Toko faha 4

1 Noho zany, ry rahalahiky tiàko zay mahangaoma zaho, haravoako ndraiky satro-boninahitrinaha, amin'ny zany dia mitsangana tsara akao amin,ny Tompo, ry namako tiàko. 2 Mangavigny an'i Eodia zaho, ary mangavigny an'i Syntyke, miraisa saigny akao amin'ny Tompo. 3 Aveo, mangaho aminao foagna koa zaho, ry namako mpiray zoga: Ampia reo vaïavy reo. Satria zareo dia niara-niasa taminaha tamin'ny fagnaparitahagna ny Vaovao maharavoravo niaraka tamin'ny Klementa ndraiky reo tavaila namagna mpiara-miasa aminaha jiaby, zay afa akao amin'ny Bokin'ny Fiainagna ny agnaran-jareo. 4 Miravoa lalandava akao amin'ny Tompo. Mivolagna ndraiky zaho, miravoa. 5 Ambilao ho hay ny ologno jiaby ny fahatsoram-pônareo. Afa marikitry ny Tompo. 6 Aza miahiahy na amin'ino na amin'ino. Fao naifa, amin'ny raha jiaby amin'ny alalan'ny vavaka ndraiky fangatahagna, miaraka amin'ny fisaoragna, ambilao ny fangahoanareo ho hain-Jagnahary. 7 Ary ny fiadanagnan-Jagnahary, zay mihoatra ny fahaizagna jiaby, hiaro ny fônareo ndraiky ny fisaignagnareo jiaby akao amin'ny Kristy Jesôsy. 8 Aveo farany, ry rahalahiky, na ino na ino marigny, na ino na ino manan-kaja, na ino na ino ara-drariny, na ino na ino madio, na ino na ino mahafinaritry, na ino na ino nilazaigny fao tsara, koa misy na ino na ino taigna tsara, koa misy na ino na ino tòkony ho deraigny, dia mandiniha an'ny regny raha regny. 9 Reo raha araiky nianaranareo ndraiky niraisinareo ndraiky regninareo aveo hitanareo taminahao, atôvo regny raha regny, ary ny Zagnahary ny fiadanagna hiaraka aminareo. 10 Miravo be akao amin'ny Tompo zaho satria nivaozinareo foagna avaïzo ny fandinihagnareo zaho. Afa nandiniky zaho tatô areo teo alôha, fao tsisy fahafahagna avy aminareo mbô hagnampy. 11 Tsy mivolagna zany zaho satria akao agnatin'ny tsy fahampiagna. Fao afa nianatra ny hiravo amin'ny zay toe-java- miboaka jiaby zaho. 12 Haiky ny hoe mijaly ary haiky koa ny hoe manan-draha. Amin'ny fomba jiaby ndraiky amin'ny raha jiaby dia nianatra ny tsiambaratelon'ny fihinanam-be ndraiky ny tihinagna zaho, ary ny hoe manan-draha ndraiky ny hoe akao agnatin'ny tsy fahampiagna. 13 Afaka magnano ny raha jiaby zaho amin'ny alalan'ny lay mampahery zaho. 14 Kanaifa, areo nagnano ny tsara taminaha tamin'ny fahasahiragnagnanaha. 15 Ary areo Filipianina mahay fao tamin'ny fiandohan'ny vaovao maharavoravo, koafa nandao an'i Makedonia zaho, dia tsisy fiangonagna nagnampy zaho raha ny mahakasiky ny fagnomaizagna ndraiky fandraisagna afa-tsy areo faogna. 16 Na tamin'izaho tagny Tesalonika aby, dia nagnandaifa fagnampiagna ho an'ny zay nilaiky mihoatra ny indraiky mandaiha areo. 17 Tsy hoe mizaha fagnomiazagna zaho. Fao naifa, mizaha ny vokatra zay mampakatra ny vogninahitriareo zaho. 18 Nangala reo raha jiaby zaho, ary managna maro be. Fao feno zaho. Voaraiky avy tamin'i Epafrodito reo raha avy aminareo. Reo dia hangitry mangi-pôfogno, zay fagnatitry azo kehigny ndraiky ankasitrahin-Jagnahary. 19 Ary ny Zagnahariky hagnamia zay jiaby ilainareo araka ny hariagnan'ny vogninahitry akao amin'ny Kristy Jesôsy. 20 Ary nihin-Jagnahary sady Babantsika anie ny vogninahitry mandrakizay doria. Amena. 21 Magnanaova veloma an'ny mpankatô jiaby akao amin'ny Kristy Jesôsy. Reo rahalahy zay miaraka aminaha dia magnano veloma areo. 22 Reo mpankatô jiaby zay eto magnano veloma areo, intsakintsaka reo zay avy akao amin'ny tokan-tragnon'i Kaisara. 23 Ny fahasoavan'ny Tompo Jesôsy Kristy anie ho amin'ny fagnahinareo. [ Fagnamariahagna: Misy reo fanikagna sanany magnampy hoe: " Amena."]