Toko 1

1 Joda, mpanompon'i Jesôsy Kristy araiky, rahalahin'i Jakoba, hoan-jareo zay antsôvigny hoe tiagna ao amin-Jagnahary lehy Iada, ndraiky voakajy ho nihin'i Jesosy Kristy: 2 Hampitombôsigny aminareo ny famindram-pô ndraiky fiadanagna avakeo fitiavagna. 3 Ry tiagna, raha igny nagnano aizaka jiaby hanaoratra aminareo ny mahakasiky ny famonjiagna hiarahantsika zaho, dia nanoratra aminareo zaho mbô hanosiky areo hiady mafy ho amin'ny lehy finoagna zay afa natôlotro ndraiky faogna ho an'ireo mino. 4 Fao ho an'ny ôlogno sasany nisisiky antsôkosôko eo aminareo. Zareo dia ôlogno voamariky ho an'ny fagnamelaohagna. Zareo dia ôlogno ratsy totry zay maniratsira ny fahatsaran-Jagnahary amin'ny fijejojejoagna, avakeo tsy magneky Andriana ndraiky Tompo taokantsika, Jesosy Kristy. 5 Avaizo zaho dia te-hampahitsiaro areo na dia afa hainareo tatô boe zany—fa ny Tompo dia nagnavotro ny ôlogno avy tao amin'ny tany Egypta, fao tafarany zany dia nivonony zay jiaby tsy nino. 6 Aveo reo anjely zay tsy nitagna ny fahefagna zay nambaila tamin-jareo, fao zay niala ny tobinjareo—Zagnahary dia nanady zareo tamin'ny fehy bariko ditany, ao amin'ny hizin-kitroko tatô be, ho amin'ny andron'ny fitsaragna goalahy. 7 Tôrotro tamin'ny Sodoma ndraiky Gomora aveo reo tanàgna magnodidigny zareo, zay nanôlotro haignin-jareo amin'ny fijangajangagna ndraiky fanaovagna filagna tsy voa-Jagnahary. Dia ntsabogny aohatra amin'ireo zay mijaly amin'ny fagnasaziagna agny amin'ny môtro bariko ditany zareo. 8 Kanaifa karaha zany faogna, reo mpagninôfinôfy reo dia mandoto faogna koa ny haignin-jareo, aveo mivaolagna raha ratsy manohitry reo manankaja. 9 Fao na dia Mikaela arikanjely aby, koafa niady tamin'ny devoly ndraiky nimalo taminy ny amin'ny fatin'i Mosesy dia, tsy nahasaiky nivaolagna ratsy hagnameloko azy. Fao nivaolagna faogna izy: "Hagnanatra anao ny Tompo!" 10 Fao reo ôlogno reo dia mivaolagna ratsy ny raha jiaby tsy hainy. Avake zay hainy— karaha ny fahaizan'ny biby tsy manan-tsaigny—zany no mandratra zareo. 11 Loza amin-jareo! Fao raha nandaiha tao amin'ny tanàn'i Kaina zareo, avakeo nagnaraka ny fahadisoagnan'i Balama hahazoagna tambiny. Dia ringagna tao amin'ny fikomian'i Kora zareo. 12 Reo dia lehy ôlogno zay harambato mivôny akao amin'ny hanim-pitiavanareo. Haomagna amin'ny haingatra, mamôky ny haignin-jareo faogna. Zareo dia rahogno tsisy rano, indesin'ny rivotro. Kakazo fararano tsisy taignany—idroa maty, niala vahany. 13 Zareo dia onjan-dranomasigny mafy, mitopatopa mamorivory fahamignaran-jareo. laKintagna mandaihandaiha zareo, kay voakajy ho azy bariky ditany ny fahamaintisan'ny mahizigny. 14 Ary Enoka, lehy fahafiton'i Adama, dia afa naminagny mahakasiky reo, volagna magnanjao: "Tô! ho avy ny Tômpo miaraka amin'ireo masigny agn'align'aligny. 15 Ho avy Izy mbô hagnatantairaka ny fitsaragna ny ôlogno jiaby. Ho avy Izy hampagneky ny ôlogno ratsy totry jiaby tamin'ny asa haifany tamin'ny haratsiam-pagnahy, avakeo reo koragna mafy jiaby zay nivolagnin'ny ôlogno ratsy totry hanohitry Azy." 16 Reo dia mpimonimonigny, ndraiky mpivaolambaolagna, zay magnaraka ny filan-dratsin-jareo. Zareo dia bahery mpieboebo, izay, nohon'ny tombontsoan-jareo zeraiky, dia mandoka ny hafa. 17 Fao areo, ry tiagna, tsarovy reo koragna nivolagnin'ny reo apositolin'i Jesôsy Kristy Tompontsika fahiny. 18 Hoizy zare taminare: "Fao amin'andro farany dia hoisy mpaniratsira zay hagnaraka ny filan'ny haratsian-totriny." 19 Reo ôlogno reo dia mitariky fisarahagna. Zare dia ôlogno araka ny nôfotro, avakeo tsy managna Fagnahy. 20 Fao areo, ry tiagna, mioraigna tsara eo amin'ny finoagnanareo bahery masigny, avakeo mivavaha amin'ny Fagnahy Masigny. 21 Mipitraha areo ao amin'ny fitiavan-Jagnahary, aveo andraso ny famindram-pôn'i Jesôsy Kristy Tompontsika zay mitondra anao ho amin'ny fiainagna bariky ditany. 22 Mamindrà fô, amin'ny reo zay misalasala. 23 Avaoto avakeo tariho hiala amin'ny môtro ny ôlogno sasany. Aveo ny sasany ndraiky amindrà fô amin'ny hamboriagna. Malaigna na dia ny akanjo niloton'ny nôfotro aby. 24 Aveo ho an'izay miaro areo biaka tsy ho tafintohigny, avakeo hahatonga anao hitsangagna eo angnatraihan'ny vogninahitriny, tsisy tsigny avakeo an-karavoagna goalahy, 25 amin-Jagnahary zeraiky Mpagnavotro atsika tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika ny vogninahitry, ny fahagidasagna, ny fahefagna, ny angôvo, talaohan'ny fotoagna jiaby, avaizo, aveo bariky ditany. Amena.