypta

"ny momban'ny fanajan'ny olona aty Egypta ahy fatratra"

midina aty ny raiko

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta. DH: "eto amiko ny raiko"

Genesis 45:14

Namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin'ny vozony

"Namihina an'i Benjamina rahalahiny i Josefa, ary samy nitomany izy ireo"

Nanoroka ny rahalahiny rehetra izy

fomba ny manoroka ny havana tiana na mamihina azy ireny

nitomany teo amin'izy ireo

Ny heviny dia hoe nitomany i Josefa raha nanoroka azy ireo.

Tao aorian'izay dia niresaka taminy ireo rahalahiny

Vao haingana teo no natahotra mafy ny hiresaka aminy izy ireo. Izao kosa dia mahatsapa izy ireo fa afaka miresaka an-kalalahana. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava. DH: "Tao aorian'izay dia niresaka an-kalalahana taminy ireto rahalahiny"

Genesis 45:16

Ary nolazaina tao an-tranon'i Farao ny vaovao hoe: "Tonga ireo rahalahin'i Josefa."

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Naheno mikasika an'ireo rahalahin'i Josefa izay tonga ny olona rehetra tao an-dapan'i Farao"

tranon'i Farao

Ilazana ny lapan'i Farao izany.

Lazao amin'ireo rahalahinao hoe: 'Ataovy izao: ataingeno ny entana ho entin'ireo bibinareo ary mandehana any amin'ny tany Kanana. Ento ny rainareo sy ny tokantranonareo ary mankanesa aty amiko. Homeko anareo ny tsara eto amin'ny tanin'i Egypta, ary hihinana ny matavin'ny tany ianareo.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Lazao ireo rahalahinareo hanisy lasely ireo biby fiompiny ary andeha ho any Kanana haka ny rain'izy ireo sy ny fianakaviany. Lazao izy ireo mba ho avy eto, ary dia homeko azy ireo fa omeko ny tany tsara indrindra eto Egypta sy ny sakafo tsara indrindra izay fanome anay"

Homeko anareo ny tsara eto amin'ny tanin'i Egypta

"Homeko anareo ny tany tsara eto Egypta"

hihinana ny matavin'ny tany ianareo

Ny sakafo tsara izay vokarin'ny tany dia resahina toy ny hoe faritra matavy amin'ny tany. DH: "hihinana ny sakafo tsara indrindra amin'ny tany ianao"

Genesis 45:19

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy miresaka amin'i Josefa sy ireo rahalahiny i Farao.

Ary

Eto ny "Ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," fa kosa nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.

Ary omena didy ianareo hoe: 'Ataovy izao, makà kalesy amin'ny tany Egypta ho an'ny zanakareo sy ny vadinareo. Ento ny rainareo ka mankanesa aty. Aza miahiahy ny amin'ireo fanananareo, fa anareo izay tsara eto amin'ny tany rehetra manerana an'i Egypta.'"

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "teneno ihany koa izy ireo haka kalesy hivoaka ny tanin'i Egypta ho an'ireo vady aman-janany, ary haka ny rain'izy ireo ho avy eto. Tsy mila hanana ahiahy ny hitondra ireo fananany izy ireo, fa izaho hanome azy ireo ny zavatra tsara indrindra izay hananay eto Egypta"

omena didy ianareo

Afaka atao izany hoe: DH: "Mandidy anareo koa aho hiteny amin'izy ireo" na "lazao azy ireo koa"

makà kalesy

ny "kalesy" dia sarety fitaterana misy kodiarana roa na efatra. Biby no mitarika ireo kalesy.

Genesis 45:21

ary nanome azy ireo vatsy ho entina eny an-dalana

"ary nanome azy ireo izay nilainy amin'ny fandehanana"

Nomeny akanjo ho soloina izy rehetra

Ny lehilahy tsirairay dia nahazo akanjo isoloana avy ankoatran'i Benjamina izay nahazo akanjo 5 hisolosoloana.

miisa telon-jato

"300 isa"

boriky lahy folo ... ary boriky vavy folo

Anisan'ny fanomezana ihany koa ireo boriky ireo.

Genesis 45:24

Aza mifanditra

Ireo mety ho heviny dia 1)"aza miady hevitra" sy 2)"aza mety ho azon'ny tahotra"

niakatra avy tao Egypta

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana.

mpanapaka ny tany Egypta iray manontolo izy

Eto ny "tany Egypta" dia ilazana ny olona any Egypta. DH: "nanapaka ny olona rehetra any Egypta izy"

Niontana ny fony

Eto ny "fo" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "ary dia taitra loatra izy" na "niontana izy" na "faly loatra izy"

tsy nino izay nolazain'izy ireo azy

"tsy nety nanaiky izy fa marina izay nolazain'izy ireo"

Genesis 45:27

Nolazain'izy ireo taminy

"Nolazain'izy ireo tamin'i Jakoba"

ny teny rehetra nambaran'i Josefa azy ireo

Eto ny "teny" dia ilazana izay voalaza. DH: "ny zavatra rehetra izay nambaran'i Josefa azy ireo"

velona indray ny fanahin'i Jakoba rain'izy ireo

Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "sitrana tamin'ny alahelony i Jakoba rain'izy ireo" na "faly loatra i Jakoba rain'izy ireo"