Toko Faha 12 13

1 Tamin'ny zany andro zany, nisy ôlogno sasany teo nivaolagna taminazy mahakasiky reo Galiliana zay ny linjareo no nafangarony Pilato tamin'ny sôrogno manaokagna. 2 Namaly Jesôsy avakeo nivaolagna taminjareo: "Areo moa mieritreritry fao reo Galiliana reo dia mpanota mihoatra noho reo Galiliana hafa jiaby satria nijaly hotra zany? 3 Tsia, Zaho mivaolagna areo. Fao raha misy tsy mibaibaka areo, areo jiaby dia hofoaty hotra zany. 4 Na regny ôlogno valo ambiny fôlo tao Siloama zay nilavoan'ny tilikambo kay nahafaty zareo, mihevitry moa areo fao taigna mpanota ratsy mihoatra noho reo lalahy hafa tao Jerosalema regny? 5 Tsia, hoy Zaho. Fao areo raha tsy mibaibaika, areo jiaby faogna koa dia hofoaty." 6 Jesôsy nagnano zao fagnohoaragna zao: "Nisy ôlogno nanagna kakazon'ny aviavy araiky navoly amin'ny tanim-boaloboka aveo tonga aveo nizaha voankakazo taminazy naifa tsy nahita na ino na ino. 7 Lehy lalahy dia nivaolagna tamin'ny mpagnano vilogno: 'Tô, tonga teto zaho nandritra ny telo tagno avakeo niaizaka nitady voa tamin'ny toy kakazo aviavy toy naifa tsy nahita velively. Tapaho io. Nagnino io no ambaila mandratra ny tany.' 8 Namaly lehy mpagnano vilogno kay nivaolagna: 'Ambilao eo io alaoha amin'ny toy tagno toy mandra-pangadiako magnodidigny azy ndraiky hagnanaovako zeziky aminazy. 9 Raha mamoa izy amin'ny tagno maraka, tsara; fao raha tsy zany, dia vonoy izy!" 12 Koafa nahita azy Jesôsy, dia nagnantso azy kay nivaolagna: "Ravehivavy, afaka amin'ny fahalimiagnanao anao." 13 Napaitrany taminazy ny tagnany, avakeo niaraka tamin'ny zay dia nitraka lehy vaiavy aveo nihoby Zagnahary. 14 Fao ny mpanapaka ny Synagoga dia vingitry noho ny fagnasitragnagna natan'i Jesôsy tamin'ny Sabata. Noho zany dia namaly lehy mpanapaka aveo nivaolagna tamin'ny vahoaka: "Misy enigny ny andro tôkony iasagna. Tongava kay mahivagna, fao ndraiky tsy amin'ny andro Sabata." 15 Ny Tompo namaly azy kay nivaolagna nagnanjao: "Mpiatsaravelatsihy! Moa tsy samy mamaha ny boriky na aombiny ao amin'ny valany areo kay mitondra zany higiaka rano amin'ny Sabata? 16 Avakeo hotra zany koa toy zanaka vaiavin'i Abrahama, zay voafatotr'i Satana nandritry ny valo ambin'ny fôlo tagno toy, tsy tôkony mbô hivahagna moa ny fehiny amin'ny andro Sabata?" 18 Avakeo Jesôsy nivaolagna nagnanjao: "Haotrany manankôry ny fanjakan-Jagnahary, avakeo haotrany ino no afaka agnohoarako zany?" 19 Zany dia haotran'ny voatsinapy zay nalaigny ndraiky nafafin'ny lalahy araiky tambilogno, kay nanjary kakazo gaida araiky, aveo ny vôron'ny Langitry dia nagnamboatra tragnony tamin'ny reo ratsany." 20 Mbôla nivaolagna faogna koa Izy nagnanjao: "Ino afaka hampitoviako fanjakan-Jagnahary? 21 Zany dia hotrany masirasira zay nalain'ny vaiavy araiky kay nafangarony tamin'ny koba intelon'ny fagniraignagna mandra-piparitahany agnatin'ny koba jiaby." 31 Tafarahelin'ny zany, nisy Fariseo sasany havy aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mandihiana lahaoso ny aketo satria Heroda dia te-hamono Anao." 32 Jesôsy nivaolagna: "Mandihiana avakeo volagno zany amboahaolo zany: 'Tô, zaho mandroaka masantôko ndraiky magnano fagnasitragnagna niany aveo amaraigny, aveo amin'ny andro fahatelo dia ho takako ny tanjoko.' 33 Na ino na ino miboaka, zava-dehibe aminaha ny manôhy zeo, amaraigny, ndraiky ny andro magnaraka, satria tsy azo kehigny ny famonoagna mpagnazary lavitry Jerosalema. 34 "Oa Jerosalema, Jerosalema, zay mamono mpagnazary ndraiky manopy vato reo zay nirahigny tagny aminareo. Impiry zaho nagniry hamôry ny zanakareo hotra ny akôho vavy mamôry zanany ambany haimbany, naifa tsy nagniry zany areo. 35 Tô, nilahaosagna tragnonareo. Zaho mivaolagna aminareo, tsy ho hitanareo Zaho ambara-pivolagnagna hoe: "Sambatra zay avy amin'ny agnaragna Tompo."'