Toko faha 13

1 Aoka fagnahy jiaby hagneky reo manam-pahefagna ambony, fao tsisy fahefagna raha tsy avy amin-Jagnahary. Avakeo reo manam-pahefagna misy dia afa voatendrin-Jagnahary. 2 Noho zany zay manohitry zany fahefagna zany dia manohitry ny didin-Jagnahary; aveo zareo zay manohitra zany dia hahazo fitsaràgna amin'ny taignan-jareo. 3 Satria reo mpanapaka dia tsy fampitahôragna ho an'ny reo asa tsara, fao ho an'ny reo asa ratsy. Magniry ny tsy atahotra ny araiky akao amin'ny fahefagna moa areo? Magnanôva ny tsara, dia ho deraigny amin-jany anao. 4 Fao izy dia mpanompon-Jagnahary ho nihinareo amin'ny asa tsara. Fao raha magnano ny ratsy areo, dia matahôra, satria tsy manday ny meso tsisy dikany izy. Fao izy dia mpanompon-jagnahary, mpamaly ny fahavigniragna amin'ny lehy magnano ratsy. 5 Noho zany dia tokony hagneky are, tsy nohon'ny fahavigniragna faogna, fao nohon'ny fieritreretagna faogna koa. 6 Noho zany dia magnifao haitra faogna koa areo. Fa mpanompon-Jagnahary reo manam-pahefagna, zay miandraikitry zany raha zany tsy mijanogno. 7 Aloavo amin'ny tsiraikiraiky zay tokony nihin-jareo: magnifao haitra amin'ny zay tokony hagnifagna azy; magnifao fandi-tseranagna amin'zay tokony hagnifagna azy; matahôra an'ny zay tokony hatahoragna; magnajà an'ny zay mendrika zany. 8 Aza managna trosa na amin-jôvy na amin-jôvy, afa-tsy ny fifankatiavagna faogna. Fao zay tià ny magnodidigny azy dia nahantatairaka ny lalàgna: 9 Fôntry reo didy: "Aza magnalatra vadin'ôlogno, aza mamono ôlogno, aza mangalatra, aza magniry," ary izy koa misy didy hafa ankoatrany reo koa, dia voafehy amin'ny tô fehezanteny tô zany: "Tiavo ny namanao karaha haigninao koa." 10 Ny fitiavagna dia tsy mandratra ny magnodidigny; noho zany, fitiavagna no fahatantirahan'ny lalàgna. 11 Noho zany, hainareo ny fotoagna, fao afa fotoagna hinjonanareo amin'ny toromaso edy zeo. Fao avaizo afa marikitry noho zay nankatovintsika tamin'ny voaloahany ny fagnavotagna atsika. 12 Avy ny aligny, avakeo marikitry ny andro. Noho zany, alôhy hariagna reo asan'ny maïzigny, avakeo alôhy atsika hisikigny ny fiadian'ny fahazavagna. 13 Ndaha handaiha amin'ny lalagna mahitsy, karaha ny amin'ny andro, fao tsy karaha ny amin'ny reo firavoravoagna tsy ampaha-mendraihagna na koa ny fahamamoagna, ary alôho tsy handaiha amin'ny fahavaitavaitagna na amin'ny filàgna tsy voafehy, avakeo tsy ho amin'ny fifanohairagna na fialôgnagna. 14 Fao misikina an'i Jesôsy Kristy Tompo, avakeo aza magnamia fisalasalagna ho any nôfotro, mbô hagnomezagna fafaham-pô ny filàgnany.