Genesis 35

Genesis 35:1

mandehana miakatra any Betela

Ny andian-teny "mandehana miakatra" dia nampiasaina satria Betela dia amin'ny fiakarana avo kokoa noho i Sekema.

Manamboara alitara any ho an' Andriamanitra

DH: "Manamboara alitara any ho Ahy, Andriamanitrao"

niteny tamin'ny ankohonany

"niteny tamin'ny fianakaviany"

Avelao ireo andriamanitra hafa izay eo aminareo

"Ario ireo sampinareo" na "Esory hiala ireo andriamanitrareo tsy izy"

diovy ny tenanareo, ary soloy ny fitafianareo

Fomba fanadiovana ny fanahy sy ny vatana mialohan'ny handehanana hanompoana an'Andriamanitra izany.

soloy ny fitafianareo

Ny manao akanjo vaovao dia mari-pamantarana fa efa nanadio ny tenany izy ireo mialohan'ny hanantonana an'Andriamanitra.

tamin'ny andro fahoriko

Ireo mety ho hevitry ny "andro" dia 1) ilay andro izay nandosiran'i Jakoba an'i Esao na 2) ny "andro" dia ilazana ny fotoana izay naha ory an'i Jakoba. DH: "raha tao anatin'ny fotoan-tsarotra aho" na "raha tojo olana aho"

Genesis 35:4

Dia nomen'izy ireo

"koa ny olona rehetra tao amin'ny ankohonan'i Jakoba dia nanome" na "Koa ny fianakaviana rehetra sy ireo mpanompony dia nanome"

izay teny an-tanan'izy ireo

Eto ny "teny an-tanan'izy ireo" dia ilazana izay hananan'izy ireo. DH: "izay fananan'izy ireo" na "izay azy ireo"

ireo kavina teny an-tsofin'izy ireo

"ireo kavin'izy ireo" (UDB). Ireo mety ho heviny dia 1) ny volamena tamin'ireo kavina dia mety afaka ampiasaina hanamboarana sampy betsaka kokoa na 2) naka ireo kavina tao an-tanànan'i Sekema izy ireo tao aorian'ny nanafiany sy namonoan'izy ireo ny olona rehetra tao. Ireo kavina dia mety hampatsiahy azy ireo ny fahotany.

nandatsahan'Andriamanitra horohoro teo amin'ireo tanàna

Nataon'Andriamanitra natahotra an'i Jakoba sy ireo fianakaviany ireo olona eo an- tanàna dia resahina toy ny zavatra izay nilatsaka tamin'ny tanàna ny "horohoro". Ny anarana hoe " horohoro" dia azo atao koa hoe "natahotra." DH: " Nataon'Andriamanitra natahotra an'i Jakoba sy ireo izay niaraka taminy ireo olona eo amin'ireo tanàna manodidina"

teo amin'ireo tanàna

Eto ny "tanàna" dia ilazana ny olona izay mipetraka eo amin'ireo tanàna.

ireo zanaka lahin'i Jakoba

Azo tsoahina avy amin'izany fa tsy nisy olona nahasahy nanafika ny fianakavian'i Jakoba. Fa ny roa tamin'ireo zanany lahy, dia i Simeona sy Levy no nanafika ireo Kananita havan'i Sekema tao aorian'ny nisamborany sy niarahany nandry tamin'ny zanaka vavin'i Jakoba. Natahotra i Jakoba ndrao mitady hamaly faty izy ireo ao amin'ny 34:30. DH: "ny fianakavian'i Jakoba" na "ny ankohonan'i Jakoba"

Genesis 35:6

Lozy

Anaran-tanàna izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:18.

El-betela

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe El-betela dia midika hoe 'Andriamanitry Betela.'''

tao Andriamanitra no nanambara ny Tenany taminy

"tao Andriamanitra no nampahafantatra ny tenany an'i Jakoba"

Debora

Anaram-behivavy izany.

mpitaiza an'i Rebeka

Ny mpitaiza dia vehivavy izay mikarakara ny zanaky ny vehivavy hafa. Ny mpitaiza dia mana-kaja ambony tokoa ary tena manana ny lanjany tokoa eo amin'ny fianakaviana.

Nalevina tao ambanimbanin'ny Betela (...) izy

Afaka atao izany hoe: DH: "Nalevin'izy ireo tany ambanimbanin'ny Betela (...) izy"

ambanimbanin'ny Betela

Ny andian-teny "ambanimbanin'ny" dia nampiasaina satria nandevina azy tao amin'ny toerana izay midim-pidinanana noho Betela izy ireo.

Alona-bakota

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Alona-bakota dia midika hoe 'hazo terebinta izay misy fitomaniana.'''

Genesis 35:9

Rehefa niverina avy any Padan-Arama i Jakoba

Afaka atao mazava izany fa tany Betela izy ireo. DH: "Rehefa nandao an'i Padan-Arama i Jakoba, ary tamin'ny naha tao Betela azy"

nitso-drano

Eto ny "...tso-drano" dia midika hoe manonona fomba fitsofan-drano amin'ny olona mba hitrangan'ny zavatra tsara amin'izany olona izany.

kanefa tsy antsoina hoe Jakoba intsony ianao

Afaka atao izany hoe: DH: "kanefa ny anaranao dia tsy atao intsony hoe Jakoba"

Genesis 35:11

Hoy Andriamanitra taminy hoe

"Hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba hoe"

Miteraha maro ary mihamaroa

Niteny tamin'i Jakoba mba hamokatra zazaka Andriamanitra mba ho maro izy ireo. Ny teny hoe "mihamaroa" dia manazava izay hahatonga azy "hiteraka maro." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:22.

firenena sy ny fikambanam-pirenena hipoitra avy aminao

Eto ny "firenena" na "ireo firenena" dia ilazana an'ireo taranak'i Jakoba izay hanorina ireo firenena ireo.

niakatra ka niala teo aminy (...) Andriamanitra

Eto ny "niakatra" dia nampiasaina satria ny toerana izay honenan'Andriamanitra dia noheverina fa avo na any ambonin'izao tontolo izao. DH: "Nandao azy Andriamanitra"

Genesis 35:14

tsangam-bato

vato fahatsiarovana izany, vato lehibe na vatolampy (vato lahy) natsangana mba hanamarihana izany(fahatsiarovana izany).

Nandraraka fanatitra sotroina sy nandraraka diloilo teo amin'izany izy

Izany dia famantarana fa natokana ho an'Andriamanitra ilay tsangam-bato.

Betela

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Betela dia midika hoe 'tranon'Andriamanitra.'''

Genesis 35:16

Efratà

Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Betlehema izany.

Saro-piterahana izy

"Tena nandalo fotoan-tsarotra sy mafy tokoa izy raha niteraka ilay zaza"

Raha tao anatin'ny fangirifirian'ny fahasarotam-piterahana izy

"raha tamin'ny fara-tapon'ny fangirifiriana ny fiterahana izy"

mpampivelona

olona izay manampy ny vehivavy mandritra ny fiterahany na famoahany zaza

Ary raha teo am-pialany aina, tamin'ny fara-fofonainy

Ny "fara-fofonaina" dia fofonaina farany mialohan'ny hahafaty ny olona iray. DH: "Mialoha kelin'ny nahafatesany, raha nitroka ny fara-fofonainy izy"

Benony

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Benony dia midika hoe 'zanaky ny alaheloko.'''

Benjamina

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe : ''Ny anarana hoe Benjamina dia midika hoe 'zanaky ny tanako ankavanana.''' Ny andian-teny hoe "tanana an-kavanana" dia manondro ny toerana famindrampo miavaka.

ary nalevina

Afaka atao izany hoe: DH: "ary dia nandevina azy izy ireo"

teny amin'ny lalana

"mankany amin'ny lalana" (UDB)

Izany no famantarana ny fasan'i Rahely hatramin'izao

"Izany no manamarika ny fasan'i Rahely hatramin'izao"

hatramin'izao

"hatramin'izao fotoana izao." Ny heviny dia hatramin'ny fotoana nanoratan'ny mpanoratra izany.

Genesis 35:21

Nanohy ny diany Israely

Azo tsoahina avy amin'izany fa ny ankohonan'Israely sy ireo mpanompony dia niaraka taminy. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava.

Bila

Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:28.

Ary nanan-janaka lahy roambin'ny folo i Jakoba

Izany fehezanteny izany dia manomboka andalana vaovao, izay mitohy ao amin'ireo andininy manaraka.

(j)-anaka= zanaka lahy roambin'ny folo

"zanaka lahy 12"

Genesis 35:23

Bila

Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:28.

Genesis 35:26

Zilpa

Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23.

izay naterany tany Padana-Arama

Azo ambara avy amin'izany fa i Benjamina izay teraka tany amin'ny tany Kanana akaikin'i Betlehema, dia tsy tafiditra ao anatin'izany. Padana-Arama ihany no voatonona satria tany no nahaterahan'ny ankamaroan'izy ireo. Afaka atao mazava ny tena hevitr'izany. DH: "izay nateraka ho azy tany Padana-Arama, afa-tsy Benjamina izay teraka tany amin'ny tany Kanana"

Jakoba tonga tany amin'i Isaka

Eto ny "tonga" dia azo atao koa hoe "lasa."

Mamre

Anarana hafa iantsoana an'i Hebrona izany. Mety nampitondraina ny anaran'i Mamre, ilay naman'i Abrahama izay nonina tao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:16.

Kiriat-Arba

Anaran-tanàna izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:1.

Genesis 35:28

valo-polo amby zato taona

"180"

Niala aina i Isaka ka maty

"Nitroka ny fofonainy farany Isaka ary maty." Ny andian-teny hoe " fofonainy farany" na "Niala aina" na "maty" dia milaza zavatra iray ihany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:7.DH: "maty i Isaka"

Nitroka ny fofonainy farany/ Niala aina

Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:7.

nangonina ho any amin'ireo razambeny

Ny heviny dia hoe: tao aorian'ny nahafatesan'i Isaka, ny fanahiny dia lasa nakany amin'ny toerana izay nisy ireo havany izay efa maty talohany. Afaka atao izany hoe: DH: "nanjohy ireo fianakavina izay efa maty izy"

lehilahy zokiolona voky andro

Milaza zavatra mitovitovy ihany izany andian-teny roa izany ary manasongadina fa niaina nandritra ny fotoana ela Isaka. DH: "rehefa niaina nandritra ny fotoana ela sy efa tena antitra"