Toko Faha 11

1 Ary ny finoagna no antoka amin'ny reo raha nandrasagna tamim-pahatokiagna. Io no profon'ny reo raha mitranga zay mbôla tsy hita. 2 Fao noho zany reo razambe dia nankatoavigny nohon'ny finoagnan-jareo. 3 Amin'ny finoagna no hahaizantsika fao ny didin-Jagnahary no namoronagna izao tontolo zao, kay zay hita maso dia tsy nitsabogny tamin'ny raha zay hita maso. 4 Tamin'ny finoagna no nanolaoran'i Abela fagnatitry taigna tsara ho nihin-Jagnahary nohon'ny nihin'ny Kaina, tamin'ny alalan'ny zany no nagnambarany azy ho marigny, avakeo Zagnahary nivaolagna tsara azy noho reo fagnatiny, avakeo amin'ny finoagna no mbôla hivolagnan'i Abela, na dia afa maty aby izy. 5 Tamin'ny finoagna no namindragna Enoka mbô tsy ahita fahafataisagna. "Tsy hita izy, satria nalain-Jagnahary." Fao talaohan'ny nangalagna azy, dia nitsanganagna antomoa fa nankasitrahin-Jagnahary izy. 6 Avakeo koafa tsisy finoagna dia tsy mety ho ankasitrahiny. Satria ilaigny zay magnatogno Zagnahary dia tsy maintsy mino fao misy Izy avakeo Izy no mamaly tsara amin'ny reo zay mitady Azy. 7 Tamin'ny finoagna Noa, gnamiana hafatra avy amin-Jagnahary mahakasiky reo raha zay mbôla tsy hita, niaraka tamin'ny fagnajagna Zagahary no nagnamboarany sambo zay namonjiagna ankohonany. Fao tamin'ny fanaovagna zany, no nagnamilaohany zao tontolo zao ndraiky nahatongavany ho mpandaova ny fahamarignagna araka ny finoagna. 8 Tamin'ny finoagna Abrahama, koafa natsôvigny, nankatô ndraiky nandaiha tagny amin'ny lehy toeragna zay hahazoany ho laova. Nandaiha izy, tsy nisalasala zay tany nomboany. 9 Tamin'ny finoagna no nianianany tagny amin'ny lehy tany nampanantenaigny hotra ny vahiny. Niaigny tao agnaty tragno lay izy niaraka tamin'Isaka ndraiky Jakoba, reo mpiara-mandova amin'ny lehy fampanantenagna mitôvy. 10 Fao izy nizaha lehy tanàgna zay managna reo fagnoraignagna, lehy tanàgna zay Zagnahary no mpamarin-tragno ndraiky mpagnorin-tragno. 11 Tamin'ny finoagna, na dia Saraha izy haigniny zay momba aby, no nazahoan'i Abrahama ny fahafahagna ho araiky. Nitranga zany na dia afa taigna hantitry aby izy, satria niheveriny ho karaha lehy mahatoky namiagna lehy fampanantenagna izy [Fagnamarihagna: Misy fagnontaniagna mahakasiky ny hoe ny finoan'i Abrahama sa ny finoan'i Saraha no nahômby. "Tamin'ny finoagnan'i Saraha, na dia afa antitry aby izy, no nazahoany ngôvo hanagn'anaka, na dia afa taigna hantiry aby izy hitondra zaza, satria nihevitry lehy nagnamia lehy fampanantenagna azy ho mahatoky."] 12 Noho zany, avy amin'ny zany lalahy zany, zay afa hifoaty, no nahatirahanjareo zay hotra reo la kintagna egny an-dangitry ny hafontrizany ndraiky hotra alagnagna môrony ranomasigny, zay tsy voahisa. 13 Tao amin'ny finoagna regny jiaby regny no maty tsy nandray reo fampanantenagna. Fao ndraiky, tafaran'ny nahitagna ndraiky niarabagna zareo avy egny lavitry, dia nagneky zareo fao vahiny ndraiky sesi-tany atoy antany. 14 Ho amijareo zay mivaolagna hotra zany raha zany dia magnazava fao mitady tanindrazagna zareo. 15 Raha nieritreritry ny firenena zay nialanjareo, dia mety nanagna fahafahagna himpôdy. 16 Fao hotra zany, nagniry firenena tsaratsara zareo, kay zany, lehy akagny andangitry. Noho zany tsy mahamaingatra Zagnahary ny voahantso hoe Zagnaharin-jareo, kay nagnomagna tanàgna ho nihinjareo. 17 Tamin'ny finoagna Abrahama, koafa nitsapaigny, dia nanôlotro Isaka. Io no zanany lalahy taokagna zay natôlony, izy lehy nahazo reo fampanantenagna. 18 Tamin'i Abrahama no nivolagnany nagnanjao: "Amin'ny alalan'Isaka no hagnisahagna reo taminganao." 19 Abrahama dia nisaigny fa Zagnahary dia hahavita hanangagna Isaka amin'ny reo maty, avakeo amin'ny heviny amin'ny aohatra, avy tamin-jareo no hazahoany azy ndraiky. 20 Tamin'ny finoagna mahakasiky reo raha hoavy koa no nitsofan'Isaka rano i Jakoba ndraiky Esao. 21 Tamin'ny finoagna Jakoba, tamin'izy afa hifoaty, no nitso-drano reo zanak'i Josefa tsiaraikiaiky aby. Nivavaka Jakoba, nitehagna tamin'ny laohany tongôzo. 22 Tamin'ny finoagna Josefa, koafa narikitry ny fiafarany, no nikoragna ny fialan'ny zanak'Israely avy akagny Egypta aveo nagnafarany ny amin'ny talaohany. 23 Tami'ny finogna Mosesy, koafa tairaka izy, dia navôniny reo ray aman-dreniny nandritrany ny telo volagna satria hitan-jareo fa zaza tsara izy. Tsy natahotro ny didin'ny mpanjaka zareo. 24 Tamin'ny finoagna Mosesy, tafara'ny naha gaida azy, no nandà ny hagnantsaovagna azy ho zanaka lalahini'ny zanaka vavin'ny Farao. 25 Fao ndraiky, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahoakan-Jagnahary izy, hotra zay hankafy reo fahafinaraitan'ny fahotagna mandritra ny fotoagna fohy. 26 Nivaolagna izy nagnanjao ny fahafaham-baraka amin'ny fagnarahagna Kristy dia hariagna goalahy noho reo hariagnan'i Egypta. Satria nampifantoko reo masony tamin'ny valisoany izy. 27 Tamin'ny finoagna no nialan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy natahotro fahatizairan'ny mpanjaka izy, fao niaritry zany hotra ny nahita lehy tsy hita maso. 28 Tamin'ny finoagna no nitandraiman'ny Paska ndraiky ny famafazagna ny lio, mbô tsy hikasiky ny zanaka lahimatoan-jareo Israelita ny mpandringagna ny zanaka lahimatoa. 29 Tamin'ny finoagna no nitsahan-jareo ranomasigny maina hotra ny mandia tany maigny. Koafa nagnandragna nagnano zany reo Egypta, dia voateligny zareo. 30 Tamin'ny finoagna no nirodagnan'ny mandan'i Jeriko, koafa avy nihodidigny nandritry ny fito andro zareo. 31 Tamin'ny fioagna no tsy nahafaty i Rahaba lehy mpivaro-taigna niaraka tamin'ny reo mpaniasia, satria nalaka reo mpisafo tagny tamin'ny fiadanagna izy. 32 Ino faogna koa no afaka volagniky? Fao ho lany ny fotoagnako raha mikoragna mahakasiky Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, avakeo mahakasiky reo mpagnazary zaho. 33 Tami'ny alalan'ny finoagna no nazahoan-jareo fanjakagna, niasa ara-drariny, aveo nalaka reo fampanantenagna. Nagnidy ny vavan'ny reo liona zareo, 34 namono ny ngôvon'ny môtro, nilaifa ny lailameso, nahivagna tamin'ny reo aretigny, nanjary nahery tamin'ny ady, avakeo nandresy reo tafiky vahiny. 35 Nitsangagna tamin'ny maty tamin'ny fanangana-ko velogno reo vaiavy. Reo hafa dia nampijalegny, tamin'ny tsy fagnikaihagna ny famotsaoragna taigna tsara. 36 Ny hafa dia nitsapaigny tamin'ny fagnesoagna ndraiky reo fikapohagna, ia fao na dia ny fehy ndraiky reo fagnagadragna aby. 37 Nitopiam-bato zareo. Nivakigny hizara aroa zareo. Nivonogny tamin'ny meso zareo. Nivaindravaindra tamin'ny hôditr'ondry ndraiky hôditr'osy zareo. Nahantra zareo, nampihorohorogny, nampijalegny. [Fagnamarihagna: ny dikan-teny sasany talaoha dia mivaky magnanjao: "Nitopiagna vato zareo. Nivakigny hizara roa. Nampandalovigny fitsapagna. Nivonogny tamin'ny meso.''] 38 Zao tontolo zao dia tsy magnaiva zareo. Nivendrivendry tagny an-tany maty, tagny amin'ny reo tanety, tagny amin'ny reo lava-bato, aveo tagny amin'ny reo lavaka ambanin'ny tany zareo. 39 Kanaifa regny ôlogno jiaby regny dia nikehin-Jagnahary nohon'ny finoagnan-jareo, tsy nalaka ny fampanantenagna zareo. 40 Nagnomagna raha taigna tsara hoantsika Zagnahary, mbô tsy ho lavorary zareo, raha tsisy atsika.