Toko faha 2

1 Izy koa misy fampaharaizagna ao amin'ny Kristy, izy koa misy fampiononagna avy amin'ny fitiavany, izy koa misy firaisagna ao amin'ny fagnahy, izy koa misy famindrampô gaida sindraky fiantragna, 2 dia atôvo feno ny haravoagnanahy amin'ny fisainagna karaha zany, amin'ny fanagnagna fitiavagna mitovy, amin'ny firaisagna am-panahy, ave amin'ny fanagnagna tanjogno mitôvy. 3 Aza magnano na ino na ino amin'ny fitiavan-taigna foagna.Fao amin'ny fanitriantaigna kosa dia mihivaira ny hafa mihoatra ny taignanare. 4 Tokony tsy hizaha lehy mahasoa ny taignanareo ihany ny tsiraikiraiky aminareo, fao lehy mahasoa ny hafa ihany koa. 5 Mihevaira karaha ny fisainagna lehy tamin'i Kristy Jesôsy fôgna koa. 6 Afa nisy araka ny endriky Zagnahary Izy, fao tsy nandiniky zany fitoviany amin-Jagnahary zany ho raha hipitahagna Izy. 7 Ny mifanohitry amizany, nifoagnany ny aigniny. Nangalatahaka ny endriky ny mpamompo Izy. Ave niboaka tôrotrô ny ôlombelogno Izy. Aveke hita nitôvy tamin'ômbelogno Izy. 8 Nanetry taigna Izy ave tonga mpagneky hatramin'ny fahataisagna, dia lehy fahafataisan'ny hazofijaliagna! 9 Nohozany dia nampakarin-Jagnahary agnambo dia agnambo ihany koa Izy.Namiany lehy Agnaragna zay ambonin'ny agnaragna jiaby Izy. 10 Nitsabony zany mbôhoan'ny Agnaran'i Jesosy ny handingoalifagnan'ny lohoalitry jiaby, ny lohoalitrizare zay agny andagnitry sindraiky aketo an-tany ave agny ambanin'ny tany. 11 Nitsabony zany hagnikaihany laila jiaby fao i Jesôsy Kristy no Tômpo, ho vogninahitrinny Zagnahary Baba. 12 Noho zany, ry malalako, karaha ny agnikaihanareo hatrany, tsy ake amin'ny fagnatraihako fôgna fao mandômbolômbo lavitry aby avaizo izikoafa tsy ake zaho, dia aboaho amin'ny tahotro sindraiky hovitra ny fagnavôtagna areo. 13 Satria Zagnahary no miasa aka aminareo mbô ho vôgnon-kagnani no sady hiasa ho an'ny firavoany areo. 14 Tsaboy tsy am-pitaraignagna na fiadiagna hevitry ny raha jiaby. 15 Magnanôva tôrotrô zany mbô ho tonga zanaka Zagnahary tsisy tsigny salakady marigny, tsisy antsa areo. Miasà tôrotro zany mbô hamirapiratanareo karaha ny fahazavagna aketo amin'ny tany jiaby, akeo agnivon'ny tamigna meloka salakady maditry. 16 Mipitaha mafy amin'ny lehy tenin'ny fiainagna mbô hanako antony hiraiharaihagna amin'ny andron'i Kristy. Fao amin-jany ho haiky fao tsy very nihazakazahako ary tsy very maigny ny niasako. 17 Fao na dia ahidigny ho fagnatitry akeo amin'ny sôrogno ndraiky fanompoam-pinoagna aby zaho, dia ravoravo, ary miaraka miravoravo aminareo jiaby zaho. 18 Ary karaha zany koa no hiravoravoanareo, ary miaraka miravo aminaha areo. 19 Fao magnantaigna akao amin'ny Tômpo Jesôsy zaho fao hagnandaifa an'i Timoty agny aminareo malaky mbô hahery koa izy koa haiky ny raha mahakasika areo. 20 Fao tsy managna ôlogno hafa mitovy toe-tsaigny aminazy zaho, zay taigna magnahy aminareo. 21 Fao izy jiaby dia mizaha tombontsoany, fao tsy ny rahan'i Jesôsy Kristy. 22 Fao hainareo ny fahamaindrehany, satria karaha zaza manompo ny babany no anompoany miaraka taminaha tao aminin'ny vaovao maharavoravo. 23 Koa magnantaigna ny hagnandaifa azy zaho koafa hitako hoe manakôry ny fandaihandraharaha ato aminaha. 24 Fao matoky ny Tômpo zaho fao ho agny meky koa ny taignako. 25 Fao mandiniky zaho fao ilaigny fôgna koa ny magnampôdy an'i Epafrodito agny aminareo. Rahalahiky izy salakady mpiara-miasa no mpiara-miady, salakady mpintondra hafatrareo izy no mpanompo amin'izay ilaiky. 26 Fao tra-pahoriagna mafy izy ary mahatsiaro ny hiarahaka taminareo jiaby izy, satria regninareo fao narary izy. 27 Fao taigna narary izy ka afa tsoko naty. Fao namindra fô taminazy zagnahary. ary tsy taminazy araiky, fao taminahy koa, mbô tsy hananako halahelo ambonin'ny halahelo. 28 Koa dia amin'ny fahazotoagna gaida no andefasako azy, kay izy koa hahita azy ndraiky areo dia mbô hiravoravo kay hahay afaka amin'ny ahiahiky zaho. 29 Alaivo akao amin'ny Tômpo Epafrodito miaraka amin'ny firavoravoagna jiaby. Hajay ny ôlogno karaha zany. 30 Fao ho an'ny asan'ny Kristy no nagnantognany ny fahafataisagna. Fao nagnano takalonaigny izy hanompoagna zaho mbô hagnantaterahany zany tsy afaka nitsabonareo tamin'ny fanompoagna taminaha.