17

1 Tamin'i Abrama sivy amby sivifolo taona, dia niseho taminy Yaveh ary niteny taminy hoe: "Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anoloako, ary aoka tsy hisy tsiny. 2 Dia hanamafy ny fanekeko teo Amiko sy ianao Aho, ary hanamaro anao fatratra." 3 Niankohoka tamin'ny tany Abrama ary niteny taminy Andriamanitra, nanao hoe: 4 "Raha ny Amiko, dia indro, aminao ny fanekeko. Ho rain'ny firenena maro ianao. 5 Tsy ho Abrama intsony ny anaranao, fa hatao hoe Abrahama—satria manendry anao ho rain'ny firenena maro Aho. 6 Hahamaro anao fatrara Aho, ary hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka ho avy aminao. 7 Haoriko ny fanekeko eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao, amin'ireo taranaka faramandimbin'izy ireo ho fanekena tsy manam-pahataperana, mba ho Andriamanitrao sy ho an'ireo taranaka mandimby anao Aho. 8 Homeko anao, sy ireo taranaka mandimby anao, ny tany nipetrahanao, dia ny tany Kanàna rehetra, ho fananana mandrakizay, ary Izaho ho Andriamanitr'izy ireo." 9 Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: "Raha ny aminao, dia tsy maintsy mitandrina ny fanekeko, ianao sy ny taranakao aorianao hatramin'ny taranaka faramandimbin'izy ireo. 10 Izao no fanekeko, izay tsy maintsy tandremanao, eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao: Tsy maintsy foraina ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Tsy maintsy foraina ny nofon'ny loha tsitsinareo, ka izany no famantarana ny fanekena eo Amiko sy aminao. 12 Ny zazalahy valo andro rehetra eo aminao, hatramin'ny taranak'ireo olonao dia tsy maintsy foraina. Anisan'izany izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana vola avy tamin'ny vahiny izay tsy iray amin'ireo taranakao. 13 Tsy maintsy foraina avokoa izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana tamin'ny volanao. Amin'izany ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo mba ho fanekena mandrakizay. 14 Na iza na iza lehilahy tsy mifora izay tsy noforaina ny nofon'ny loha tsitsiny dia hesorina amin'ny vahoakany. Nandika ny fanekeko izy." 15 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: "Raha ny amin'i Saray vadinao, dia aza antsoina hoe Saray intsony izy. Fa kosa, Saraha no ho anarany. 16 Hitahy azy Aho, ary homeko zanaka lahy avy aminy ianao. Hitahy azy Aho, ary ho renin'ny firenena maro izy. Avy aminy ireo mpanjakan'ny olona." 17 Avy eo niankohoka tamin'ny tany Abrahama, ary nihomehy, ka niteny tao am-pony hoe: "Moa mbola hisy zaza afaka hateraka ho an'ny lehilahy izay efa zato taona ve? Ahoana no hahafahan'i Saraha, izay efa sivifolo taona, hitondra vohoka?" 18 Hoy Abrahama tamin'Andriamanitra hoe: "Enga anie Ismaela mba ho velona eo anatrehanao!" 19 Hoy Andriamanitra hoe: "Tsia, fa Saraha vadinao dia hanome zanaka lahy ho anao, ary tsy maintsy ataonao hoe Isaka ny anarany. Haoriko aminy ho fanekena mandrakizay miaraka amin'ireo taranaka faramandimbiny ny fanekeko. 20 Raha ny amin'Ismaela, dia efa reko ianao. Indro, mitso-drano azy Aho, ary hampamokatra azy, sy hampitombo azy fatratra. Ho rain'ireo mpitarika ny foko roa ambin'ny folo izy, ary hataoko tonga firenena lehibe. 21 Fa ny fanekeko dia haoriko amin'Isaka, izay haterak'i Saraha ho anao amin'ny fotoana toy izao amin'ny taona manaraka." 22 Rehefa avy niresaka taminy Izy, dia niakatra niala avy teo amin'i Abrahama Andriamanitr. 23 Avy eo Abrahama naka an'Ismaela zanany lahy, sy ireo rehetra tao amin'ny ankohonany, ary ireo rehetra novidiany vola, ny lehilahy rehetra tao amin'ny tokantranon'i Abrahama, ka namora ny nofon'izy ireo tamin'io andro io, araka ny nolazain'Andriamanitra taminy. 24 Sivy amby sivifolo taona Abrahama tamin'izy noforaina ny lohantsitsiny. 25 Telo ambin'ny folo taona Ismaela tamin'izy noforaina tamin'ny nofo. 26 Tamin'io andro io dia samy voafora Abrahama sy Ismaela zanany. 27 Noforaina niaraka taminy ireo lehilahy rehetra tao an-tokantranony, anisan'izany ireo teraka avy tao amin'ny tokantranony sy ireo novidiana vola avy tamin'ny vahiny.