30

1 Rehefa hitan'i Rahely fa tsy nanome anaka an'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny Rahely. Niteny tamin'i Jakoba izy hoe: "Omeo zanaka aho, raha tsy izany dia ho faty aho." 2 Nirehitra tamin'i Rahely ny hatezeran'i Jakoba. Hoy izy hoe: "Moa izaho no eo amin'ny toeran'Andriamanitra, izay nitazona anao tsy hanan-janaka?" 3 Hoy izy hoe: "Indro, ity ny mpanompoko Bila. Mandria miaraka aminy, mba hahafahany miteraka zaza ho eo am-pofoako, ka hananako zanaka avy aminy." 4 Dia nomeny azy ho vadiny i Bila mpanompo vaviny, ary Jakoba nandry niaraka taminy. 5 Nitoe-jaza ary niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba Bila. 6 Dia hoy Rahely hoe: "Nitsara tamin'ny fankasitrahako Andriamanitra. Nihaino ny vavaka nataoko Izy ary nanome zanaka lahy ahy." Noho izany antony izany no niantsoany ny anarany hoe Dana. 7 Bila, mpanompon'i Rahely, dia nitoe-jaza indray ary niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba. 8 Hoy Rahely hoe: "Tamin'ny tolona mahery no nitolomako tamin'ny rahavaviko ary nandreseko." Nantsoiny hoe Naftaly ny anarany. 9 Rehefa hitan'i Lea fa nijanona tsy nanan-janaka izy, dia nalainy Zilpa, mpanompo vaviny, ary nomeny ho vadin'i Jakoba izy. 10 Zilpa, mpanompon'i Lea, dia niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba. 11 Hoy Lea hoe: "Vintana ity!" Dia nantsoiny hoe Gada ny anarany. 12 Avy eo Zilpa, mpanompon'i Lea, niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba. 13 Hoy Lea hoe: "Sambatra aho! Fa ireo zanaka vavy hiantso ahy hoe sambatra." Dia nantsoiny hoe Asera ny anarany. 14 Nandeha tamin'ny andron'ny fijinjam-bary Robena ary nahita dodaima tao an-tsaha. Nentiny tany amin'i Lea reniny ireo. Dia hoy Rahely tamin'i Lea hoe: "Omeo sasany amin'ireo dodaiman'ny zanakao lahy aho." 15 Hoy Lea taminy hoe: "Olana kely ve aminao, ny nangalanao ny vadiko? Te haka ny dodaiman'ny zanako lahy ihany koa ianao izao?" Hoy Rahely hoe: "Dia hiara-handry aminao izy rahalina, ho takalon'ireo dodaiman'ny zanakao lahy." 16 Avy tany an-tsaha Jakoba ny hariva. Nivoaka Lea mba hihaona taminy ary niteny hoe: "Tsy maintsy miara-mandry amiko ianao rahalina, fa nofaiko tamin'ireo dodaiman'ny zanako lahy ianao. Dia niara-nandry tamin'i Jakoba Lea ny alina. 17 Nihaino an'i Lea Andriamanitra, dia nitoe-jaza sy niteraka zanaka lahy fahadimy ho an'i Jakoba izy. 18 Hoy Lea hoe: "Nomen'Andriamanitra ahy ny karamako, satria nanome ny mpanompo vaviko ho an'ny vadiko aho." Nantsoiny hoe Isakara ny anarany. 19 Nitoe-jaza indray Lea ary niteraka zanaka lahy faha-enina ho an'i Jakoba. 20 Hoy Lea hoe: "Nomen'Andriamanitra fanomezana tsara aho. Izao dia hanome voninahitra ahy ny vadiko, satria niteraka zanaka lahy enina ho azy aho." Nantsoiny hoe Zebolona ny anarany. 21 Rehefa afaka izany dia niteraka zanaka vavy izy ary nantsoiny hoe Dina ny anarany. 22 Nahatsiaro an'i Rahely Andriamanitra ary nihaino azy. Nampanan'anaka izy Izy. 23 Nitoe-jaza ary niteraka zanaka lahy izy. Hoy izy hoe: "Nesorin'Andriamanitra ny henatro." 24 Nantsoiny hoe Josefa ny anarany, ary nanao hoe: "Nanampy zanaka lahy iray hafa ho ahy Yaveh." 25 Tao aorian'ny niterahan'i Rahely an'i Josefa, dia niteny tamin'i Labana Jakoba hoe: "Alefao aho, mba hahafahako mandeha mankany amin'ny tranoko sy any amin'ny tanànako. 26 Omeo ahy ireo vadiko sy ireo zanako izay ho azy ireo no nanompoako anao, ary avelao aho andeha, fa ianao mahafantatra ny fanompoana nataoko anao." 27 Hoy Labana taminy hoe: "Raha mahita fankasitrahana eo imasonao aho ankehitriny, dia andraso, satria fantako tamin'ny fampiasana sikidy fa nitahy ahy noho ianao i Yaveh. 28 Dia hoy izy hoe: "Teneno hoe ohatrinona ny karamanao, dia ho aloako ireo." 29 Jakoba niteny taminy hoe: "Fantatrao ny fomba nanompoako anao, sy ny fomba nitomboan'ny biby fiompinao niaraka tamiko. 30 Fa kely no nanananao talohan'ny nahatongavako, ary nitombo be lavitra izany. Nitahy anao Yaveh na taiza na taiza niasako. Ary rahoviana aho no mba hihary ho an'ny tokantranoko koa?" 31 Dia hoy Labana hoe: "Inona no ho aloako aminao?" Hoy Jakoba hoe: "Tsy hanome ahy na inona na inona ianao. Raha hanao izao zavatra izao ho ahy ianao, dia ho hamahana indray ny biby fiompinao ary hiambina izany aho. 32 Avelao aho hamakivaky ny biby fiompinao rehetra androany, hanala ny ondry pentipetina sy sada rehetra amin'izany, ary izay mainty rehetra eo amin'ny ondry, ary ny sada sy ny pentipentina eo amin'ireo osy. Izany no ho karamako. 33 Ny tsy fivadihako no ho vavolombelona ho ahy any aoriana, rehefa tonga hijery ireo karamako ianao. Ny rehetra izay tsy pentipentina sy sada eo amin'ireo osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry, raha misy hita aty amiko, dia ho atao toy ny nangalarina." 34 Hoy Labana hoe: "Ekena. Aoka ho araka ny teninao izany." 35 Tamin'io andro io Labana dia nanala ireo osy lahy izay sadika sy sada, sy ireo osy vavy rehetra izay pentipentina sy sada, ny rehetra izay nisy fotsy taminy, ary ireo mainty rehetra teo amin'ireo ondry, ka nanome ireo ho eo an-tanan'ireo zanany lahy. 36 Nanisy lalan-kateloana teo anelanelany sy Jakoba ihany koa Labana. Noho izany dia nijanona niandry ny ambin'ireo biby fiompin'i Labana i Jakoba. 37 Naka tapaka rantsan-kazo popola maitso Jakoba, sy tamin'ny hazo amygdala sy hazo planata, ary namaofy ny fotsy tamin'ireo, ary nanao izay ampiseho ny aty fotsin'ny hazo izay tao amin'ireo tapa-kazo. 38 Dia nametraka ireo tapa-kazo izay novoasany teo anoloan'ireo biby fiompy, teo anoloan'ireo tavy fisotroana rano izay nandehanan'ireo hisotro izy. Nanan'anaka ireo rehefa tonga nisotro. 39 Niteraka teo anoloan'ireo tapa-kazo ireo biby fiompy; ary ireo biby fiompy niteraka sadika, sada, ary pentipentina. 40 Nosarahan'i Jakoba ireo zanak'ondry ireo, fa nanao ny ambin'ireo nifanatrika tamin'ireo biby sadika sy ny ondry mainty rehetra tao amin'ny biby fiompin'i Labana. Dia nosarahany ho azy irery ny biby fiompiny ka tsy nakambany niaraka tamin'ireo biby fiompin'i Labana. 41 Na oviana na oviana niterahan'ny ondry matanjaka tao amin'ny biby fiompy, dia nampandrian'i Jakoba teo amin'ny tavy fisotroana teo anoloan'ny mason'ireo biby fiompy ireo tapa-kazo, mba hafahan'izy ireo miteraka eo amin'ireo tapa-kazo. 42 Fa rehefa tonga ireo biby osa tamin'ireo biby fiompy, dia tsy nametraka ireo tapa-kazo teo anoloan'ireo izy. Koa an'i Labana ireo biby osa, ary an'i Jakoba ny mahery. 43 Lasa nanan-karena be ralehilahy. Nanana biby fiompy be izy, mpanompo vavy sy mpanompo lahy, ary rameva sy ampondra.