Genesis 27

Genesis 27:1

mpahina ireo masony

Miresaka mikasika ny maha akaiky ny fahajambana toy ny hoe jiro ireo maso ary efa ho faty ny fahazavany. DH: "efa jambajamba izy'' na '''efa akaiky jamba izy''

hoy izy taminy

''ary Esao namaly''

"Inty aho"

"Eto aho" na ''mihaino anao aho.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.

hoy izy hoe

''Ary hoy Isaka hoe''

Henoy tsara

Ny andian-teny ''henoy tsara'' dia manampy hanasongadinana izay manaraka. DH: "mihainoa tsara''

Tsy fantatro ny andro hahafatesako

Toa milaza izany fa fantatr'i Isaka fa ho faty tsy ho ela izy. DH: "ankehitriny dia mety ho faty amin'ny fotoana rehetra aho"

fahafatesana

Ilazana ny fahafatesan'ny nofo izany.

Genesis 27:3

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy nanome toro marika an'ny zanany lahimatoa Isaka.

ireto fitaovam-piadianao

"ireo fitaovam-pihazanao"

ny fitifitrao

Ny fitifitra dia vata kely fitazonana ireo tsipika. DH: "fitifi-jana-tsipikanao''

mihazà ho ahy

''mihazà bibi-dia ho ahy''

Manaova sakafo matsiro, amin'ilay tena tiako

Ny teny hoe: ''matsiro'' dia ilazana ny zavatra izay tena tsara tsiro. DH: "Handrahoy hena matsiro, izay tena tiko aho''

hanomezako tso-drano anao

Tamin'ny andron'ny Baiboly, ny ray matetika dia manona tso-drano ho an'ireo zanany.

Genesis 27:5

Ary

Ny teny ''Ary'' dia maneho fiovana amin'ny fanasongadinana an'i Rebeka sy Jakoba.

Ren'i Rebeka izany rehefa niresaka tamin'i Esao zanany lahy i Isaka

''Ren'i Rebeka izay noresahin'i Isaka tamin'i Esao zanany lahy''

Nankany (...) Esao ... hitondra izany hody

Ny teny hoe ''koa rehefa'' dia afaka ampiana eto mba hanehoana fa niresaka tamin'i Jakoba i Rebeka noho ny amin'izay henony, koa niresaka taminy izy rehefa lasa i Esao. DH: "koa rehefa lasa i Esao ... hitondra izany hody,''

tamin'i Esao zanany lahy ... tamin'i Jakoba zanany lahy

Esao sy Jakoba dia samy zanaka lahin'i Isaka sy Rebeka. Nantsoina hoe ''zanaka lahin'ny rainy'' sy '''zanaka lahin'ny reniny'' izy ireo mba hanasongadinana fa samy manana ny tiany kokoa izy ireo.

Henoy tsara

Ny andian-teny ''henoy tsara'' dia manampy hanasongadinana izay manaraka. DH: "mihainoa tsara''

Hoy izy hoe : 'Ihazao bibi-dia aho ary hanaovy sakafo matsiro, mba hahafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao eo anatrehan'i Yaveh mialohan'ny hahafatesako'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Niteny tamin'i Esao mba 'hihaza bibidia, ary hahandro hena matsiro, izay tena tiany.'' Ary talohan'ny hahafatesany, Isaka dia hitso-drano an'i Esao eo anatrehan'i Yaveh.

Hitondray haza aho

"Hitondray bibidia izay nohazainao sy novonoinao aho''

hanamboary sakafo matsiro aho

''handrahoy hena matsiro amin'ilay tena tiako aho.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.

hitso-drano anao eo anatrehan'i Yaveh

"hitso-drano anao eo anoloan'i Yaveh"

mialohan'ny fahafatesako

"mialohan'ny hahafatesako"

Genesis 27:8

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Jakoba zanany faralahy i Rebeka.

Ary

Eto izany dia tsy midika oe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.

ankatoavy ny feoko araka izay handidiako anao

Niteny i Rebeka hoe: ''feoko'' mba ilazana izay nambarany. DH: "ankatoavy aho ary ataovy izay asaiko ataonao"

hanao sakafo matsiro amin'ireo ho an'ny rainao aho, tahaka ny tiany

Ny teny hoe: ''matsiro'' dia ilazana ny zavatra izay tena tsara tsiro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.

ho entinao mankany amin'ny rainao izany

"Ary dia ho entinao mankany amin'ny rainao izany"

mba hahafahany mihinana izany, ka hanomezany tso-drano anao

"'ary rehefa avy mihinana izy dia hitso-drano anao''

hahafahany mitso-drano anao

Ny teny hoe: ''tso-drano'' dia ilazana ny fomba fitahian'ny ray amin'ny fanononana tso-drano ho an'ireo zanany.

mialohan'ny fahafatesany

''mialohan'ny hahafatesany''

Genesis 27:11

lehilahy malama hoditra aho

"lehilahy manana hoditra malama aho" na "tsy voloina aho"

ka hahita ahy ho toy ny mpamitaka izy

"koa dia hihevitra izy fa mpandainga aho'' na ''dia ho fantany fa mamitaka azy aho''

Hitondra ozona amin'ny tenako aho fa tsy tso-drano

Ny voaozona na voatahy dia resahina toy ny zavatra izay azo apetraka eo amin'ny olona ny ozona sy ny fitahiana. DH: "Ary noho izany dia, hanozona fa tsy hitahy ahy izy''

Genesis 27:13

Anaka, aoka ny ozona hiraraka amiko

"aoka ny ozona ho anao ho amiko, ry zanako.'' resahina toy ny zavatra izay azo apetraka eo amin'ny olona ny voaozona. DH: "aoka ny rainao hanozona ahy fa tsy ianao, ry zanako''

Ankatoavy ny feoko

Niteny i Rebeka hoe: ''feoko'' mba ilazana izay nambarany. DH: "ankatoavy izay lazaiko anao'' na ''ankatoavy aho"

ento aty amiko ireo

''ento aty amiko ireo zanak'osy''

nanao sakafo matsiro, araka ny hitiavan'ny rainy azy

Ny teny hoe: ''matsiro'' dia ilazana ny zavatra izay tena tsara tsiro. Jereo ny nandikanao izany fehezanteny mitovitovy izany ao amin'ny 27:3.

Genesis 27:15

Napetrany teny amin'ny tanany ny hoditrin'ireo zanak'osy

Mbola nisy volo ireo hodi-janak'osy.

Nataony teny an-tanan'i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo izay efa nokarakarainy

''Nomeny an'i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo izay efa nokarakarainy''

Genesis 27:18

Hoy izy

"Ary namaly ny rainy" na "namaly Isaka'' (UDB)

Inty aho

"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.

efa nahavita izay nolazainao aho

''efa vitako izay nasainao nataoko''

amin'ny haza

Ny teny hoe ''haza'' dia ilazana ny bibidia izay nohazaina sy novonoin'ny olona. Jereo ny nandikanao ny ''haza'' ao amin'ny 27:3.

Genesis 27:20

Hoy izy

''namaly Jakoba''

nitondra izany tamiko

Fomba fiteny izay midika izany fa Andriamanitra no nahatonga izany hitranga. DH: "Nanampy ahy hampahomby ny fihazahako''

na tena Esao zanako marina ianao na tsia

"raha tena Esao zanako marina ianao ''

Genesis 27:22

Nanatona an'Isaka rainy i Jakoba

"Nanakaiky an'Isaka rainy i Jakoba"

Ilay feo dia ny feon'i Jakoba

Nampitaha ny feon'i Jakoba tamin'ny Jakoba tenany i Isaka. DH: "Toa mitovy feo amin'i Jakoba ianao"

fa ireo tanana kosa dia tanan'i Esao

Nampitaha ny tanan'i Esao tamin'ny Esao tenany i Isaka. DH: "kanefa ny fitsapana ireo tananao dia toa an' ireo tanan'i Esao"

Genesis 27:24

Hoy izy

Nametraka izany fanontaniana izany Isaka mialohan'ny hitsofany rano ny zanany. DH: "Kanefa nanontany aloha Isaka" (UDB)

hihinanako ny hazanao

Ny teny hoe ''haza'' dia ilazana ny bibidia izay nohazaina sy novonoin'ny olona. Jereo ny nandikanao ny ''haza'' ao amin'ny 27:5.

dia nisotro izy

"dia nisotro izany Isaka"

Genesis 27:26

nifofona ny fofon'ireo akanjony izy ka nitso-drano azy

Afaka ataonao mazava izany fa ireo akanjo dia namofona ireo akanjon'i Esao. DH: "nifofona ny ankanjony izy ary namofona toy ireo akanjon'i Esao izany, koa dia nitso-drano azy Isaka

ary nanimbolo izy

"ary nanimbolo Isaka"

ilay fofona

''ilay hanitra''

ka nitso-drano azy

''ary avy eo dia nitso-drano azy.'' Ilazana ny fomba fitahian'ny ray amin'ny fanononana tso-drano ho an'ireo zanany izany.

Injany, ilay fofon'ny zanako lahy

Ny teny hoe :''Injany'' dia sarinteny izay midika hoe: ''eny marina tokoa'' DH: "Tena marina tokoa, fa fofon'ny zanako lahy" (UDB)

izay efa notahian'i Yaveh

Eto Ny teny hoe :''notahiana'' dia midika fa Yaveh nanao zavatra tsara hitranga amin'ny saha koa dia lasa nahavokatra izany. DH: "izay efa nataon'i Yaveh mamokatra be"

Genesis 27:28

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Tso-dranon'i Isaka izany. Nihevitra izy fa niresaka tamin'i Esao, kanefa i Jakoba no niresaka taminy.

hanome anao

Eto ny ''ianao'' ='' anao'' dia ilazana an'i Jakoba. Kanefa ny tso-drano dia hiatra ihany koa amin'ireo taranak'i Jakoba.

andon'ny lanitra

"Ando'' dia rano latsaka izay mipetraka eny amin'ireo zava-maniry mandritra ny alina. Afaka ataonao mazava izany ao amin'ny fandikan-teny. DH: "zavona amin'ny alina izay avy any an-danitra mba hanondraka ireo vokotrao''

tsiron'ny tany

Ny manana tany mahavokatra dia resahina toy ny matavy na manan-karena ny tany. DH: "tany tsara ho an'ny famokarana vokatra''

voa sy divay vaovao betsaka

Raha tsy dia fantatra ''ny voa'' sy ''ny divay'', dia azo atao amin'ny ankapobeny kokoa izany. DH: "sakafo sy zava-pisotro maro be''

Genesis 27:29

anao ...nanao

Eto ny ''anao'' dia ilazana an'i Jakoba. Kanefa ny tso-drano dia hiatra ihany koa amin'ireo taranak'i Jakoba.

hiankohoka (...) ireo firenena

Eto ny ''firenena'' dia ilazana ny olona. DH: "'hiankohoka avokoa ireo olona avy amin'ireo firenena''

hiankohoka

Ny heviny dia mandohalika amim-panetre-tena mba hanehoana fanajana sy voninahitra manoloana ny olona iray.

Aoka ho tompon'ireo rahalahinao

''tonga tompon'ireo rahalahinao ''

ireo rahalahinao ... ireo zanakin'ny reninao

Niresaka izany fitahiana izany mivantana tamin'i Jakoba Isaka. Kanefa izany dia hiatra ihany koa amin'ireo taranak'i Jakoba izay hanapaka ireo taranak'i Esao sy ireo taranak'ireo rahalahin'ny Jakoba hafa izay mbola mety hisy.

Ho voahozona anie ireo rehetra izay nanozona anao

Afaka atao izany hoe: DH: "Andriamanitra anie hanozona izay rehetra nanozona anao''

ho tahiana anie izay rehetra mitso-drano anao

Afaka atao izany hoe: DH: "Andriamanitra anie hitahy izay rehetra mitso-drano anao''

Genesis 27:30

nivoaka tamin-tahotra niala teo amin'ny fanatrehan'ny rainy i Jakoba

"Vao avy nandao ny lain'i Isaka rainy"

sakafo matsiro

''hena matsiro izay tiako.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.

amin'ireto hazan'ny zanakao

Eto ny ''an'i zanakao'' dia filaza mihaja ilazan'i Esao ny sakafo izay nokarakarainy.

hazan'ny zanakao

Ny teny hoe "Haza'' dia ilazana ny bibidia izay hazain'ny olona ka hohaniny. Jereo ny nandikanao ny ''haza'' ao amin'ny 27:5.

tsofy rano aho

Ilazana ny fomba fitahian'ny ray amin'ny fanononana tso-drano ho an'ireo zanany izany.

Genesis 27:32

niteny taminy

''niteny tamin'i Esao''

nipararetra Isaka

''nanomboka nihorohoro Isaka''

nihaza ny haza na nihaza ny osy

Ny haza dia ilazana ny bibidia izay hazain'ny olona ka vonoiny. Jereo ny nandikanao ny ''haza'' ao amin'ny 27:5.

Genesis 27:34

nitomany mafy tamin'ny ranomaso mafaitra indrindra izy

Ny fangirifirin'i Esao dia mitovy amin'ny tsiron'ny zavatra mangidy na mafaitra. DH: "nidradradradra mafy izy'' (UDB)

efa naka ny tso-dranonao

Hevitra ambadikin'ny nankan'i Jakoba izay an'i Esao izany. DH: "niso-drano azy aho raha tokony ho ianao'' / ''niso-drano azy aho fa tsy anao''

Genesis 27:36

Tsy mendrika azy ve ny niantsoana azy hoe Jakoba?

Nampiasa izany fanontaniana izany Esao mba hanasongadinana ny fahatezerany amin'ny Jakoba. DH: "Jakoba tokoa ny anarana mendrika ny rahalahiko!''

Jakoba

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe:''Ny anarana hoe Jakoba dia midika hoe 'nihazona ilay voditongotra izy.''' Amin'ny fiteny niaingana ny anarana hoe Jakoba ihany koa dia mitovy fanonona amin'ny teny hoe 'namitaka izy.'''

nalainy ... tso-drano

Miresaka ny fizokiana toy ny zavatra izay afaka alain'ny olona iray izany. DH: "namitaka ahy tamin'ny fanomezana azy ny lova avo roa heny izay tokony ho raisiko amin'ny maha zanaka lahimatoa ahy izy!''

ankehitriny dia nalainy ny tso-dranoko

Miresaka ny tso-drano toy ny zavatra izay afaka alain'ny olona iray izany. DH: "ankehitriny dia namitaka anao tamin'ny fitsofan-drano azy fa tsy izaho / raha tokony izaho''

Tsy misy tso-drano efa voatokanao ho ahy ve

Fantatr'i Esao fa tsy afaka ny hitso-drano azy mitovy amin'izay efa nomeny an'i Jakoba ny rainy. Nanontany Esao raha mbola misy zavatra tafajanona izay mbola tsy nolazain'i Isaka tamim-panomezana tso-drano an'i Jakoba.

Inona no mbola afaka ataoko ho anao, anaka

Nampiasa izany fanontaniana izany Isaka mba hanindrina fa tsy misy zavatra izay azony atao intsony!''

Genesis 27:38

Tsy mba manana tso-drano na dia iray ho ahy ary ve ianao, ry raiko

Afaka atao izany hoe: ''Ry raiko, tsy mba manana tso-drano hafa iray ho ahy ve ianao''

Genesis 27:39

niteny taminy

''niteny tamin'i Esao''

Indro

Manampy hanasongadinana izay holazain'i Isaka manaraka izany. DH: "mihainoa'' na ''Henoy tsara izay holazaiko anao''

lavitry ny haren'ny tany

Hevitra ambadikin'ny ilazana ny fahalonahan'ny tany izany. DH: "lavitry ny tany lonaka''

anao ...ianao

Ao amin'ny 27:39-40 dia ilazana an'i Esao izany, Kanefa izay nolazain'i Isaka dia hiatra ihany koa amin'ireo taranak'i Isaka.

andon'ny lanitra ambony

"Ando'' dia rano latsaka izay mipetraka eny amin'ireo zava-maniry mandritra ny alina. Afaka ataonao mazava izany ao amin'ny fandikan-teny. DH: "zavona amin'ny alina izay avy any an-danitra mba hanondraka ireo vokotrao''

Amin'ny sabatrao no hivelomanao

Eto ny ''sabatra'' dia ilazana ny heri-setra. DH: "Handroba sy hamono olona ianao mba hahafahanao maka izay ilainao hivelomana''

hanozongozona ny ziogany avy amin'ny vozonao ianao

Miresaka ny olona izay manana tompo toy ny zioga izay tsy maintsy entin'ny olona ny fanapahan'ny tompo eo amin'ny olona izany. DH: "hanafaka ny tenanao amin'ny fanapahany ianao'' (UDB)

Genesis 27:41

Niteny tao am-pony Esao

Eto ny ''fo'' dia ilazana an'i Esao tenany ihany. DH: "Niteny tamin'ny tenany i Esao" (UDB)

efa manakaiky ireo andro fisaonana ny raiko

Ilazana ny isan'ireo andro hisaonanan'ny olona rehefa misy fianakaviana maty.

Ireo tenin'i Esao zanany lahimatoa dia tonga tany amin'i Rebeka

Eto ny ''teny'' dia ilazana izay nolazain'i Esao. Afaka atao izany hoe: DH: "Nisy olona niteny tamin'i Rebeka mahakasika ny drafitr'i Esao''

Indro

''mihainoa'' na ''henoy tsara''

mampionona ny tenany

''manao izay hahatonga azy hahazo aina kokoa''

Genesis 27:43

Ary

Eto izany dia tsy midika oe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.

mandosira any amin'i Labana

''miala faingana eto ary mandehana any amin'i Labana''

mandrapaha aloha

''mandritra ny fotoana tsy voafetra''

mandra-pihenan'ny fahatezeran'ny rahalahinao

"mandra-pitony ny rahalahinao"

mandra-pialan'ny hatezeran'ny rahalahinao aminao

Ny tsy fahatezerana intsony dia resahina toy ny hoe miala amin'ilay olona ny fahatezerana ka makany amin'ny lalana hafa. DH: "mandra-paha tsy maha tezitra azy intsony aminao''

nahoana no hamoy anareo roa tonta ao anatin'ny iray andro aho?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Rebeka mba hanindrina ny ahiahiny. DH: "Tsy tiako ny hamoizako anareo ao anatin'ny iray andro!"

hamoizako anareo roa tonta ao anatin'ny iray andro

Toa milaza izany fa raha hamono an'i Jakoba i Esao, dia hampiatra ny famonoana an'i Esao izay toy ny mpamono olona, izy ireo.

hamoizako

Fomba mihaja ilazana ny hahafatesan'ireo zanany izany.

Genesis 27:46

Vinitra mafy amin'ny fiainana aho

Manao filaza feno fampitomboana i Rebeka mba hanindriana ny fahatezerany amin'ireo vehivavy Hetita izay nalain'i Esao vady. DH: "Tezitra mafy aho''

ireo zanakavavin'i Heta

''ireo vehivavy Hetita'' na ''ireo taranak'i Heta''

tahak'ireo vehivavy ireo, ny sasany amin'ireo zanaka vavin'ny tany

Ny andian-teny hoe ''ireo zanaka vavin'ny tany'' dia midika hoe vehivavy eo an-toerana. DH: "tahak'ireo vehivavy izay monina amin'ny tany''

dia inona no soa ho ahy amin'ny fiainako?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Rebeka mba hanindriana ny fahatezerany raha manambady vehivavy Hetita i Jakoba. DH: "'hatsiravina tokoa ny fiainako!''