Toko Faha 9

1 Ary na dia fagnikiagna voalaohany aby dia nanagna fitsipi-pivavahagna ndraiky fitoaiaragna masigny aketo an-tany. 2 Fao nisy taberinakely zay nomanigny. Ny efitry voalaohany, zay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, avakeo ny môfon'ny fagnatraihagna. dia nantsôvigny hoe fitoeragna masigny. 3 Ao ambadiky ny lamba faharoa dia nisy aifatra araiky hafa, antsôvigny hoe toeragna taigna masigny. 4 Nisy alitara vaolamaina ho nihin'ny ditin-kakazo mangitry zany. Nisy fiaran'ny fagnikiagna faogna koa, zay badaofany vaolamaina tantairaka. Tao agnatin'ny zany dia nisy seho vaolamaina zay nisy ny mana, ny tongôzon'i Arona zay naniry, aveo reo vato fisaka ny fagnikiagna. 5 Egny ambonin'ny fiaran'ny fagnikiagna, dia kerobima be vogninahitry maro no magnaloko ny sarogno fambadagna, zay tsy afaka koragninay amin'ny antsipiriany amizeo. 6 Koafa voahomagna reo raha reo dia niditry tao amin'ny hefitry ambailan'ny taberinakely foana reo mpisôrogno mbô hagnano fanompoagnan-jareo. 7 Fao ny mpisôgnobe faogna no niditry ndraimandaiha isantagno tao amin'ny hefitry faharoa, avakeo niaraka tamin'ny lio zay natôlotro ho an'ngy haignany sy ho an'ireo fahotana tsy kiniany reo ôlogno. 8 Naboakan'ny Fagnahy Masigny fao ny lalagna mandaiha amin'ny toeragna taigna masigny dia mbôla tsy naboaka raha mbôla mitsangagna ny taberinakely voalaohany. 9 Zany dia fagnohoaragna ho amizao fotoagna avaizo zao. Reo fagmomaizagna ndraiky reo sôrogno zay atôlotro zao dia samy tsy afaka hahatantairaka ny fieritreraitan'ny mpivavaka araiky. 10 Mifantoko amin'ny hanigny ndraiky raha figiahigny ndraiky karazam-pomba fiodiovagna maro faogna reo. Reo jiaby reo dia fitsipiky ho nihin'ny nôfo jiaby zay namiagna papiky hagnamboaragna ny fandaminagna vava. 11 Kristy dia havy hotra ny mpisôrognoben-jareo raha tsara zay tonga. Nandaiha tamin'ny alalan'ny taberinakely taigna gaida ndraiky taigna lafatra zay tsy nitsabon-tagnagn'ôlombelogno Izy, zay tsy nihin'ny zao tontolo voahary zao. [Fagnamarigna: Reo dika-teny sasany dia mivaky hotra zao: "Jesôsy dia tonga hotra ny mpisôrognobe n-jareo raha tsara zay ho avy."] 12 Tsy tamin'ny lion-jareo osy lahy ndraiky vantotr'Omby vavy zany, fao tamin'ny lin'ny manaokagna zay niditry tao amin'ny toeragna taigna masigny ndraiky mandaiha monja ho nihin'ny jiaby aveo niaro ny famonjiantsika bariky ditany. 13 Fao raha ny lin'ny osy ndraiky reo aomby lahy aveo famafazagna ny lavenon'ny vantotr'omby vavy eo amin'ny reo zay nanjary maloto no manaokagna zareo amin-Jagnahary ho fagnadiovagna ny nôfon-jareo, 14 hotra ny akôry ny fihoaran'ny lin'i Kristy, zay nanôlotro ny haigniny tsisy kilaima ho amin-Jagnahary tamin'ny alalan'ny Fagnahy bariky dintany, hagnadio ny fieritreraitantsika hiala amin'ny asa maty mbô hanompoagna lehy Zagnahary velogno? 15 Noho zany antony zany, dia Izy no mpagnalàlagna ny fangikiagna vava. Zany dia, satria nisy fahafataisagna araiky niboaka mbô hagnafaka reo zay ambanin'ny fagnikiagna voalaohany amin'ny fahotan-jareo, dia halaka ny fampanantenagnan'ny laova bariky dintany reo zay voahantso. 16 Fao raha misy didim-panagnagna, ny fahafataisan'ny lehy ôlogno zay nagnano zany dia tsy maintsy voaprofo. 17 Fao koafa misy fahafataisagna faogna vao manan-kery ny didim-panagnagna, satria tsy manan-kery zany raha toa ka mbôla velogno lehy ôlogno zay nagnano zany. 18 Kay na dia ny fagnikiagna voalaohany aby tsy natao raha tsisy lio. 19 Fao koafa nagnamia ny didy jiaby tao amin'ny lalàgna tamin'ny reo ôlogno jiaby Mosesy, dia nalaka ny lion'ny reo aomby ndraiky reo osy, niaraka tamin'ny rano, voalahan'ondry jaky maina, ndraiky hysopa izy, aveo namafy teo amin'ny boky ndraiky ny ôlogno jiaby. 20 Avakeo izy nivaolagna nagnanjao: "Tô no lin'ny fagnikiagna zay nandidian-Jagnahary aminareo." 21 Hotra zany koa, dia namafy ny lio teo amin'ny taberinakely ndraky reo fibidaohan-draha jiaby hampiasaigny amin'ny fanompoagna izy. 22 Araka ny lalàgna, dia tsiky ny raha jiaby no voadio tamin'ny lio. Raha tsisy fandatsahan-dio dia tsisy famotsaoran-keloko. 23 Noho zany dia nilaigny ny tandindon'ny reo raha akagny andangitry mbô ho voadion'ny sôrogno reo biby reo. Na zany aby, reo raha ny langitry lasiteky no nila nodiovigny tamin'ny sôrogno taigna tsara. 24 Fao Kristy dia tsy niditry tao amin'ny toeragna taigna masigny zay natan'ny tagnagna, zay tandindony lehy araiky zay taigna izy faogna. Fao ndraiky niditry tandangitry lasiteky Izy. Mbô hiboaka akeo amin'ny fagnatraihan-jagnahary ho amintsika zeo. 25 Tsy nandaiha tao mbô hanôlotro ny haigniny mazagna Izy, hotra ny fatan'ny mpisôrogno be, zay miditry ao amin'ny toairagna taigna masigny isantaogno niaraka tamin'ny lion'ny hafa. 26 Fao raha zany ny raha niboaka dia nila nijaly matetiky nanomboko tamin'ny fagnoraignagna zao tontolo zao Izy. Fao zeo dia ndray mandaiha faogna no nagnaboahagna Azy mbô hangala ny fahotagna amin'ny alalan'ny sôrogno ny haigniny faogna. 27 Afa natao hofoaty ndraimandaiha ny ôlogno jiaby, aveo afaran'ny zany no hoavy ny fitsaragna. 28 Hotra zany faogna koa, Kristy, zay nanôlotro ndraimandaiha mbô hangala reo fahotagnan'ny maro, dia niboaka fagnindroany, tsy handraraha ny ota, fao ho nihiny famonjiagna reo zay mandigny Azy amim-paharaitagna.