12

1 Ary Yaveh niteny tamin'i Abrama hoe: "Mialà amin'ny firenenao, sy amin'ireo havanao, sy amin'ny tokantranon-drainao, hankany amin'ny tany izay hasehoko anao. 2 Hataoko firenena lehibe ianao, ary ho tahiako ianao, ary hataoko lehibe ny anaranao, ary ho fitahiana ianao. 3 Hitahy ireo izay mitahy anao Aho, fa na iza na iza manala baraka anao dia hozoniko. Amin'ny alalanao no hitahiana ireo firenen'ny tany rehetra." 4 Dia nandeha Abrama, araka izay nolazain'i Yaveh hataony, ary nanaraka azy koa i Lota. Dimy amby fitopolo taona i Abrama raha nandao an'i Harana. 5 Abrama nitondra an'i Saray, vadiny, Lota, zana-drahalahiny, ireo fananana rehetra izay voatahirin'izy ireo, sy ireo vahoaka izay azon'izy ireo tao Harana. Niainga ho any amin'ny tany Kanàna izy ireo, ka tonga tao amin'ny tany Kanàna. 6 Nandalo ny tany lavitr'i Sekema i Abrama, hatrany amin'ny hazo terebintan'i More. Ireo kananita no nipetraka tao amin'ilay tany tamin'izany andro izany. 7 Niseho tamin'i Abrama i Yaveh, ka niteny hoe: "Ho an'ireo taranakao no hanomezako ity tany ity." Ary Abrama nanorina alitara tany ho an'i Yaveh, izay niseho taminy. 8 Nifindra nankany amin'ny havoana atsinanan'i Betela izy, izay nanorenany ny lainy, Betela tany andrefana sy Ay tany atsinanany. Teo no nanorenany alitara ho an'i Yaveh sy niantso ny anaran'i Yaveh. 9 Avy eo nanohy ny diany Abrama, nandeha nankany Negeva. 10 Nisy mosary tao amin'ilay tany, ka nidina tany Egypta Abrama mba hitoetra, fa nahery ny mosary tao amin'ilay tany. 11 Rehefa nadiva hiditra an'i Egypta izy, dia niteny tamin'i Saray vadiny hoe: "Indro, fantatro fa tena vehivavy tsara tarehy ianao. 12 Rehefa hitan'ireo Egyptiana ianao dia hiteny izy ireo hoe: 'Ity ny vadiny,' ary dia ho vonoin'izy ireo aho, kanefa ianao ho hazonin'izy ireo ho velona. 13 Teneno hoe anabaviko ianao, mba tsy hampaninona ahy noho ianao, ary mba ho voatsitsy ny aiko noho ianao." 14 Ary tamin'ny fotoana nidiran'i Abrama tao Egypta, dia hitan'ireo egyptiana fa vehivavy tena tsara tarehy tokoa Saray. 15 Hitan'ireo tandapan'i Farao izy, dia nidera azy tany amin'i Farao, ary dia nalaina ho any an-tokantranon'i Farao ravehivavy. 16 Ary nampiadanin'i Farao i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nanome azy ondry, omby, ampondra lahy, mpanompo lahy, mpanompo vavy, ampondra vavy, ary rameva. 17 Avy eo Yaveh nikapoka an'i Farao sy ny ankohonany tamin'ny loza lehibe noho i Saray, vadin'i Abrama. Nampiantso an'i Abrama i Farao, ka niteny hoe: 18 "Inona ity zavatra izay vitanao tamiko? Nahoana no tsy nolazainao tamiko fa vadinao izy? 19 Nahoana ianao no nilaza hoe: 'Anabaviko izy,' mba hangalako azy ho vadiko? Noho izany, indro ny vadinao. Ento izy, ary andeha zory ny lalanao." 20 Ary Farao nanome baiko ireo lehilahiny nahakasika azy, ary nandefa azy lavitra izy ireo, niaraka tamin'ny vadiny sy izay rehetra nananany.