Toko Faha 9

1 Nagnantso reo aroa ambin'ny fôlo lahy Izy ary nagnamia zareo angôvo ndraiky fahefagna amin'ny reo masantôko jiaby aveo hampahivagna reo aretigny. 2 Nalaifany zareo hitory ny fanjakan-Jagnahary ndraiky hampahivagna ny marary. 3 Nivaolagna Izy tamin-jareo: "Aza minday na ino na ino amin'ny dianareo—tsisy tongôzo, tsisy kitapom-batsy, tsisy môfo, tsisy vaola, avakeo tsisy ankanjo fagnampiny. 4 Zay tragno idiranareo, dia mijanona akao mandra-pialanareo. 5 Na aiza na aiza tsy handraisan-jareo areo, koafa miala zany tanàgna zany areo, dia hintsagno hiala amin'ny hongotro areo ny jôfo mbô ho fitsanganagna antomoa anohairagna zareo." 6 Avakeo dia lôsogno zareo ary namakivaky tanàgna, nitory ny vava maharavo ndraiky nagnasitragna tagny jiaby tagny. 12 Aveo koafa hoaligny andro, dia nagnatogno Azy reo aroa ambin'ny fôlo kay nivaolagna nagnanjao: "Alifaso andaiha reo vahoaka mbô afahan-jareo mandaiha akagny amin'ny reo tanàgna magnodidigny ndraiky ambanivôhotro mbô hahita fatoriagna ndraiky hanigny, satria aty amin'ny tany foagna atsika." 13 Fao hoizy tamin-jareo: "Amianareo raha hoanigny zareo." Ary nivaolagna reo: "Tsy managna mihoatra noho ny môfo dimy ndraiky hazandrano aroa zahay—raha tsy hoe mandaiha zahay aveo mividy hanigny hoan'ny reo ôlogno jiaby reo." 14 (Teo dia nisy teo amin'ny lalahy dimy arivo teo ho eo.) Ary nivaolagna tamin'ny reo mpianany Izy: Ampatairo ho vôndrogno dimam-pôlo isan-jareo." 15 Kay nagnano zany zareo, aveo nampantotry reo vahoaka. 16 Nalaka reo môfo dimy ndraiky hazandrano aroa, dia niandra langitry Izy, nisaotra reo aveo nizarazaraigny, kay namiagna reo mpianatra zany mbô ho tolaoragna reo vahoaka. 17 Nihinagna izy jiaby kay afa-pô, aveo nafômpogno reo tavaila tsy lany kay nisy potipotiny arao ambin'ny fôlo harogno. 18 Ary koafa nivavaka manaokagna Jesosy, dia niaraka taminazy reo mpianatra, Dia nagnontany zareo Izy, nagnano agnanjao: ''Volagnin'ny vahoaka ho zôvy moa Zaho?" 19 Namaly zareo: "Jaona mpagnano batisa. Fao reo sasany nivaolagna hoe Elia, aveo reo sasany mivaolagna fao nitsangagna tamin'ny maty ny araiky tamin'ny reo mpagnazary fahigny." 23 Ary hoy Izy tamin-jareo jiaby: "Raha misy te hagnaraka Zaho, dia tsy maintsy mandà ny haigniny izy aveo mitondra kakazo fijaliany isan'andro ary magnaraka Zaho. 24 Na zôvy na zôvy tehagnavotro haigniny dia hagnary azy, fao na zôvy na zôvy magnary haigniny nohony fitiavagna Zaho dia hagnavotro azy. 25 Ino no tsara azon'ny ôlogno amin'ny fanagnagna izo tontolo zao, kanaifa magnary na mamotiky haigniny? 28 Ary valo andro teo ho eo tafaran'ny nivolagnan'i Jesôsy reo koragna reo, dia niaraka taminy Petera ndraiky Jaona aveo Jakoba kay nakatra tanety hivavaka. 29 Raha nivavaka igny Izy, dia niaova ny bikany tarehiny, aveo nivadiky fôtsy mangilangilatra ny lambany. 32 Avakeo Petera ndraiky reo zay niaraka taminazy dia nivisarin'ny tôromaso, fao koafa taigna taitry tantairaka zareo, dia nahita vogninahiny ndraiky reo lalahy aroa zay nitsangagna niaraka taminazy. 33 Ary koafa niala nagnalavitry Jesôsy zareo, dia hoizy Petera taminazy: "Tompo, tsara amintsika ny mijanogno aketo. Ambilao zahay hagnamboatra fialaofagna telo, araiky nihinao, araiky nihin'i Mosesy, avakeo ny araiky nihin'i Elia." (Tsy hainy zay nivolagniny.) 34 Teo ampivolagnagna zany izy, dia nisy zavogno tonga nanarogno zareo, kay ambory zareo koafa niditry tao amin'ny lehy zavogno. 35 Nisy feo niboaka avy tagny amin'ny lehy zavogno nagnanjao: "Tô no Zanaka lahiko, lehy Araiky zay voafidy; tandrignaiso Izy." 36 Koafa nivaolagna lehy feo, dia Jesôsy zeraiky no hita teo. Nitagna ny fahanginany zareo tsy nivaolagna tamin-jôvy na zôvy tamin'ny zany andro zany ny mahakasiky zay jiaby hitan-jareo. 43 Ary aviteo dia sondriagna jiaby izy jiaby nahita ny hagidasan-Jagnahary. Raha gaga tamin'ny raha jiaby nitsabony igny zareo, dia hoizy Izy tamin'ny mpianany nagnanjao: 44 "Ambilao reto koragna reto ho tonga laligny ao an-tsôfigny areo: ny Zanak'Ôlogno dia ho vadihagna ho eo an-tagnan'ôlogno." 45 Fao tsy azon-jareo zany fagnambaragna zany. Zany dia navôny tamin-jareo, noho zany dia tsy azon-jareo ny dikan'ny zany, aveo mbôla natahotro zareo ny hagnontany mahakasiky zany fagnambaragna zany. 46 Ary avakeo nisy malomalo nanomboko teo amin-jareo ny amin'ny zay ho taigna gaida aminjareo. 47 Fao Jesôsy, nahay ny fihevitry tagny am-pônjareo, dia nangala zaza hely araiky kay nadôkony tankilany 48 aveo nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Fao na zôvy mandray tô zaza tô amin'ny agnarako, dia mandray Zaho; ary na zôvy na zôvy mandray Zaho, dia mandray lehy Araiky zay nagniraka Zaho. Fao zay taigna hely aminareo jiaby no gaida." 49 Jaona namaly: "Tompo ô, nahita ôlogno araiky zahay nangala masantôko tamin'ny agnaragnao dia nisakananay izy, satria izy tsy magnara-dia miaraka aminay." 50 "Aza raràgna izy," Hoizy Jesôsy, "satria zay tsy manohitry areo dia momba areo." 51 Koafa narikitry ny andro ampiakaragna Azy, dia niatriky hoagny Jerosalema Izy. 52 Nandaifa mpitondra hafatra Izy hialaoha Azy, aveo nandaiha zareo kay niditry tao amin'ny tanàgna Samaritana araiky mbô hagnomagna ny raha jiaby ho Azy. 53 Fao ny vahoaka tao tsy nandray Azy, satria nitodiky hoagny Jerosalema Izy. 54 Koafa nahita zany Jakoba ndraiky Jaona mpianatra, dia hoizy zareo: "Tompoko, tianao moa zahay raha handaifa môtro milatsaka avy agny an-dangitry mbô hamotiky zareo?" 55 Fao nitodiky Izy aveo nivaolagna mafy tamin-jareo, 56 ary lôsogno tagny amin'ny tanàgna hafa zareo. 59 Ary hoizy Izy taminazy: "Magnaraha Zaho." Fao hoizy nagnanjao: "Tompoko, ambilao zaho alaoha andaiha handevigny iadako." 60 Fa hoizy Izy taminazy: "Ambilao ny maty handevigny ny maty ao aminazy. Fao anao, mandihiana kay mitoria agny lavitry akagny aveo gidaso ny fanjakan-Jagnahary." 61 Ary nisy hafa nagnanjao: "Hagnaraka Anao zaho, Tompo, fao ambilao zaho alaoha hitsabo veloma reo agny an-tragno." 62 Jesôsy namaly azy nagnanjao: "Tsisy ôlogno mitàgna angady aveo mitodiky kay magnaiva ho amin'ny fanjakan-Jagnahary."