Toko faha 14

1 Alaivo na lehy jiaby malemy amin'ny finoagna, aza mitsara mikasika ny tohan-kevitra. 2 Ny ôlogno araiky dia managna finoagna hihinanagna na ino na ino, fao ny araiky hafa lehy malemy tsy mihinagna afa-tsy legioma 3 Aoka lehy mihinagna zavatra jiaby tsy handoto lehy tsy mihinagna ny jiaby; avakeo lehy tsy mihinagna raha jiaby ndraiky tsy mitsara lehy hafa mihinagna ny jiaby. Fao zagnahary afa nagneky azy. 4 Zôvy moa anao lehy mitsara ny mpanompn'ôlogno hafa? Akeo agntraihan'ny tômpiny izy no mitsangagna na lavo. Fao hantsangagna izy, satria ny Tômpo dia afaka manangagna azy. 5 Ny ôlogno araiky dia mihevitra fao misy ny andro tsara raha oharigny amin'ny jiaby. Ny hafa ndraiky mihevitra fao mitôvy ny andro jiaby. Ambilao ny tsiraikeraiky hagneky araka ny saigninazy aby. 6 Lehy mandiniky ny andro, dia mandinika zany ho an'ny Tômpo; ary lehy hômagna, dia hômagna ho an'ny Tômpo, fao misoatra zagnahary izy. Lehy tsy hômagna, dia mifady hanigny ho an'ny Tômpo, izy fôgna koa misaotra zagnahary. 7 Fao tsisy miaigny ho an'ny haigniny atsika, avakeo tsisy maty ho an'ny haigniny. 8 Fao izy koa miaigny atsika, dia miaigny ho an'ny Tômpo. Araka zany na velogno atsika na maty, dia nihin'ny Tômpo. 9 Fao amin-jany antony zany no nahafataisan'i Kristy aveo nahavilômany ndraiky, mbô hahatonga Azy ho salakady Tômpon'ny maty sady Tômpo'ny velogno. 10 Fao anao, nagnino moa anao mitsara ny rahalahinao? Aveo anao, nagnino anao malaigny rahalahinao? Fao atsika jiaby dia mbaola hitsangagna ho tsaraigny akeo agnatraihan'ny sezy fitsaragnan-jagnahary. 11 Fao afa voasaoratra hoe: "Raha mbaola velogno koa zaho," afiky Tômpo, "dia hiforitry akeo agnatraihako ny lohalitry jiaby, aveo ny laila jiaby dia hidaira zagnahary." 12 Kay noho zany ary, atsika tsiraikiraiky avy dia hagnano tatitry ny haignenazy akeo anin-jagnahary. 13 Kay aoka atsika tsy hifampitsara eky, fao naifa hanapaka zao, mbô tsy hisy hagnambaila vato mahatafintohigny na fandriky hoan' ny rahalahiny. 14 Mahay zaho ave resy lahatra akao amin' ny Tômpo Jesosy, fao tsy misy tsy madio amin' ny aigniny. Fao hoany lehy malaka na ino na ino ho tsy madio, dia tsy madio zany ho azy. 15 Satria raha malahelo nohon' ny amin'ny hanigny ny rahalahinao, dia tsy mandaiha am-pitiagna aky ana. Aza aratigny nohon' ny amin'ny hanigniareo reo zay nahafoizan'ny Kristy ny aigniny. 16 Koa aza magnambaila zay heritreretinare ho tsara ho ankaratsigny. 17 Fao ny fanjakany Zagnahary dia tsy mahakasiky ny hanigny ndraiky rano figiahigny, fao mahakasiky ny fahamarinagna, fiadanagna, filagna akao amin' ny Fagnahy Masigny. 18 Fa lehy manompo an'i Kristy araka zany dia ankasitrahin-jagnahary ndraiky kehin' ôlogno. 19 Noho zany, aoka atsika hanohy reo zavatry ny fiadanagna ndraiky reo zavatra zay manefy ny tsiraikiraiky aby. 20 Aza aratigny nohon' ny amin' ny hanigny ny asan-Jagnahary. Madio tatôboe ny raha jiaby, fa ratsy hoan'ny ôlogno lehy mihinagn' azy ave mahatonga azy ho tafintohigny. 21 Tsara ny tsy mihinan-kanina, na migiaka divaigny, na ny raha jiaby zay mety hanafintohigny ny rahalahinao. 22 Ny finoagna anagnanao, akajio aka aminao ndraiky Zagnahary. Sambatra lehy tsy magnameloka ny aigniny amin'izay kehiny. 23 Lehy misalasala dia meloka raha mihinagna, satria tsy tamin' ny finoagna zany. Ave na ino na ino tsy avy amin' ny finoagna dia fahotagna.