Toko Faha 11

1 Dia zao no nitranga koafa nivavaka tao amin'ny toairagna araiky Jesôsy, nisy araiky tamin-jareo mpianany nivaolagna taminazy nagnanjao: "Tompo, mbô ampianaro mivavaka zahay hotra ny nampianaran'i Jaona reo mpianany." 2 Hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Koafa mivavaka areo dia volagno magnanjao: 'Iada a, hoamasinigny ny agnaragnao. Ho tonga ane ny fanjakagnao. 3 Amiazo zahay ny hanignay isan'andro. 4 Avotsôry ny helokoay, karaha ny amotsaoranay zay meloko taminay. Aza mitondra zahay amin'ny fakampagnahy."' 9 Mbôla mivaolagna aminareo koa zaho, mangataha, dia hamiagna areo, mitadiava, dia hahita areo, magnonkaogna, dia ho vohoagna areo. 10 Fao ny ôlogno jiaby zay mangataka dia mahazo, aveo zay mitady dia mahita; ary zay ôlogno magnonkogno, dia ho vohoagna. 11 Zôvy aminareo raim-pianakaviagna reo no, raha mangataka lako ny zanakareo, dia hagnamia azy bibilava fao tsy lako? [Fagnamarihagna: Reo fandikagna taigna tsara misy vaki-teny fohy kokoa, zay arahintsika eto. Ny fandikagna talaoha sasany dia misy vaki-teny taigna lavalava, zay hita ao amin'ny Matio7:9 koa: "Raim-pianakaviagna zôvy aminareo, raha mangataka môfo ny zanakareo, no hagnamia azy vato? Na lako, dia hagnamia azy bibilava?"] 12 Na raha mangataka atody izy, dia hamianareo maingoka moa izy? 13 Noho zany, raha areo ratsy fagnahy aza mahay magnamia fagnomaizagna tsara hoan'ny zanakareo, dia ohatrin'ny akôry ny hagidasany Fagnahy Masigny hamian'ny iadanareo zay akagny an-dangitry hoan'ny reo zay mangataka aminazy?" 14 Ary Jesôsy nandroaka masantôko möa. Koafa nibeko lehy masantôko, dia nanjary nahay nivaolagna lehy lalahy zay möa, aeo gaga ny vahoaka. 15 Fao ny ôlogno sasany nivaolagna fao: "Amin'ny alalan'i Belzeboba, zay mpitariky ny masantôko, no androahany masantôko." 16 Ny sasany nitsapa Azy aveo nitady famantaragna avy akagny an-dangitry taminazy. 17 Naifa hain'i Jesôsy zay tao an-tsaigninjareo kay nivaolagna tamin-jareo Izy nagnanjao: "Reo fanjakagna jiaby zay mizarazara dia ho rava, aveo ny tragno zay mizarazara dia hirodagna." 18 Koa raha miady an-tragno ary ny Satana, akôry no hampahadigny fanjakagnanazy? Fao hoizy areo mandroaka masantôko amin'ny alalan'ny Belzeboba Zaho. 19 Fao raha mandroaka masantôko amin'ny alalan'i Belzeboba Zaho, amin'ny alalan-jôvy ndraiky no androahan'ny mpagnaradia areo azy? Noho zany, dia zareo no hitsara areo. 20 Fao raha mandroaka masantôko amin'ny alalan'ny ratsan-tagnan-Jagnahary Zaho, dia tonga aminareo ny fanjakan-jagnahary. 21 Koafa ampy fitaovagna tsara ny lalahy mafy araiky miambigny tragnonazy, dia voaharo hariagnanazy, 22 naifa ndraiky raha mafy noho izy ny lalahy araiky kay mandresy azy, dia alain'ny lehy lalahy taigna mafy amin'ny lehy lalahy ny fiadiagna, avakeo ho alainy ny fanagnan'ny lehy lalahy. 23 Zay tsy miaraka aminaha dia manohitry Zaho, aveo zay tsy mivôry miaraka aminaha dia misaraka. 24 Koafa miala amin'ny ôlogno araiky ny fagnahy ratsy, dia lôsogno izy magnivakivaka toairagna tsisy rano avakeo mitady fitsaharagna. Ary koafa tsy mahita, dia hoizy: 'Andaiha himpôdy akagny amin'ny tragno naviako zaho.' 25 Koafa tafimpôdy izy dia mahita zany tragno zany voadio ndraiky voalamigny. 26 Avakeo dia lôsogno izy ary malaka fagnahy hafa ratsy mandilatra haigniny miisa fito miaraka aminazy izy aveo miditry mbô hibidôko akao zareo. Ka taigna ratsy nohony lehy voalaohany ny afaragnany." 29 Aveo raha mbôla misôsoko ny vahoaka, dia nanomboko nivaolagna Jesôsy nagnanjao: "Tô taminga tô dia taminga ratsy. Mitady famantaragna izy, naifa tsy hoisy famantaragna aboaka azy afa-tsy ny famantaran'i Jona. 30 Fao mitôvy ny nahatonga Jona ho famantaragna tamin'ny reo Ninivita, tôrotro zany koa dia ho famantaragna ny Zanak'Ôlogno amin'ny tô taminga tô. 31 Ny mpanjaka vavin'ny Atsimo dia hitsangagna amin'ny fitsaragna miaraka amin'ny reo lalahy amin'ny tô taminga tô kay hagnameloko zareo, fao tonga avy akagny amin'ny faran'ny tany izy mbô hitandregny ny fahindriagnan'i Solomana, avakeo tô, aketo ny ôlogno gaida noho Solomana. 32 Ny lalahin'i Ninive dia hiraka hitsangagna amin'ny tô taminga tô amin'ny fitsaragna aveo hagnameloko azy, satria nibeko tamin'ny nitorian'i Jona zareo, aveo tô, misy gaida noho Jona aketo. 33 Tsisy ôlogno araiky, raha avy anandrehitry jiro, dia magnapaitraka zany amin'ny toairagna takogno na ambanin'ny harogno, fao ambaila eo amin'ny fipitrahan-jiro, mbô ho hitan'izay miditry ny hazavagna. 34 Ny maso no jiron'ny vatagna. Koafa tsara ny masonao, dia feno hazavagna ny haigninao jiaby. Fao raha ratsy ndraiky ny masonao, dia feno hizigny ny haigninao. 35 Noho zany, mitandraima are mbô tsy ho mahizigny ny hazavagna ao aminareo. 36 Ary raha feno hazavagna aveo ny haigninao jiaby, kay tsisy ampahan'zany ao agnaty hizigny, dia ho mitôvy ny jiro zay mampangilatra ny hazavany eo aminao ny haigninao jiaby. 37 Koafa vita koragnanazy, dia nisy Fariseo nagnasa azy hiaraka hihinagna aminazy agny antragnony, dia niditry Jesôsy kay nipaitraka. 38 Gaga lehy Fariseo fao tsy nisasa alaoha Jesôsy alaohan'ny hihinagna. 39 Fao hoizy Tompo taminazy: "Zeo, areo Fariseo, dia magnadio ny ambailan'ny Kôpy ndraiky kapila, naifa ny ao agnaitinareo dia feno rombaka ndraiky faharatsiagna.'' 40 Areo hely saigny! Tsy nitsabo zay ao agnatiny faogna koa moa zay nitsabo ny ambailany? 41 Amaizo ny mijaly zay ao agnatiny, dia ho madio hoanareo jiaby ny raha jiaby. 42 Fao loza hoanareo Fariseo, satria magnaifa ny ampahafôlon'ny solila ndraiky ny rota aveo ny kakazo hafa egny an-tsaha areo, naifa tsy nirahirahainareo ny fahamarignagna ndraiky ny fitiavan-Jagnahary. Ilaigny ny mitsabo ny marigny ndraiky mitia Zagnahary, salakady tsy magnadio ny magnano reo raha hafa faogna koa. 43 Loza hoanareo Fariseo, fao tianareo ny toairagna voalaohany egny amin'ny Synagoga ndraiky ny fiarahabagna feno fagnajagna areo egny an-tsaina. 44 Loza hoanareo, fao areo dia mitôvy fasagna tsisy famantaragna zay hitsahan'ny ôlogno fao tsy hainy zany. 45 Ny araiky tamin-jareo mpampianatra lalàgna nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mpampianatra ô, zany koragninao zany dia maniratsira zahay koa." 46 Jesôsy nivaolagna: "Loza hoanareo, mpampiana-dalàgna! Fao mampitondra ainta-mavaisatra tsy zakan'ôlogno areo, naifa tsy mikasiky zany ainta-mavaisatra zany akory na dia ny ratsan-tagnanareo araiky aby. 47 Loza hoanareo, satria magnorigny fasagna hoan'reo mpagnazary areo, naifa ny razambenareo no namono zareo. 48 Koa antomoa aveo magneky ny asan'ny razagnareo areo, fao namono zareo avakeo areo no magnorigny fasany. 49 Noho zany faogna koa, no nagnambaran'ny fahindriagnan-Jagnahary magnanjao: 'Hagnandaifa mpagnazary ndraiky Apostoly aminjareo Zaho, aveo zareo hamono ndraiky hagnenjiky ny sasany aminjareo." 50 Tô taminga tô, zany no ho tompon'andraikitry amin'ny liny reo mpagnazary jiaby nilatsaka letry nahariagna izao tontolo zao, 51 nanomboko teo amin'ny lin'i Abela hatramin'ny lin'i Zakaria, zay nivonogny teo agnailagnailan'ny alitara ndraiky fitoairagna masigny. Ia, volagniky marigny aminareo, fao tô taminga tô no ho tompon'antoko. 52 Loza hoanareo mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny fangalahidin'ny fahaizagna; tsy miditry ao ny haigninareo, avakeo sakananare reo zay miditry." 53 Tafaran'ny nialan'i Jesôsy teo, dia nanohitry Azy ny mpanora-dalàgna ndraiky ny Fariseo aveo niady hevitry taminazy mahakasiky raha maro, 54 sady niaizaka ny hamandriky Azy tamin'ny koragna faogna.