15

1 Tao aorian'ireo zavatra ireo dia tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao sy valisoa lehibe indrindra ho anao." 2 Hoy Abrama hoe: "Tompo Yaveh o, inona no homenao ahy, satria tsy mbola manan-janaka ihany aho, ary i Eliziera avy any Damaskosy no mpandova ny tranoko?" 3 Hoy Abrama hoe: "Satria tsy nomenao taranaka aho, dia indro, ny mpitatan-draharaha ny tranoko no mpandova ahy." 4 Avy eo, dia indro, tonga taminy ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Tsy ho mpandova anao izany lehilahy izany; fa izay avy amin'ny nofonao ihany kosa no ho lasa mpandova anao." 5 Dia nitondra azy nivoaka Izy, ary nanao hoe: "Jereo ny lanitra, ary isao ireo kintana, raha afaka ny hanisa ireo ianao." Avy eo niteny taminy Izy hoe: "Dia ho toy izany ireo taranakao." 6 Nino an'i Yaveh izy, ary nisainy ho fahamarinana ho azy izany. 7 Niteny taminy Izy hoe: "Izaho no Yaveh, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny Oran'ny Kaldeanina, mba hanome anao ity tany ity mba handova izany." 8 Hoy izy hoe: "Ry Tompo Yaveh, ahoana no hahafantarako fa handova izany aho?" 9 Avy eo hoy Izy taminy hoe: "Hitondrao zanak'omby vavy telo taona aho, osy vavy telo taona, ondry vavy telo taona, voromailala, ary zana-boromailala." 10 Nentiny teo aminy avokoa ireo rehetra ireo, ary nanapaka ireo ho roa, ka nametraka ny antsasany tsirairay avy nifanatrika, fa ireo vorona kosa tsy nozarainy. 11 Raha vao nidina teo ambonin'ny karakasy ireo voron'ny haza, dia noroahin'i Abrama izy ireo. 12 Ary rehefa nilentika ny masoandro, dia latsaka tao anaty tori-maso lalina i Abrama ary, indro, nisy aizina lalina sy nampihororo nandifotra azy. 13 Dia niteny tamin'i Abrama i Yaveh hoe: "Fantaro marina fa ireo taranakao dia ho vahiny amin'ny tany izay tsy azy ireo, ary ho andevozina sy ampahoriana mandritry ny efajato taona. 14 Hitsara izany firenena izay ho tompoin'izy ireo izany Aho, ary rehefa afaka izany dia hivoaka miaraka amin'ny fananana mitobaka izy ireo. 15 Fa ianao dia ho any amin'ny razambenao am-piadanana, ary halevina amin'ny fahanterana. 16 Any amin'ny taranaka faha efatra dia ho tonga eto indray izy ireo, fa ny helok'ireo Amorita dia tsy mbola nahatratra ny fetrany." 17 Rehefa nilentika ny masoandro ary maizina, dia indro, nisy vilany nivoaka setrok'afo sy fanilo nandalo teo anelanelan'ireo singany. 18 Tamin'io andro io dia nanao fanekena niaraka tamin'i Abrama i Yaveh, nanao hoe: "Homeko ho an'ny taranakao etoana ity tany ity, manomboka amin'ny reniranon'i Egypta ka hatrany amin'ny renirano lehibe, Eofrata— 19 ireo Kenita, Kenizita, Kadmonita, 20 Hetita, Perizita, Refaita, 21 Amorita, Kananita, Girgasita, ary ireo Jebosita."