Toko Faha 13

1 Aoka hitôhy ny fitiavagna ara-pirahilahiagna. 2 Aza magnadigno mifampiantragno reo vahiny. Fao tamin'ny alalan'ny zany no nanehoan'ny sasany fampiantranoagna reo anjely naifa tsy hainy zany. 3 Tsarovy reo voagadra, hotra ny niara-nifehy taminjareo areo. Tsarovy reo zay nampahorigny, hotra ny hoe zareo faogna koa areo amin'ny vatagna. 4 Aoka ho hajain'ny tsiaraikiaraiky ny fanambadiagna. Aoka ny fandriagn'ny fanambadiana mbô hadio, fao Zagnahary dia hitsara reo mpangala-badin'ôlogno ndraiky reo mpijangajanga. 5 Ambilao ny fitondrantaignanareo ho afaka amin'ny fitiavam-bola. Mifalia amin'ny reo raha zay anagnanareo, satria Zagnahary haigniny dia nivaolagna nagnanjao: "Zaho dia tsy hiala areo velively, na hahafoy areo." 6 Aleo atsika ho ravo mbô ho mahasaiky hivaolagna magnanjao: "Ny Tompo no Mpamonjinaha; kay tsy hatahotro zaho. Ino no azon'ny ôlogno atao aminaha?" 7 Diniho reo mpitariky areo, reo zay minainagna ny vaolagna Zagnahary taminareo, avakeo dinoh ny vokatrin'ny fihetsikin-jareo. Alay tahaka ny finoagnanjareo. 8 Jesôsy Kristy dia tsy miova nomoaly, ndraiky niany aveo bariky dintany. 9 Aza magneky tahômigny amin'ny reo karazagna fampianaragna hafahafa. Fao tsara raha tôkony hamafisigny amin'ny fahasoavagna ny fô, fao tsy amin'ny hanigny zay tsy magnampy reo zay mandaiha miaraka aminjareo. 10 Atsika dia managna alitara zay tsy anagnan-jareo zay manompo ny taberinakely fahefagna hihinagna. 11 Fao ny lin'ny reo biby nivonogno atao fagnatitry ho nihin'ny ota dia nindesin'ny mpisorognobe tao amin'ny toeragna masigny nandritran'ny zany ny haigninjareo dia niroagna tagny ambailan'ny toby. 12 Noho zany Jesôsy faogna koa nijaly tagny ambailan'ny vavahadin'ny tanàgna, mbô hamasinigny reo vahoaka amin'ny alalan'ny liny manaokagna. 13 Andaiha atsika noho zany ho agny Aminazy agny ambailany toby, hinday ny fahafahambarakanazy. 14 Fao tsy managna tanàgna maharitry atsika atoy. Fao naifa, miambigny lehy araiky zay hoavy atsika. 15 Amin'ny alalany, aveo, dia niala atsika hanôlotro reo fagnati-pideragna ho amin-Jagnahary hatragny, fideragna vokatry ny môlotro zay magneky ny agnarany. 16 Aleo tsy adignontsika ny magnano tsara ndraiky magnampy ny tsiaraikiaraiky aby, fao amin'ny fagnatitry hotra zany no taigna maharavoravo Zagnahary. 17 Mankatoava ndraiky magnikaiha reo mpitariky areo, fao zareo no miaro ny fagnahinareo, hotra reo zay hagnano tatitry. Mankatoava mbô hagnano zany am-piravoagna reo mpitondra areo, fao tsy am-pisentoagna, zay manjary tsisy dikany aminareo. 18 Mivavaha zahay, fao zahay dia nino fao managna feon'ny fieritrairaitagna madio aveo magniry hiaigny am-pahamarignagna ny raha jiaby. 19 Mandrisiky areo mafimafy aby zaho mbô hagnano zany, kay mbô himpôdy malaky aminareo zaho. 20 Ary lehy Zagnahary ny fiadanagna, zay nagnatsangagna tamin'ny maty lehy mpiambigny ondry lehibe, ny Tompontsika Jesôsy, tamin'ny alalan'ny lin'ny fagnikiagna bariky dintany, 21 dia hagnatsara areo amin'ny asa tsara jiaby mbô hanaovagna ny sitrapoôny. Izy hiasa akao agnatintsika, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, zay hamiagna vogninahitry bariky dintany. Amena. 22 Ary mankahery areo zaho, rahalahy, mbô hizaka ny vaolagnan'ny fampaheraizagna zay nisoroatako fohy ho aminareo. 23 Haiko fao afa nafahagna Timoty rahalahintsika, zay hiaraka aminaha hizaha areo raha tonga alaoha izy. 24 Atôvy veloma reo mpitariky areo jiaby ndraiky reo mpino jiaby. Reo zay avy akagny Italia dia magnano veloma areo. 25 Ho aminareo jiaby ny fahasoavagna.