Toko Faha 10

1 Fao ny lalàgna dia alok' reo raha tsara ho avy faogna, fao tsy taigna endrik' reo raha reo. Reo zay magnatgno Zagnahary dia tsy afaka ny ho lafatra amin'ny alalan'ny sôrogno mitôvy amin'ny zay entin'ny reo mpisôrgo isantagno. 2 Raha zany tsy afa nijanogno ny nanôlotro regny sorogno regny moa zareo? Amin'ny zany tranga zany, raha afa nidiovigny indray mandaiha faogna zareo, dia tsy mbô hahay ota eky reo mpivavaka. 3 Fao amin'ny reo sorogn reo, dia misy fampahatsiahivagna reo ota isantagno. 4 Satria ny lin'aomby lahy ndraiky osy lahy dia tsy mahavita mangala reo ota. 5 Koafa tonga teto amin'ny zao tontolo zao Kristy, dia nivaolagna Izy nagnanjao: "Tsy sôrogno na koa fagnatitry no nirinareo. Fao naifa, haigny zay afa nomaninareo hoanaha. 6 Ny fagnatitry niroagna na sôrogno ho nihin'ny ota dia tsy niravoanareo. 7 Ary hoizy Zaho: "Zahavo, tô Zaho araka zay voasaoratra mahakasiky Zaho ao amin'ny Saoratra Masigny, mbô hagnano ny sitrakareo." 8 Voalohany nivaolagna izy nagnanjao: "Tsy sôrogno, na koa fagnatitry, na fagnatitry niroagna, na sôrogno ho nihin'ny ota no nirinareo. Avakeo Anao tsy niravo tao amin'ny ziregny." Iregny dia sôrogno zay atôlotro araka ny lalàgna. 9 Avakeo nivaolagna izy nagnanjao: "Zahavo, tô Zaho hitsabo ny sitrakareo." Izy dia nalaka fampihargna voalaohany mbô hampitrahagna ny fampiharagna faharoa. 10 Tamin'ny zany sitraka zany, atsika dia nihamasinigny tami'ny alalan'ny fagnatitry ny haignin'ny Kristy ndraimandaiha faogna. 11 Amin'ny lafiny araiky, ny mpisôrogno jiaby dia mitsangagna isan'andro manompo Zagnahary. Izy dia manôlotro sôrogno mitôvy hatragny, na zany ndraiky zareo dia tsy afaka malaka reo ota velively. 12 Amin'ny lafiny araiky hafa, Kristy dia nanôlotro sôrogno araiky ho nihin'ny ota bariky dintany, nidôko teo antagnankaherin-Jagahary Izy. 13 Izy dia mandigny papiky hanaovagna reo fahavalon'ny ho fibidaohan'ny hongotro ho nihin'ny hongotroanazy. 14 Fao tamin'ny fgnatitry araiky izy dia nahalavorary bariky dintany reo zay nihamasinigny. 15 Ny Fagnahy Masigny koa dia mitsangagna antomoa ho amintsika. Fao tamin'ny voalaohany Izy nivaolagna nagnanjao: 16 "Tô no fagnikiagna zay ho tsaboky miaraka amin-jareo afaran'ny reo andro reo, hoizy Tompo. Hapaitrako am-pônjareo ny lalàgnanaha, avakeo hanaoratra zany antsaigninjareo Zaho. 17 Tsy hahatsaro ota ndraiky reo heloko njareo eky Zaho.'' 18 Aveo na aiza misy famelagna zany, dia tsisy sôrogno ho nihin'ny ota eky. 19 Noho zany, rahalahy, atsika dia managna fahatokiagna ny hitsôfotro akao amin'ny toeragna taigna masigny tamin'ny lin'ny Jesôsy. 20 Zany no lalagna vava salakady velogno zay nisokoafigny ho nihintsika tamin'ny alalan'ny ankanjo, zany hoe, tamin'ny alalan'y nôfotroanazy. 21 Satria atsika dia managna mpisôrogno gaida mitandrigny ny tragnon-Jagnahary, 22 aoka atsika hagnatogno amin'ny fô madio amin'ny finoagna feno fahatokisagna, mbô hanagnantsika fô madio amin'ny fieritreraitagna ratsy avakeo hanagnantsika haigny voadio tamin'ny rano madio. 23 Aoka atsika hitagna mafy ny fagnikiagna ny fiandrandragna mahatokintsika, tsy amim-pihozongozognagna, satria Zagnahary, zay nampagnantaigna, dia mahatoky. 24 Aoka atsika handiniky ny fomba handrisihagna ny tsiaraikiaraiky amin'ny fitiavagna ndraiky reo asa tsara. 25 Aoka atsika tsy hagnajanogno ny fiarahagna mivôry, hotra ny nitsabon'ny sasany. Fao ndraiky mifankaheraiza hatragny, aveo maika fao hitanareo fao marikitry ny andro. 26 Fao raha aohatra atsika kinia manota koafa avy nalaka ny fahalalagna ny marigny, dia tsisy fagnatitry ho nihin'ny ota eky. 27 Fao ndraiky, taokagna faogna ny fiandrasagna mahatohitry ny fitsaragna, avakeo fahatizairagna mirehitry zay hagnapotiky reo fahavalon-Jagnahary. 28 Na zôvy na zôvy niala ny lalàn'i Mosesy dia hifoaty tsisy indra-fô amin'ny fitsanganagna antomoa reo aroa na telo zay nagnatri-maso. 29 Fagnasaziagna ratsy lavitry hotra ny ino no eritreritry areo fao magnaiva reo zay nandia ny Zanaka Zagnahary, zay nagnano ny lin'ny fifagnikiagna ho tsy masigny—Lehy lio zay namasinigny Azy—aveo naniratsiara ny fagnahin'ny fahasoavagna? 30 Fao atsika mahay lehy araiky zay nivaolagna nagnanjao: "Nihinaha ny valifaty; Zaho no hamaly." Aveo koa: "Ny Tompo dia hitsara ny ôlognoanazy." 31 Raha mampambory no hilatsaka akeo antagnan-Jagnahary velogno! 32 Fao Tsarovy reo andro talaoha, koafa nazavaigny areo, ny fomba niaraitanareo ny ady mafy tamin'ny fijaliagna. 33 Areo dia nalaigny baraka ampahibemaso tamin'ny fagnaratsiagna ndraiky tamin'ny fagninjaihagna, avakeo areo dia niaraka nizara tamin-jareo zay nandalo fijaliagna hotra zany. 34 Satria areo dia nanagna fangororam-pô taminjareo zay nigadara, aveo areo dia nagneky taminkaravoagna ny fangalàgna ny fanagnagnareo. Dia nahay areo fao ny haigninareo dia managna fanagnagna taigna tsara ndraiky maharitry bariky dintany. [Fagnamarignagna: Ny dikan-teny talaoha dia tsy hahitagna ny voambaolagna magnanjao: Fa areo dia nanagna fangoraham-pô tamin'ny gadranaha.''] 35 Noho zany dia aza ariagna ny fatokisanareo, zay managna valisoa gaida. 36 Fao areo dia mila faharaitagna, mbô hazahoanareo zay nampanantenain-Jagnahary, koafa nagnano sitra-pônazy areo. 37 Fao tsy hoela aby, lehy araiky zay hoavy dia taigna hoavy aveo tsy ho tara. 38 Ny ôlognoanaha marigny dia hivelogno amin'ny finoagna. Raha mihemotro izy, Zaho dia tsy ho ravo aminazy." 39 Fao atsika dia tsy agnisan'ny reo zay mihemotro ho amin'ny faharavagna. Fao ndraiky, atsika dia agnisany reo zay managna finoagna ho amin'ny fitanagna ny fagnahintsika.