Genesis 29

Genesis 29:1

mponina tatsinanana

Ny heviny dia ny olon'i Padan-arama, izay tany amin'ny tany atsinanan'ny tany Kanana.

ary, indro, nisy andian'ondry aman'osy telo nandry teo anilan'izany

Ny teny hoe ''indro'' dia manamarika ny fiandohan'ny tranga hafa ao amin'ny tantara lava kokoa. Mety manana fomba fanaovana izany ny fiteninao.

Fa teo ivelan'izany fatsakàna izany

''Fa avy amin'izany fatsakàna izany.'' Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika ny fomba nampisotroan'ireo mpiandry rano ireo ondry aman'osy.

nampisotron'ireo rano

''hampisotroin'ireo mpiandry rano'' na ''hampisotroin'ireo mpikarakara ny ondry rano''

vavan'ilay fatsakàna

Eto ny ''vava'' dia fomba ilazana ny fisokafany. DH: " ny fisokafan'ilay fatsakàna''

Genesis 29:4

Hoy Jakoba tamin'izy ireo hoe

''niteny tamin' ireo mpiandry Jakoba hoe''

Ry rahalahiko

Fomba mihaja fiarahabana ny vahiny izany.

Labana zanaka lahin'i Nahora

Eto ny ''zanaka lahy'' dia ilazana ny taranaka lehilahy. Ny mety ho heviny hafa dia ''Labana ilay zafikelin'i Nahora.''(UDB)

ary, indro, Rahely zanany vavy tamy miaraka amin'ny ondry

''Ary jereo! fa i Rahely zanany vavy ity tamy miaraka amin'ny ondry''

Genesis 29:7

amin'ny misasaka ny andro izao

'''mbola misandratra eny amin'ny lanitra ny masoandro'' (UDB) na ''mbola vao mamiratra be ny masoandro''

ho fanangonana ny ondry aman'osy

Afaka atao izany hoe: DH: "ho fanangonana ny ondry aman'osy ho anareo''

hangonina miaraka

Ny heviny dia manangona azy ireo miaraka ao anaty vala mba hijanona ao ny alina. Afaka ataonao mazava ny dikan'izany.

aoka hiraoka izy ireo

''aoka izy ireo hiraoka ahitra eny an-tsaha''

Tsy afaka manome rano azy ireo izahay

''tsy maintsy miandry izahay amin'ny fanomezana rano azy ireo''. Mahakasika resaka fotoana izany, fa tsy alalana.

raha tsy efa tafangona avokoa ireo ondry aman'osy rehetra

Afaka atao izany hoe: DH: "mandra-panangon'ny mpiandry hafa ireo ondry aman'osiny''

avy eo amin'ny vavan'ny fatsakàna

Eto ny ''vava'' dia fomba ilazana ny fisokafany. DH: " ny fisokafan'ilay fatsakàna''

ary dia hampisotroinay rano ny ondry

''avy eo dia hampisotroinay rano ny ondry''

Genesis 29:9

anadahin-dreniny

''dadatoany'' na ''dadafarany''

ny vavan'ny fatsakàna

Eto ny ''vava'' dia fomba ilazana ny fisokafany. DH: " ny fisokafan'ilay fatsakàna''

Genesis 29:11

Nanoroka an'i Rahely i Jakoba / Namihina an'i Rahely i Jakoba

Fanao taloha tany amin'ny Atsinanana Akaiky, ny manoroka ny havana akaiky ho fiarahabana. Na izany aza, ny lehilahy samy lehilahy no manao izany. Raha manana fomba fiarahabana havana izay maneho fitiavana ny fiteninao, dia ampiasao izany. Raha tsy misy dia ampiasao izay mifanaraka.

nitomany mafy

Nitomany Jakoba satria faly loatra izy. Afaka ataonao mazava ny tena dikan'izany fanambarana izany.

havan-drainy

''izay mifandray amin'ny rainy''

Genesis 29:13

zanaky ny anabaviny

''zanaka lahin'ny anabaviny''

nanoroka azy

''namihina azy''

nanoroka azy

Fanao taloha tany amin'ny Atsinanana Akaiky, ny manoroka ny havana akaiky ho fiarahabana. Na izany aza, ny lehilahy samy lehilahy no manao izany. Raha manana fomba fiarahabana havana izay maneho fitiavana ny fiteninao, dia ampiasao izany. Raha tsy misy dia ampiasao izay mifanaraka.

Nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany zavatra rehetra izany

''ary avy eo dia nolazain'i Jakoba an'i Labana avokoa izay nambaran'i Rahely azy''

taolako sy nofoko

Ny hevitr'izany andian-teny izany dia hoe fehezin'ny rohim-pihavanana akaiky izy ireo. DH: "ny havako'' na ''isam-pianakaviako''

Genesis 29:15

Tokony hanompo ahy maimaim-poana ... havako?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Labana mba hanindrina fa tokony handoa vola amin'i Jakoba izy tamin'ny fanaovany ny asany. Azo atao fanambarana izany fanontaniana izany. Afaka atao ihany koa izany hoe: DH: "rariny tokoa raha handoa vola any aminao aho tamin'ny fanaovanao ny asa ho ahy na dia havako aza ianao.

ary Labana nanana zanaka roa vavy

Ny teny ''ary'' eto dia nampiasaina hanamarihana ny fiovana eo amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika ireo zanaka vavin'i Labana.

Lea dia nalefa-pijery

Ireo mety ho heviny dia 1) ''nahafinaritra ny fijery ny mason'i Lea'' na 2) ''marin-drano (mitovy tantana) ny mason'i Lea''

Jakoba dia tia an'i Rahely

Eto ny teny hoe ''tia'' dia ilazana ny fifanintonan'ny fo eo amin'ny lehilahy sy vehivavy iray.

Genesis 29:19

toy izay homeko lehilahy hafa izy

''noho izay homeko lehilahy hafa izy''

ary tahaka ny andro vitsy ho azy ihany izany

'''kanefa dia tahaka ny andro vitsy ho azy ihany ny fotoana''

noho'ny fitiavany azy

''amin'ny fijery ny fitiavany izay hananany ho azy'' na ''noho'ny fitiavany azy''

Genesis 29:21

Omeo ahy ny vadiko, fa efa feno ny fe-potoana—mba hanambadiako azy!

Eto ''ny andro'' dia ilazana ny fotoana lava. Ny andian-teny ''efa feno'' dia azo atao tsotra hoe: DH:''Omeo ahy Rahely mba hanambadiako azy, fa efa niasa ho anao aho nandritra ny fito taona!''

nanao lanonana

'''nikarakara lanonam-panambadiana.'' Azo eritreretina tokoa fa nanana olona hafa mpikarakara ny lanonana i Labana. DH: "nampaniraka olona hikarakara lanonam-panambadiana.''

Genesis 29:23

izay niaraha-nandry taminy

Toa manambara izany fa tsy fantatr'i Jakoba fa niaraka tamin'i Lea izy satria maizina ka tsy afaka nahita izy. Afaka ataonao mazava ny tena dikan'izany.

Nanome an'i Zilpa mpanompo vaviny ... i Labana

Eto ny mpanoratra dia manome fampahafantarana fototra mahakasika an'i Labana izay nanome an'i Zilpa ho an'i Lea. Azo eritreretina tokoa fa mialohan'ny fanambadiana dia nanome an'i Zilpa ho an'i Lea izy.

Zilpa

Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany.

indro, fa Lea izany

''taitra i Jakoba nahita an'i Lea teo am-pandriana niaraka taminy. Ny teny hoe ''indro'' eto dia maneho fa taitra nohon'ny amin'izay hitany i Jakoba.

Inona izao nataonao tamiko izao?

Mampiasa izany fanontaniana izany Jakoba mba hanehoany ny fahatezerany sy ny fahatairany. DH: "Tsy mino aho hoe nahavita izany tamiko ianao!'' Izany fanontaniana fampisainana izany dia azo atao toy ny fanambarana.

Tsy nanompo anao ve aho mba hahazoako an'i Rahely?

Mampiasa izany fanontaniana izany Jakoba mba hanehoany ny ratram-pony ny amin'ny namitahan'i Labana azy. Izany fanontaniana fampisainana izany dia azo atao toy ny fanambarana. DH: "nanompo anao nandritra ny fito taona aho mba hanambadiako an'i Rahely!''

Genesis 29:26

Tsy fombanay ny manome

''amin'ny fianakavianay dia tsy manome''

Tanteraho volantantelin'ity zanaka vavy ity

''vitao ny fankalazana ny erinandrom-panambadian'i Lea''

dia homenay anao koa ny anankiray

Afaka ataonao mazava ny tena hevitr'izany. DH: "ary amin'ny erinandro ho avy dia homenay anao ihany koa i Rahely''

Genesis 29:28

Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahany ny herinandron'i Lea

''ary Jakoba dia nanao izay nasain'i Labana natao, ary namita ny fankalazana ny erinandrom-panambadian'i Lea''

Bila

Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany.

nandry tamin'i Rahely Jakoba

Fomba mihaja ilazana fa nanana fifandraisana ara-panambadiana izy ireo. DH: "Nanambady an'i Rahely i Jakoba" (UDB)

fa tiany Rahely

Eto ny teny hoe ''tia'' dia ilazana ny fifanintonan'ny fo eo amin'ny lehilahy sy vehivavy iray.

Genesis 29:31

fa tsy mba notiavina i Lea

Afaka atao izany hoe: DH: "tsy tia an'i Lea Jakoba''

tsy notiavina

Izany dia fampitomboana mba hanasongadinana fa i Jakoba tia an'i Rahely kokoa raha mitahy amin'i Lea. DH: "tsy dia tia azy mihoatra an'i Rahely''

ka nampanan'anaka azy

Nanao izay hampanan'anaka an'i Lea Andriamanitra dia resahina toy ny hoe nanokatra ny tranon-janany Andriamanitra.

momba

''tsy afaka ny ho bevohoka''

nitoe-jaza i Lea ary niteraka zaza lahy

''bevohoka i Lea ary niteraka zaza lahy''

ka nataony hoe Robena ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Robena dia midika hoe' indro, zaza lahy.'''

efa nijery ny fahoriako i Yaveh

Niaina fangirifirina ara-po i Lea satria efa nanilika azy i Jakoba. Ny anarana hoe: ''fahoriana'' dia azo atao matoanteny. DH: "Hitan'i Yaveh fa nampahoriana aho''

Genesis 29:33

Dia nitoe-jaza izy

''Ary dia bevohoka indray Lea''

niteraka zaza lahy

''niteraka zanaka lahy''

efa ren'i Yaveh fa tsy mba tiana aho

Afaka atao izany hoe: DH: "efa ren'i Yaveh fa tsy mba tia ahy ny vadiko''

nataony hoe Simeona ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Simeona dia midika hoe' nihaino.'''

hifikitra amiko amin'izay ve ny vadiko

''hamihina ahy ve ny vadiko''

efa niteraka zaza lahy telo aho

''efa niteraka zaza lahy telo ho azy aho''

nataony hoe Levy ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Levy dia midika hoe' nifikitra.'''

Genesis 29:35

nitoe-jaza indray izy

"nitoe-jaza indray i Lea"

niteraka zaza lahy

"niteraka zanaka lahy"

nataony hoe Joda ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Joda dia midika hoe' midera.'''