Genesis 22

Genesis 22:1

Ary

Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiantombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.

tao aorian'ireo zavatra ireo

Izany andian-teny izany dia ilazana ireo tranga niseho tao amin'ny toko 21.

nitsapan'Andriamanitra an'i Abrahama

Toa milaza izany fa nitsapa an'i Abrahama Andriamanitra mba hafantatra raha mahatoky eo anatrehany i Abrahama. Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia: DH: "nitsapa ny fahatokian'i Abrahama Andriamanitra"

Inty aho

"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?"

ilay lahy tokanao

Toa milaza izany fa mahafantatra Andriamanitra fa manana zanaka lahy hafa i Abrahama, dia Ismaela. Manasongadina izany fa Isaka ilay zanaka lahy izay nampanantenan'Andriamanitra homena an'i Abrahama. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia azo atao hoe: DH: "ny zanakao lahy tokana izay nampanantenaiko"

izay tianao

Manasongadina ny fitiavan'Abrahama an'i Isaka, ny zanany lahy izany.

tanin'i Moria

"ny tany izay nantsoina hoe Moria"

nanisy lasely ny borikiny

"namatratra entana ny borikiny" na "nametraka teo ambonin'ny borikiny izay nilainy amin'ny diany"

tovolahy

"mpanompo" (UDB)

"niainga tamin'ny diany"

"nanomboka ny diany" na "nanomboka ny dia" (UDB)

Genesis 22:4

Tamin'ny andro fahatelo

Ny teny " fahatelo" dia midika telo amin'ny filaharan'isa. DH: "tao aorian'ny andro faha telon'ny dia"

nahita ilay toerana avy lavitra

"nahatazana avy eny alavitra ilay toerana izay efa nolazain'Andriamanitra"

tovolahy

"mpanompo" (UDB)

Hanao fanompoana izahay

Ny teny hoe: "izahay" dia ilazana an'i Abrahama sy Isaka ihany.

hiverina eto aminareo indray

"hiverina eto aminareo"

nametraka izany teo amin'Isaka zanany

"nampitondra izany, an'i Isaka, zanany"

Nentiny teny an-tanany

Eto ny hoe "teny an-tanany" dia manasongadina fa i Abrahama mihintsy no nitondra ireo zavatra ireo. DH: "Abrahama tenany mihintsy no nitondra"

ny afo

Eto ny hoe "ny afo" dia ilazana ny lasitra misy arina mirehitra na jiro na fanilo. DH: "zavatra izay handrehetana afo" (UDB)

niara-nandeha izy roa

"niara-niainga izy ireo" na "niara-nandeha izy roa"

Genesis 22:7

Ry raiko

Fomba firesaka maneho fitiavana ataon'ny zanaka amin'ny rainy izany.

Inty aho

"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.

ry zanako

Fomba firesaka maneho fitiavana ataon'ny rainy amin'ny zanaka izany.

ny afo

Eto ny hoe "ny afo" dia ilazana ny lasitra misy arina mirehitra na jiro na fanilo. Jereo ny nandikanao an'izany ao amin'ny 22:4.

fa aiza ilay ondry ho atao fanatitra dorana

"ilay ondry izay atolotrao ho fanatitra dorana"

Andriamanitra mihitsy

Eto ny hoe "mihitsy" dia manasongadina fa Andriamanitrano hamatsy ilay ondry.

hamatsy antsika

"hanome antsika"

Genesis 22:9

Rehefa tonga teo amin'ilay toerana izy ireo

"Rehefa tonga teo amin'ilay toerana i Abrahama sy Isaka"

namatotra (...) izy

"nofatorany"

teo ambony alitara, ambonin'ilay hazo

"teo ambonin'ilay hazo izay teo amin'ny alitara"

Naninjitra ny tanany (...) ary naka ilay antsy

"naka ilay antsy"

Genesis 22:11

ny anjelin'i Yaveh

ireo mety ho heviny dia 1) naka endrika anjely i Yaveh na 2)iray amin'ireo anjelin'i Yaveh izany na 3)mpitondra hafatr'i Yaveh manokana (ireo manam-pahaizana sasany mihevitra fa i Jesoa izany). Koa satria tsy dia mazava loatra ny andian-teny, ny tena tsara dia ny mandika izany tsotra hoe: "ny anjelin'i Yaveh" mampiasa ny teny tsotra izay ampiasainao ho an'ny "anjely." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:7.

avy any an-danitra

Ilazana ny toerana izay honenan'Andriamanitra izany.

Inty aho

"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?"Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.

Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, na manao zavatra handratra azy

Ny andian-teny "Aza maninjitra ny tananao amin'ny" dia fomba fiteny ny hoe: "aza mandratra" / "aza mikasi-tanana." Milaza zavatra mitovitovy indroa Andriamanitra mba hanasongadinana fa tsy tokony handratra an'i Isaka i Abrahama. DH: "aza mandratra ny zaza na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana"

fantatro ankehitriny ... avy amiko

Ny mpisolo tena tapisaka "...o" sy ny "...ko" dia ilazana an'Yaveh. Rehefa mandika ny teny ao anaty farango sosona ianao, dia ataovy toy izay nataon'ilay anjelin'Yaveh ary ampiasao ny teny hoe: "Izaho" rehefa manondro an'Yaveh.

matahotra an'Andriamanitra ianao

Ny heviny dia fanajana lalim-paka an'Andriamanitra sy fanehoana ny fanajana amin'ny fankatoavana azy.

hita fa

"satria hitako fa"

tsy niaro ny zanakao lahy ianao (...) avy amiko.

"tsy nanakana ny zanakao lahy ... avy amiko." Afaka atao izany hoe: DH: "nanolotra an-tsitra-po ny zanakao lahy ... ho ahy"

ny zanakao lahy, ilay zanakao lahitokana

Toa milaza izany fa mahafantatra Andriamanitra fa manana zanaka lahy hafa i Abrahama, dia Ismaela. Manasongadina izany fa Isaka ilay zanaka lahy izay nampanantenan'Andriamanitra homena an'i Abrahama. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.

Genesis 22:13

indro

Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

nisy ondry lahy nisaringotra tamin'ireo kirihitra ireo ny tandrony

Afaka atao izany hoe: DH: "nisy ondry lahy izay niraikitra teo amin'ireo kirihitra ireo tandrony" na "nisy ondry lahy niraikitra teo amin'ireo kirihitra"

Nandeha ary naka ilay ondry lahy

"Nandeha nankeny amin'ilay ondry lahy Abrahama ary naka izany"

hamatsy ... hamatsiana

Mampiasa teny mitovy amin'izay nampiasainao tao amin'ny 22:7.

hatramin'izao andro izao

"na dia ankehitriny aza." Ny dikany izany dia hoe: na dia tamin'ny fotoana nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity aza.

hamatsiana

Afaka atao izany hoe: DH: "izy no hamatsy"

Genesis 22:15

ny anjelin'i Yaveh

ireo mety ho heviny dia 1) naka endrika anjely i Yaveh na 2)iray amin'ireo anjelin'i Yaveh izany na 3)mpitondra hafatr'i Yaveh manokana (ireo manam-pahaizana sasany mihevitra fa i Jesoa izany). Koa satria tsy dia mazava loatra ny andian-teny, ny tena tsara dia ny mandika izany tsotra hoe: "ny anjelin'i Yaveh" mampiasa ny teny tsotra izay ampiasainao ho an'ny "anjely." Jereo ny fanamarihana ambany pejy mahakasika izany andian-teny izany ao amin'ny 16:7.

fanindroany

Ny teny "fanindroany" dia roa amin'ny filaharan'isa. DH: "indray"

avy any an-danitra

Eto ny teny "lanitra" dia ilazana ny toerana izay honenan'Andriamanitra.

ary niteny hoe—izao ny fanambaran'i Yaveh

"ary niteny hoe izao no hafatr'i Yaveh" na "ary nanambara ireo tenin'i Yaveh." Izany dia entina ilazana fa avy amin'iYaveh tsy misy mpanelanelana ireo teny ireo.

amin'ny tenako no nianianako

"nianiana aho ary Izaho no vavolombelona." Ny dikan'ny teny hoe: "mianina amin'ny" dia mampiasa anaran-javatra na olona ho fototra na hery nanaovana ny fianianana. Tsy misy zavatra izay mahery indrindra amin'i Yaveh afa-tsy ny mihaniana amin'ny tenany.

nahavita izany zavatra izany ianao

"nankatò Ahy ianao"

tsy niaro ny zanakao lahy ianao

"tsy niambina ny zanakao lahy." Afaka atao izany hoe: DH: "nanome an-tsitra-po ny zanakao lahy ho ahy"

ny zanakao lahy, ilay zanakao lahy tokana

Toa milaza izany fa mahafantatra Andriamanitra fa manana zanaka lahy hafa i Abrahama, dia Ismaela. Manasongadina izany fa Isaka ilay zanaka lahy izay nampanantenan'Andriamanitra homena an'i Abrahama. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 22:1.

hitahy tokoa

"tena hitahy"

hampitombo fatratra ireo taranakao Aho

"hampitombo foana foana ireo taranakao Aho " na "hataoko ho maro tokoa ireo taranakao"

toy ireny kintana eny amin'ireo lanitra sy toy ireo fasika eny amoron-dranomasina

Nampitahain'Andriamanitra amin'ireo kintana sy fasika ireo taranak'i Abrahama. Toy ny tsy hahafahan'ny olona manisa ny isan'ireo kintana tsy tambo isaina sy ny voan'ny fasika, koa ho maro be tahaka izany ireo taranak'i Abrahama izay tsy azon'ny olona isaina izy ireo. DH: "mihoatra izay azonao isaina"

toy ireny kintana eny amin'ireo lanitra

Eto ny teny hoe: "lanitra" dia ilazana ny zavatra rehetra izay hita eny amin'ny lanitra (ambonin'ny tany), ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, sy ireo kintana.

ho tompon'ny vavahadin'ireo fahavalon'izy ireo

Eto ny "vavahady" dia ilazana ny tanàna manontolo. Ny hoe :"Ho tompon'ny vavahadin'ireo fahavalon'izy ireo" dia midika fa handringana ireo fahavalon'izy ireo. DH: "manjakazaka amin'ireo fahavalon'izy ireo"

Genesis 22:18

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Abrahama ilay anjelin'Andriamanitra.

Ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho voatahy

Afaka atao izany hoe: DH: "Izaho, Ilay Tompo, dia hitahy ny olona rehetra monina eny rehetra eny"

firenena eto ambonin'ny tany

Eto ny "firenena" dia ilazana ny olon'ireo firenena.

nankatoa ny feoko ianao

Eto ny "feo" dia ilazana izay Nolazain'Andriamanitra. DH: "nankatoa izay nolazaiko ianao" na "nankatoa ahy ianao"

niverina Abrahama

Abrahama ihany no voatonina satria izy no ray, kanefa voalaza ao anatin'izany ny zanany lahy izay nandeha niaraka taminy. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia azo atao mazava: DH: "Niverina i Abrahama sy ny zanany lahy"

tovolahy

"mpanompony" (UDB)

nanainga izy ireo

"nandao ilay toerana"

nonina tao Beri-sheba

Abrahama ihany no voatonona satria izy no mpitarika ny fianakaviana sy ireo mpanompony, kanefa voalaza ao anatin'izany fa niaraka taminy izy ireo. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia azo atao mazava: DH: "Nonina tao Beri-sheba Abrahama sy ireo olony"

Genesis 22:20

Tao aorian'ireo zavatra ireo

"Tao aorian'ireo tranga ireo." Ny andian-teny "zavatra ireo" dia ilazana ny tranga ao amin'ny Genesisy 22:1-19.

nilazana tamin'i Abrahama

Afaka atao izany hoe: DH: "nisy nilaza tamin'i Abrahama" (UDB)

niteraka zaza koa i Milka

"niteraka zaza ihany koa i Milka"

Milka

Anaram-behivavy izany.

Dia i Oza izay lahimatoany, Boza rahalahiny

"Ny anaran'ny lahimatoany dia Oza, ary ny anaran'ireo zanany sasany dia i Boza sy ireo rahalahiny"

Oza ... Boza ... Kemoela ... Arama ... Kaseda ... Hazo ... Pildasy ... Jidiafa sy Betoela

Anaran-dehilahy avokoa ireo. Adikao izany mba ho fantatra mazava tsara fa zanak'i Nahora sy Milka avokoa izy ireo ankoatran'i Arama.

Genesis 22:23

Lasa rain'i Rebeka i Betoela

"taty aoriana kely dia lasa rain'i Rebeka i Betoela"

Ireo zaza valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama

"ireo no zaza valo ireo no naterak'i Milka sy Nahora, rahalahin'i Abrahama." Ilazana ireo ankizy voatanisa ao amin'ny 22:20 izany.

valo

"8"

ny vaditsindranony

"vaditsindranon'i Nahora"

Reoma

Anaram-behivavy izany.

niteraka koa

"niteraka ihany koa an'i..."

Teba, Gahama, Tahasy sy Meaka

Anaran-dehilahy avokoa izany.