Toko Faha 12

1 Tamin'ny zany, koafa niara-nivôry ny vahoaka andrivony maro, fôntry loatra faogna kay nifandi-tongotro zareo, taigna voalaohany dia nanomboko nivaolagna tamin'ny reo mpianany Izy nagnanjao: "Tandremo ny masirasiran'ny reo Fariseo, zay fiatsarambelatsihy. 2 Fao tsisy takogno zay tsy hiboaka, aveo tsisy mivôny zay tsy ho hay. 3 Kay na ino na ino volagninareo tao amin'ny hizigny dia ho regny amin'ny fahazavagna, avakeo zay nikoragninareo tantsôfigny tao agnaty efitragno dia hambara egny an-tampo-tragno. 6 Tsy avidy farantsa hely aroa moa ny tsintsigny dimy? Kanaifa tsisy araiky amin'ny regny zay hadigno akeo amin'ny mason-Jagnahary. 7 Fao na ny vôlon-daohanareo aby dia voahisany jiaby. Aza ambory. Fao manan-danja mandilatra nohon'ny tsintsigny maro areo. 8 Hoizy Zaho aminareo, zay jiaby magneky Zaho eo agnatraihan'ôlogno, ny Zanak'Ôlogno faogna koa dia hagneky azy eo agnatraihan'ny reo anjelin-Jagnahary, 9 fao zay tsy magneky Zaho eo agnatraihan'ôlogno dia holaviky eo agnatraihan'ny reo anjelin-Jagnahary. 10 Zay jiaby mivaolagna manohitry ny Zanak'Ôlogno, dia hoavaila zany, fao zay jiaby mivaolagna ratsy manohitry ny Fagnahy Masigny ndraiky, dia tsy ho voavaila zany. 11 Koafa mitondra areo eo agnatraihan'ny Synagoga, reo mpanapaka, ndraiky reo manam-pahefagna zareo, dia aza magnahy ny amin'ny zay ho fomba fivolagnanareo, 12 satria ny Fagnahy Masigny no hampianatra areo zay tôkony ho koragninareo amin'ny zany fotoagna zany." 13 Aveo nisy ôlogno araiky avy tao amin'ny reo vahoaka nivaolagna taminazy nagnanjao: "Oa mpagnanatra, volagno ny rahalahiky mbô hirasa laova aminaha." 14 Jesôsy nivaolagana taminazy: "Ralehilahy, zôvy nagnano Zaho ho mpitsara na mpagnailagnailagna areo?" 15 Hoizy Izy tamin-jareo: "Miambaisa mbô hitananareo ny haigninareo lavitry reo fagnirian-dratsy jiaby, satria ny fiaignan'ôlogno araiky dia tsy miankigny amin'ny fidoboky ny fanagnany." 16 Avakeo Jesôsy nagnano fagnohoaragna araiky taminjareo, nagnanjao: "Namokatra fôntry ny sahan'ny lalahy mpanakariagna araiky, 17 aveo nagnontany taigna izy, nivaolagna nagnanjao: 'Ino no ho ataoko, fao tsy managna toairagna hikajiagna reo vokatra naha zaho?' 18 Hoizy izy: 'Zao no hi tsaboky. Haratiky reo tragno fitoairam-bokatra naha dia hanangagna gaida tatokitry zaho, aveo ao amin'ny reo no hamoriako ny voako ndraiky reo vokatra hafa. 19 Dia hivaolagna amin'ny fagnahinaha zaho magnanjao: "Oa fagnahy, anao dia managna vokatra maro voakajy hoamin'ny tagno maro. Mitsahara tsara, mihinàna, migiaha, miravoa."' 22 Jesôsy nivaolagna taminjareo mpianany nagnanjao: "Nohony zany dia koragniky aminareo, aza magnahy ny amin'ny haigninareo zay ho hoaninareo are, na ny mahakasiky haigninare zay ho zay hitafigny. 23 Fao ny haigny mihoatra noho ny hanigny, avakeo ny vatagna mihoatra noho reo fitafiagna. 29 Aza mitady zay ho hoaninareo ndraiky zay ho giahinareo, aveo aza miahiahy. 30 Fao reo firenena jiaby aketo amin'ny zao tontolo zao reo dia mitady regny raha regny, avakeo hainy Iadanareo fao mila regny areo. 37 Sambatra reo mpanompo, zay hitan'ny tompony fao niambigny koafa avy izy. Koragniky marigny aminareo, fao hisikigny lamba lavany amin'ny valahany izy, aveo hampidôko zareo eo an-databatra, kay hoavy izy aveo hanompo zareo. 38 Raha hoavy amin'ny faharoa aby ny Tompo, na fotoagna fahatelo aby, kay mahita azy reo vôgnogno, dia hoa sambatra reo mpanompo reo. 39 Ho fagnampiny zany dia diniho zao, fao raha hainy tômpontragno ny fotoagna havian'ny mpangalatra, dia tsy nagnambaila tragnony hovakiny izy. 40 Mivognaosa faogna koa, fao tsy hainareo fotoagna hiavian'ny Zanak'Ôlogno." 45 Fao raha mivaolagna ao am-pôny zany mpanompo zany magnanjao: 'Nahemotry ny tompoko ny fimpodianany,' kay manomboko mamono reo mpanompo lahy ndraiky vavy, avakeo mihinagna ndraiky migiaka, kay nanjary mamo, 46 ny tompony zany mpanompo zany dia hoavy amin'ny andro tsy ampoiziny, aveo amin'ny fotoagna tsy hainy, ary hanapatapaka azy kay hagnomagna toairagna nazy miaraka amin'ny reo tsy mahatoky. 47 Zany mpanompo zany, nahay ny sitram-pôn'ny tompony, kanaifa tsy niomagna na nitsabo araka ny sitrapôny, dia ho bobohigny amin'ny fikapohagna maro. 48 Fao zay tsy nahay aveo nitsabo zay magnaiva azahoagna kapoko ndraiky, dia ho bobohigny amin'ny fikapohagna hely. Fao reo jiaby zay namiagna maro, dia ho taigna maro no ho takigny aminazy, avakeo reo zay nanan-kanigny fôntry, dia ho maro mandilatra aby no hangatahigny aminazy. 49 Tonga Zaho hanompy môtro egny ambonin'ny tany, aveo hotra ny akôry ny fagniriako mbô hirihaitan'ny zany. 50 Fao managna fanaovam-batisa mbô hitsaboagna batisa zaho, avakeo hotra ny akôry ny fijaliako mandra-pahatantairaka zany! 54 Nivaolagna tamin-jareo vahoaka koa Jesôsy nagnanjao: "Koafa mahita zavogno mifôrogno egny andraifagna areo, dia hoizy areo: 'Hoisy mahalegny hoavy,' aveo dia mitranga zany. 55 Koafa misy rivotro mandaiha avy agny atsimo, dia hoizy areo: 'Hoisy hafanagna mafy hoavy,' ary mitranga zany. 56 Oa mpiatsaravelatsihy, hainareo ny mandiniky toaitra'ny tany ndraiky langitry, fao akôry no tsy ahaizanareo mamantatra zao andro akeo zao?