Toko Faha 12

1 Noho zany, satria atsika voakodidigny antomoa maro hotra ny zavogno, dia andaiaha atsika hagnambaila vaisatra jiaby ndraiky ny fahotagna mora magnodidigny atsika. 2 Andaiha atsika hilomoay am-paharaitagna ny filomoahizagna zay napaitraka teo alaohantsika. Andaiha atsika hitandrigny amin'i Jesôsy, ny mpiantoko ndraiky mpagnatantairaka ny finoagna. Fao nohon'ny haravoagna zay napaitraka teo agnatraihany, dia niaritry ny kakazofijaliagna Izy, tsy niraharaha ny haingatra zany, aveo nidôko teo an-tanankaherin'ny dabilio fiandrianan-Jagnahary. 3 Noho zany diniho ny mahakasiky Azy, lehy araiky zay niaritry fanoheragna hotra zany aby tamin-jareo mpanota hanohitry ny haigniny, mbô tsy ho rairaka ao am-pônareo areo kay hilavo lefogno. 4 Tsy mbôla nanohitry areo na niaizaka hanohitry ny fahotagna zisiky fandatsahan-drà, 5 aveo hadignonareo ny fampaheraizagna zay nampianarigny areo hotra ny amin'ny reo zanaka magnanjao: "Oa zanako lahy, aza magnamaivagna ny fitsipiky ny Tompo, na miharairaka raha ahitsy areo." 6 Fao ny Tompo magnafay ny jiaby zay tiany, aveo Izy magnasazy ny zanaka tsiaraikiaraiky zay raisiny. 7 Miaraita fijaliagna hotra ny fitsipiky. Zagnahary dia mitondra areo hotra ny zanaka. Fao zanaka ino no teo kay tsy nifaizin'ny iadany? 8 Fao raha tsy managna fitsipiky areo, zay anagnan'ôlogno jiaby, dia zazitany areo fao tsy zanany. 9 Ary koa, nanagna ny iada ara-nôfo hotra ny mpagnafay atsika, aveo nagnaja zareo atsika. Tsy tôkony taigna hankatô ny Iadan'ny fagnahy moa atsika avakeo ho velogno? 10 Fao eto ankilany, reo iadantsika nagnafay atsika nandritrin'ny andro vitsy araka zay marigny tamin-jareo. 11 Naifa eto ankilany, Zagnahary nagnano zany ho nihin'ny zay tsara hoantsika mbô hafahantsika managna anjara amin'ny fahamasignagna. Tsisy famaizagna miboaka ho mahafinaritry, fao manaintaigny aby. Kanaifa zany afara hely dia mamokatra ny vaokatra feno fiadanan'ny fahamarignagna ho nihin-jareo zay nizarigny tamizany. 12 Noho zany hatanjaho reo tagnagnanareo zay miraviravy ndraiky reo lohoalitry malemy. 13 Manaova lalagna mahitsy ho nihin'ny hongotroareo, mbô zay malemy dia tsy hibitsiky fao hahivagna aby. 14 Magninjaiha fiadanagna miaraka amin'ny ôlogno jiaby, aveo ny fahamasinagna faogna koa zay tsy nahita na zôvy na zôvy ny Tompo raha tsy miaraka amin'ny zany. 15 Mitandraima mbô tsy hisy na zôvy na zôvy tsy hanagna fahasoavan-Jagnahary, avakeo tsy hoisy vahany fahangidiagna mitômbo hitairaka korontagna, mbô tsy ho maro no manjary voaloto amin'ny zany. 16 Mitandraima mbô tsy hoisy fijangajangagna na ôlogno tsy nihin-Jagnahary hotra Esao, zay nivarotro fizokiany ho nihin'ny hanigny araiky. 17 Fao areo mahay fao koafa afaka zany, koafa nagniry handova ny fitahiagna izy, dia nilavigny, satria tsy nitahy iraka amin'ny fibaibahagna izy, na dia nitsakaraka zany tamin-dranomaso aby. 18 Fao areo tsy tonga teo amin'ny tanety zay tsy azo kasihigny, tanety ny môtro magnoro, hizigny, fahamaignagna, aveo tafiotra. 19 Areo dia tsy tonga teo amin'ny trompetra magneno mafy, na teo amin'ny feo zay minainagna reo vaolagna zay ny mpitandregny zany dia nangataka mbô tsy hoisy teny hafa ho koragnigny amin-jareo. 20 Fao zareo tsy afaka niaritry zay nodidiagna magnanjao: "Fao na dia ny biby mikasiky tanety aby, dia tsy maintsy ho topiagna vato zany." [Fagnamarihagna: Reo dikan-teny sasany talaoha dia mivaky hotra zao: ''"Fao na dia biby araiky zay mikasiky tanety aby, dia tsy maitsy ho topiagna vato zany na ho vonogny amin'ny zana-tsipika.''"] 21 Fao mamptahotro loatra lehy fahitagna zay nikoragnin'i Mosesy magnanjao: "Mihorohoro zaho aveo mangitakitaka." 22 Fao areo ndraiky, dia havy teo amin'ny tanety ziona aveo teo amin'ny tagnan-Jagnahary velogno, ny Jerosalema agny andangitry, avakeo teo amin'ny reo anjely agnalignaligny tami'ny fankalazagna. 23 Areo dia tonga teo amin'ny antokon'ôlon'ny voalaohantairaka, zay voasaoratra agnaragna agny an-dangitry. Areo dia tonga teo amin-Jagnahary, lehy mpitsara ny jiaby aveo teo amin'ny reo fagnahin'ny reo ôlon'ny fahamarignagna zay natao tonga lafatra. 24 Areo dia tonga amin'i Jesôsy, lehy mpanalalagna ny fagnikiagna vava, aveo teo amin'ny lio latsaka zay tsara noho ny lion'i Abela. 25 Aoka areo tsy handà lehy araiky zay mivaolagna. Fao raha tsy nilaifa zareo tamin-jareo nandà ny araiky zay nampitandrigny zareo teto antany, dia taigna hely no hilifasantsika raha mihodigny amin'ny lehy araiky zay mampitandrigny atsika avy andangitry atsika. 26 Tamin'ny fotoagna araiky, ny feonazy nagnôzonkôzogno ny tany. Fao zeo Izy nampagnantaigna ndraiky ninainagna nagnanjao: "Mbôla hagnôzonkôzogno indray mandaiha tsy ny tany faogna zaho, fao ny langitry faogna koa." 27 Reo koragna reo, "Indray mandaiha koa," dia midika ny famindragna reo raha zay afaka hôzonkozônigny, zany dia, reo raha zay nohariagna, mbô hitoaitra reo raha zay tsy azo hôzonkozônigny. 28 Noho zany, satria malaka fanjakagna zay tsy azo hôzonkozônigny, dia aoka ho mpankasitraka atsika aveo amin'ny zany fomba zany dia hidaira Zagnahary taigna am-pagnajagna ndraiky aminkamboriagna. 29 Fao ny Zagnaharintsika dia môtro mandevogno.