Toko faha 2

1 Koafa nimpôdy tao Kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, dia regny fa tan-tragno Izy. 2 tatôboe ny ôlogno nitangôrogno teo kay tsisy toeragna eky, nambaha antamiagna aby. Aveo nagnambara ny teny tamin-jareo Jesôsy. 3 nisy lalahy fôntrifôntry nagnatogno Azy zay nitonga lalahy malemy araiky; lehy nilanjain'ôlogno aifa-dahy. 4 koafa tsy afaka nagnatogno Azy marikitry zareo hazony hafontrirany vahoaka, dia nalan-jareo ny tafontragno lehy teo ambonin'i Jesôsy, izy Koafa voasôratra zareo, dia najôtsonjareo ny fandriagna lehy nandriany lalahy malemy. 5 koafa nahita ny finoagnan-jareo, dia nivaolagna Jesôsy tamin'ny lalahy malemy hoe: "Zanako, voavaila ny helokoa." 6 Aviteo nisy sasany tamin-jareo mpanoratra lalàgna nibidôko teo, kay nignomognomogno tamin'ny fôny zareo hoe: 7 no afahan'io lalahy io mivaolagna karaha zany? Mivaolan-dratsy izy! Tsy zagnahary araiky faogna moa afaka magnambaila heloka?" 8 Fao Jesôsy tonga dia nahay tamin'ny fagnahianazy ny raha niminiminen-jareo. kay nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Nagnino moa areo mieritreritry raha magnan-jany akao am-pônareo? 9 Ino moa môramôra mivaolagna amin'ny lehy lalahy malemy hoe: ' voavaila ny helokoa' sa ny hoe: 'Mitsangàna, batay fandriagnanao, avakeo mandiana'? 10 Fao mbô hahaizanareo fa managna fahefagna hamôtsotro heloka eto an-tany ny zanak'ôlogno, "Nivaolagna izy tamin'ny lehy malemy hoe: 11 "Volagniky aminao, mitsangàna, batay fandriagnanao, avakeo mandiana agny an-tragnonao." 12 Aviteo nitsangàna izy kay nibata ny fandriagnanazy, aveo niboaka lehy tragno manoloagna zareo jiaby teo, kay gaga zareo jiaby ka nagnomia vogninahitra Zagnahary, aviteo nivaolagna zareo hoe: "Tsy mbaola nahita raha karaha tô zahay. 13 Aveo niboaka teo magnôlo-dranomasigny koa Izy, avakeo nagnantogno azy aby vahoaka jiaby, kay nanàriny zareo. 14 Izy kaofa nandalo Izy, dia nahita an'i Levy zanak'Alfeo nibidôko teo amin'ny toairagna famoriagna haitra kay nivaolagna Izy taminazy hoe : "Magnaraha zaha." Aviteo nitsangagna izy ka nizôho Azy. 15 Nihinagna tao an-tragnon'i Levy Jesôsy aveo mpamôry haitra sindraiky ôlogno mpanota fôntry no niaraka nihinagna taminazy sy reo mpianany, fao fôntry zareo tao aveo nangaraka Azy. 16 Ary reo mpanôratra lalàna, zay Fariseho, izy koafa nahita Jesôsy niaraka nihinagna tamin-jareo mpanota sindraiky reo mpamôry haitra, dia nagnontany ny mpianany hoe: "Nagnino moa Izy miaraka mihinagna amin'ologno mpamôry haitra sindraiky ôlogno mpanota?" 17 Izy koa fa regniny Jesôsy zany dia nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Tsy ny salama no mila mpitsabo; fao ny marary faogna no mila zany.Tsy tonga hagnantso ôlogno marigny zaha fao ny mpagnano raha tsy manjary." 18 Ary nifady hanigny reo mpiantr'i Jaona sy reo Fariseho. Lalahy maromaro no nagnatogno Azy kay nivaolagna taminazy hoe: "Nagnino moa mpianatra Jaona sindraiky mpianatra reo Fariseho no mifady hanigny?" 19 Dia nivaolagna Jesôsy tamin-jareo hoe: "Afaka mifady hanigny moa ny mpagnatriky ny tsaboraha izy koa mboala akeo ny mpampiakatra." Izy koa mbaola miaraka amin-jareo akeo ny mpampiakatra, dia tsy afaka mifady hanigny zareo. 20 Hoavy ny andro hagnalagna ny mpampiakatra akeo amin-jareo, kay amin-jany andro zany, no hifady hanigny zareo.21Tsisy mambada lamba kôro amin'ny lamba vaovao, koa tsy zany edy hiala aminy lehy tapa-damba, ny vaovao hiala amin'ny taloha, ary mahay ho ratsy fôgna ny fatriahany. 22 Ary tsisy ôlogno magnano divay vaovao akao agnatin'ny seho hoditry kôro, koa tsy zany dia ho triaka ny divay ny seho hoditra kay samby ho very aby na ny divay na ny seho hoditra. Fao naifa, divay vaovao atao akao agnatin'ny seho hoditry vaovao. 23 Tamin'ny andro Sabata Jesôsy nandaiha tagny amin'ny tanimbary maromaro, aveo nanomboka nitsogno salôhimbary ny mpianatranazy. 24 Nivaolagna reo Fariseho taminazy: "Zahavo, nagnino zareo no magnano raha tsy araka ny lalàgnan'ny andro Sabata?" 25 Nivaolagna Izy tamin-jareo: "Mbaola tsy novakinareo moa raha nitsabon'i Davida koafa tao agnatiny tsy fahampiagna sindraiky tihinagna izy_avakeo reo lalahy niaraka tamininazy_ 26 nanakôry ny fomba nitsoforany tantragnon-jagnahary tamin'andron'i Abiatara mpisôronabe, kay nihinagna ny mofon'ny fagnantraihagna, zay tsy magnara-dalàgna na amin-jôvy na amin-jôvy ny mihinagn'azy afa tsy ny mpisôrogno, aveo mbaola nagnamiazany maromaro reo lehy niaraka taminazy?" 27 Jesôsy nivaolagna hoe: "Ny Sabata dia notsabogny ho an'ny zanak'ôlombelogno fao, zanak'ôlombelogno no ho an'ny Sabata. 28 Noho zany, ny zanak'ôlogno no tômpo, na dia ny Sabata aza."