Toko Faha 10

1 Ary tafarany regny raha regny, dia nifidy fitopôlo lahy [Fanamarihagna: Maro amin'ny reo fandikagna talaoha taigna tsara no mivaky magnanjao: "Fitopôlo," Fao ny sasany mivaky magnanjao: "Aroa ambi-fitofôlo."] hafa ny Tompo, aveo nandaifa azy regny tsiaroaroa nialaoha Azy tagny amin'ny tanàgna jiaby ndraiky toairagna zay afa himboany. 2 Hoizy Izy tamin-jareo: "Fôntry ny vokatra, fao vitsy ny mpiasa. Noho zany angataho ny Tômpon'ny vokatra mbô handaifa mpiasa mbô ho egny amin'ny vokatra. 5 Zay tragno hidiranao, volagno alaoha zao: 'Fiadanagna ho amin'ny tô tragno tô!' 6 Raha misy ôlon'ny fiadanagna akao, dia hidôko aminazy ny fiadanagna zay volagninareo, fao raha tsisy ndraiky, dia himpôdy aminareo zany. 7 Midaoha ao amin'io tragno io faogna, mihinagna ndraiky migiaka zay amian-jareo, fao ny mpiasa dia magnaiva ny karamany. Aza mifindrafindra tragno. 8 Fao amin'ny zay tanàgna idiranareo, kay mandray areo, hoano zay amaizany eo agnatraihanareo, 9 aveo ampahivagno ny marary zay akao. Volagno zareo magnanjao: 'Afa marikitry areo ny fanjakan-Jagnahary.' 13 Loza hoanao, Korazina! Loza hoanao, Betsaida! Fao raha ny asa gaida zay nitsabogny taminao no nitsabogny tagny Tyro ndraiky Sidona, dia afa haila zareo nibaibaka, nipaitraka tamin'ny lamba fisaonagna ndraiky lavenona. 14 Fao ho azo liferigny kokoa ny nihin'ny Tyro ndraiky Sidona amin'ny fitsaragna noho ny aminareo. 15 Anao, kapernaomy, mieritreritry moa anao fao ho ampakarigny akagny an-dangitry? Tsia, ho ndesigny mijôtso akagny amin'ny fiainan-tsi-hita anao. 16 Zay mitandregny areo dia mitandregny Zaho, ary zay tsy magneky areo dia tsy magneky zaho, aveo zay tsy magneky Zaho tsy magneky lehy nagniraka Zaho.'' 17 Nimpôdy an-karavoagna reo fitopôlo, kay nivaolagna nagnanjao: "Tompo, na dia masantôko aza dia nagneky zahay tamin'ny agnaragnao." 18 Jesôsy nivaolagna taminjareo: "Nizaha Satana nilatsaka avy akagny an-dangitry hotra ny sinkailatra Zaho." 19 Zahavo, fao afa namiako areo ny fahefagna handia mainapitsoko, ny hala, aveo amboniny angôvo jiabin'ny fahavalo, avakeo na ino na ino dia tsy hoisy handratra areo amin'ny fomba jiaby. 20 Na dia zany aby aza ravo faogna amin'ny zany, ho nagneky areo ny fagnahy, fao taigna miravoa hoe voasaoratra akagny an-dangitry ny agnaragnareo." 22 Ny raha jiaby dia nankigniny Iada taminaha, aveo tsisy mahay zôvy ny Zanaka afa tsy ny Iada, aveo tsisy mahay hoe zôvy ny Iada afa tsy ny Zanaka ndraiky zay nisafidin'ny Zanaka agnaboahagna Azy." 29 Fao lehy mpagnanatra, nagniry hagnamarigny haigniny, dia nivaolagna tamin'i Jesôsy nagnanjao: "Zôvy no namako?" 30 Namaly Jesôsy kay nivaolagna: "Nisy lalahy araiky nijôtso avy akagny Jerosalema hoagny Jeriko. Izy dia azony reo mpagnaidaka, zay nagnaidaka reo fanagnagna jiaby tagny aminazy, ndraiky namboko azy, ary nagnambaila azy afa hofoaty. 31 Ary saindra nisy mpisôrogno nandalo tamin'ny zany lalagna zany, avakeo koafa nahita azy izy, dia nandaiha tamin'ny ilany. 32 Hotra zany koa ny Levita araiky, koafa nandalo tamin'ny lehy toairagna kay nahita azy, dia nandaiha tamin'ny ilany. 33 Fao nisy Samaritana araiky, koa nandaiha tamin'ny himboany izy, dia tonga teo amin'ny nisy azy. Koafa nahita azy izy, dia nizaha azy. 34 Dia nagnatogno azy izy kay namehy bainy, avakeo nandraraka mainaka ndraiky divay tamin'ny zany. Nampitikininy ny bibiny izy, kay nindesiny tagny amin'ny tragno-mbahiny, aveo nikarakarainy. 35 Amaraigny dia nalaka denaria aroa izy, aveo nanôlotro zany tamin'ny mpampian-tragno, aveo nagnanjao: 'Karikaray izy, avakeo na hoatrino na hoatrino laninao mihoatra, koafa mimpôdy zaho, dia hifaiky.' 36 Zôvy amin'izy telo reo, araka ny eritreritria, no naman'ny lehy azon'ny mpagnaidaka?" 37 Namaly lehy mpagnanatra nagnanjao: "Lehy araiky zay naneho fiantragna azy." Jesôsy nivaolagna taminazy: "Mandihiana avakeo mitsaboa hotra zany koa." 38 Aveo raha niara-nandaiha zareo, dia niditry tao amin'ny tanàgna araiky Izy, ary nisy vaiavy araiky antsôvigny hoe Marta nampandroso Azy tao antragnony. 39 Nanagna rahavavy atao hoe Maria izy, zay nidôko teo antongony ny Tompo aveo naharegny koragna nazy.