Toko Faha 8

1 Aveo tafarany helin'ny zany dia nanomboko nandaiha nitety tanàgna ndraiky vôhitry samihafa Jesôsy, nitory ndraiky nagnambara ny vava maharavo mahakasiky ny fanjakan-Jagnahary. Niaraka taminazy reo aroa ambin'ny fôlo lahy, 2 hotra reo vaiavy sasany zay nahivagna tamin'ny fagnahy ratsy ndraiky ny aretigny: Maria zay nantsôvigny hoe Magdalena, zay afa namoahagna masantôko fito, 3 Johana, vadin'i Koza, zay mpitan-draharahan'i Heroda, avakeo Sosana; ndraiky reo maro hafa koa, zay tamin'ny fanagnan-jareo, dia nagnamia zay nilain-jareo. 4 Raha mbôla nisy vahoaka maro nivôry, dia avy nagnatogno Azy reo ôlogno avy atamin'ny isan-tanagna, dia nagnano fagnohoaragna Izy: 5 "Nisy mpamboly niboaka mbô hamafy ny voany. Raha izy namafy igny, dia voafafy tegny amôron-dalagna ny sasany aveo voatsidia zany, avakeo lanin'ny vôron'ny langitry. 6 Ny sasany ndraiky voafafy tegny amin'ny laitrim-bato, kay raha vao naniry, dia nalazo zany satria tsisy hamandoagna. 7 Avakeo ny sasany dia voafafy tamin'ny fatsika, aveo ny fatsika niaraka naniry tamin'ny voa kay nangaija zany. 8 Ny sasany voafafy tegny amin'ny tany loanaka kay namoa vokatra zay tsara lavitry nisôsoko zato hegny." Tafaran'i Jesôsy nivaolagna reo raha reo, dia nagnantso mafy Izy nagnanjao: "Zay manan-tsôfigny hitandrignaisagna, aoka izy hitandregny." 9 Nagnontany Azy reo mpianany ny amin'ny tian'zany fagnohoaragna zany hambara. 10 Nivaolagna Izy: "Ny fahaizagna raha mivôn'ny fanjakan-Jagnahary dia amiagna areo, fao hoan'ny hafa dia mikoragna amin'ny fagnohoaragna Zaho, mbô tsy ahita zareo na dia mahita aby, aveo tsy hahay na dia mitandregny aby." 11 Ary zao no dikany lehy fagnohoaragna: ny voa dia ny tenin-Jagnahary. 12 Reo voafafy tegny amin'ny sisin-dalagna dia reo zay mitandregny, fao aveo dia tonga ny devoly kay mangala lehy teny tao am-pôny, mbô tsy hino ndraiky ho voavonjy zareo. 13 Aveo reo teo amin'ny vatolampy ndraiky dia reo zay, koa mitandregny koragna, dia mangala zany amin-karavoagna. Naifa tsisy fakany reo; malaky foagna ny finoagnan-jareo, aveo amin'ny fotoagna fitsapagna dia lavo zareo. 14 Reo voa voafafy teo amin'ny fatsika dia reo ôlogno mitandregny koragna, fao koafa mandaiha amin'ny lalany zareo, dia voagaijan'ny fiahiagna ndraiky hariagna aveo ny fahafinaraitan'izao fiainagna zao, kay tsy matoy ny voany. 15 Fao ny voa voafafy tamin'ny tany tsara, dia reo no, mitandregny ny vaolagna tamin'ny fô marigny ndraiky tsara, avakeo zareo mitagna azy tsara avakeo namokatra am-paharaitagna. 16 Ary tsisy ôlogno, koafa nandrehitry jiro, dia manarogno azy amin'ny sarogno na magnambaila zany ambany fandriagna. Fao naifa, magnambaila azy eo amin'ny fanaovan-jiro, mbô ho hitan'ôlgno jiaby zay miditry ny hazavagna. 17 Satria tsisy takogno zay tsy ho amboaka, na raha mivôny zay tsy hohay, aveo hiboaka amin'ny hazavagna. 18 Kay mitandrignaisa tsara, zay managna, dia mbôla hamiagna fôntrifôntry, fao hoan'ny zay tsy managna ndraiky, na zay hanagnany aby dia ho alaigny aminazy." 19 Avakeo ny nininy ndraiky ny rahalahiny nagnatogno Azy, naifa tsy afaka nagnarikitry Azy nohon'ny vahoaka. 20 Nisy nivaolagna taminazy: "Ny nininao ndraiky rahalahinao dia mitsangagna ao ambailany, tehita Anao." 21 Fao Jesôsy namaly ndraiky nivaolagna tamin-jareo: "Ny niniky ndraiky rahalahiko dia reo zay mitandregny koragnan-Jagnahary ndraiky mankatô zany." 22 Ary indraiky andro dia nandaiha an-dakagna Izy niaraka tamin'ny reo mpianany, aveo Izy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Andaiha atsika hoegny andafirôn'ny matsabôry." Dia nandaiha zareo. 23 Fao raha nandaiha zareo dia tafandry Jesôsy. Avakeo nisy valolan-drivotro havy teo amin'ny matsabôry, kay feno rano ny lakagna, avakeo nitandindon-doza zareo. 26 Zareo dia nahazo ny faritr'i Gerasena, zay tandrifin'ny matsabôrin'i Galilea. 27 Aveo koafa nakatra hankegny an-tanety Jesôsy, dia fanôjy tamin'ny lalahy araiky avy tao an-tanagna zay nisy masantôko. Ary afa aila izy no tsy misikigny lamba, avakeo tsy nibidôko tantragno fao tegny amin'ny fasagna. 28 Koafa nahita Jesôsy izy, dia nangaiky mafy ndraiky niakaohaka teo agnatraihany kay nivaolagna tamin'ny feo mafy nagnanjao: "Ino no iraisanao aminaha, Jesôsy zanaka Zagnahary taigna agnambo ô? Miangavigny Anao zaho, aza mampijaly zaho." 29 Fao Jesôsy nandidy ny fagnahy maloto tamin'ny lehy lalahy. Fao afa nandritry ny fotoagna maro no nangaija azy zany, kay na dia nifihezigny tamin'ny tady ndraiky gadra vy aveo niambaisagna aby izy, dia nipotehiny reo tady avakeo nindesin'ny masantôko tagny antanimaty izy. 30 Jesôsy nagnontany azy nagnanjao: "Zôvy agnaragnao? Aveo hoizy: "Legiona," fao fôntry ny masantôko zay afa niditry taminazy. 31 Zareo niangavigny Azy hatragny mbô tsy handaifa azy hoagny amin'ny lavaka tsy hita tapairany. 36 Aveo reo zay nahita zany nivaolagna azy reo ny fomba nampahivagna lehy lalahy nanjakan'ny masantôko. 37 Ary ny vahoaka jiaby teo amin'ny faritr'i Gerasena dia nangataka Jesôsy mbô hiala eo amin-jareo satria feno hamboriagna mafy zareo. Noho zany dia nandaiha an-dakagna Izy mbô afahan-jareo mimpôdy. 38 Lehy lalahy niboahan'ny masantôko dia niangavigny taminazy mbô hagnambaila azy handaiha hiaraka aminazy, fao Jesôsy nandaifa azy, nivaolagna nagnanjao: 39 "Mimpodiana agny an-tragnonao kay magnomaiza tatitry feno mahakasiky zay nitsabon-Jagnahary taminao." Ary lehy lalahy nandaiha tamin'ny lalany, dia nagnambara magneragna ny tanagna jiaby zay nitsabon'i Jesôsy taminazy. 43 Ary nisy vaiavy araiky teo zay afa nandaiha lio nandritry ny aroa ambin'ny fôlo tagno aveo afa nandany vaolany jiaby, [Fagnamarihagna: Reo manam-pahaizagna dia mizarazara hevitry raha tôkony ampidiragna eto ny fehezan-teny magnanjao: "Nandany vaolany jiaby (izy)] avakeo tsisy nampahivagna azy na zôvy na zôvy. 44 Ary izy nandaiha afaran'i Jesôsy kay nikasiky ny rambon-dambany, dia nijanogno teo ny eo ny lio-nazy. 47 Koafa hitan'ny lehy vaiavy fao tsy tankaolaka izy, dia nangovitry izy aveo niankaohaka taminazy. Nambarany teo imason'ny ôlogno ny antony nikasihany Azy, ndraiky ny fomba nampahivagna azy avy hatragny. 48 Aveo Izy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zanaka vaiavy, ny finoagnanao no nampahivagna anao. Mandihana am-piadanagna." 51 Koafa nankao an-tragno Izy, dia tsy nambaila na dia ôlogno araiky aby hiaraka-hiditry aminazy hafan'i Petera ndraiky Jaona avakeo Jakoba, ndraiky iadan'lehy zaza aveo ny nininy. 52 Ary jiaby dia nisaona ndraiky nitomoagny azy, 53 fao Izy nivaolagna: "Aza mitomoagny; tsy maty aby izy fao mandry." Dia nimoehy Azy zareo, satria fa maty lehy zaza vavy. 54 Fao niraisiny tamin'ny tagnany izy kay nagnantso mafy, nivaolagna nagnanjao: "Zanaka, mitsangàna!" 55 Aveo nimpôdy fagnahinazy, kay niarigny samby teo izy. Avakeo nibeko zareo Izy mbô hagnamia hanigny azy. 56 Ary gaga ny ray aman-dreniny, fao Izy ndraiky nandraova zareo mbô tsy hivaolagna na amin-jôvy na amin-jôvy ny raha zay nitranga.