14

1 Ary tamin'ny andron'i Amrafela, mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama ary Tidala mpanjakan'i Goima, 2 dia nanao ady izy ireo hanoherana an' i Bera, mpanjakan'i Sodoma sy Birsa mpanjakan'i Gomora sy Sinaba mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara). 3 Ireto mpanjaka dimy farany dia nifampitaona niaraka tao andohasahan'i Sidima (nantsoina ihany koa hoe: ranomasin-tsira). 4 Roa ambin'ny folo taona no nanompoan'izy ireo an'i Kedorlaomera, saingy tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo dia nikomy kosa izy ireo. 5 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo, dia tonga i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy ary nanafika an'i Refaita tao Astarta-Kamaima, Zozima tany Hama, Emima tao Save-kiriataima, 6 ary ny Horita tao an-tendrombohitr'i Seira, hatrany Elparana, izay akaikin'ny tany efitra. 7 Avy eo dia niverina izy ireo ary tonga tany Ena-mispata (nantsoina koa hoe: Kadesy), ary nandresy ireo firenen'ny Amalekita, sy ireo Amorita izay nonina tany Hazazon-tamara ihany koa. 8 Avy eo ny mpanjakan'i Sodoma, ny mpanjakan'i Gomora, mpanjakan'i Adma, mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara) dia nivoaka ary niomana 9 ho amin'ny ady hanoherana ireo Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, Tidala, mpanjakan'i Goima, Amrafela, mpanjakan'i Sinara, Arioka, mpanjakan'i Elasara; mpanjaka efatra nanohitra ireo dimy. 10 Ary ny lohasahan'i Sidima dia feno lavaka misy ditin-tany, ary rehefa nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora, dia nilatsaka tao izy ireo. Ary ireo izay tavela dia nandositra tany amin'ireo tendrombohitra. 11 Ka nalain'ny fahavalo ireo haren'i Sodoma sy Gomora rehetra sy ireo tahiry rehetra, ary dia lasa nandeha tamin'ny lalan'izy ireo. 12 Ary rehefa nandeha izy ireo, dia nentiny koa i Lota, zana-drahalahin'i Abrahama, izay nipetraka tao Sodoma, niaraka tamin'ny fananany rehetra. 13 Ilay iray izay afa-nandositra dia tonga ary nilaza tamin'i Abrama ilay Hebreo. Izy dia nonina tao amin'ny hazo terebintan'i Mamre, Amorita, izay rahalahin'i Eskola sy Anera; izy rehetra ireo izay mpiandany amin'i Abrama. 14 Ary rehefa ren'i Abrama fa voasambotr'ireo fahavalo ny havany, dia notarihiny ireo lehilahiny 318 voahofana izay teraka tao an-tranony, ka nanaraka azy ireo hatrany Dana. 15 Nozarainy ny alina ireo lehilahiny hanohitra azy ireo ary nanafika azy ireo, sy nanenjika azy ireo hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy. 16 Avy eo dia nampodiny ireo fananana rehetra, ary nampody an'i Lota havany sy ireo zava-tsoany ihany koa, mbamin'ireo vehivavy sy ny vahoaka hafa. 17 Ary rehefa niverina avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy i Abrama, dia nivoaka mba hihaona aminy tao an-dohasaha Save ilay mpanjakan'i Sodoma (Nantsoina ihany koa hoe: lohasahan'ny mpanjaka). 18 Nitondra mofo sy divay i Melkizedeka, mpanjakan'i Salema. Mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra izy. 19 Nitso-drano azy izy manao hoe: "Ho tahian'Andriamanitra Avo Indrindra, Mpahary ny lanitra sy ny tany anie Abrama. 20 Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ireo fahavalonao teo an-tananao." Avy eo dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zava-drehetra. 21 Hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama hoe: "Omeo ahy ny olona, ary ento ho anao ireo fananana." 22 Hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma hoe: "Izaho dia efa nanangana ny tanako tamin'i Yaveh, Ilay Andriamanitra Avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, 23 fa tsy handray singa taretra, fehin-kapa iray, na zavatra hafa izay anao aho, mba tsy hahafahanao milaza hoe: 'Izaho no nampanankarena an'i Abrama.' 24 Tsy haka na inona na inona afa-tsy izay efa nohanin'ireo zatovo sy ny anjaran'ireo lehilahy izay niaraka tamiko aho. Aoka ho raisin'i Anera sy Eskola ary Mamre ny anjaran'izy ireo."