Toko faha 2

1 Fao tiàko ho hainareo ny halabiazan'ny tôlogno natako ho anareo, ho an-jareo akagny Laodikia, ndraiky hoan-jareo maro mbôla tsy nahita ny sôrako tamin'ny nôfotro. 2 Miasa zaho mbô hankahery ny fôn-jareo amin'ny fampiraisagna zareo miaraka akao amin'ny fitiàvagna ndraiky ny hariagna jiaby amin'ny fahaizagna azo antoka, ho amin'ny fahaizagna ny fahamarinagna mivônin-Jagnahary, zany hoe, i Kristy. 3 Akao Aminazy ny hariagnan'ny fahandrena ndraiky zay fahaizagna jiaby no mivôny. 4 Magnambara zany zaho mbô tsy hoïsy hitariky areo amin'nylahabôlagna mandresy lahatra. 5 Na dia tsy miaraka aminareo akao amin'ny fagnahy. Ravo zaho mahita ny filaminagnanareo tsara ndraiky ny tanjakin'ny finoagnanareo an'i Kristy. 6 Koa nangala an'i Kristy Tompo areo, dia mandihiana akao Aminazy. 7 Mifotôra mafy Aminazy, mioraigna akao Aminazy, mioraigna amin'ny finoagna zay afa nampianarigny areo, aveo mazotoa magnamia fisaoragna. 8 Mitandraima mbô tsy hagnambaila ologno hambotro areo amin'ny alalan'ny filozofia na ny vandy foagna araka ny fatan'ny ologno, zay magnaraka ny toaitran'izao tontolo zao, fao tsy araka an'i Kristy. 9 Fao akao Aminazy no mipaitraka ny fahatsaran,ny taignan-Jagnahary jiaby. 10 Feno areo akao Aminazy. Izy no lôhan'ny ngovo ndraiky ny fahefagna jiaby. 11 Tao Aminazy foagna koa areo no noforagna tamin'ny famoragna zay tsy natan'ny olombelogno amin'ny fangalagna ny nôfotro amin'ny vatagna, fao tamin'ny famoran'i Kristy. 12 Niaraka nalevigny Taminazy tamin'ny batisa areo, ary tao Aminazy no nananganagna areo tamin'ny alalan'ny finoagna mafin-Jagnahary, zay nanangagna azy tamin-jareo zay maty. 13 Tamin'ny areo maty tamin'ny reo fahotagna ndraiky ny tsy fahavitan'ny nôfotronareo famoragna, izy no namelogno areo niaraka taminazy ndraiky nagnambaila atsika tamin'ny reo fahotantsika jiaby. [Fagnamarihagna: misy dikan-teny talôha sanany mivaky hoe: "ary nagnambaila ny fahotantsika jiaby"] 14 Nifafany ny fitanagna antsôratra ny trôsapm-pagnafahagna ndraiky reo fitsipiky mifanohitry tamintsika. Nalany zany jiaby zany ary nofantsiahany teo min'ny kakazo fijaliagna. 15 Nalany reo ngôvo ndraiky reo fahefagna, aveo zareo dia nagnano fampisehoagna ampahabemason-jareo, nandresy mihoatra an-jareo tamin'ny kakazo fijaliagna. 16 Koa aza availa hoisy hitsara areo na amin'ny fihinanagna na amin'ny figiahagna, na amin'ny andro fety na amin'ny vôlagna vaovao, na amin'ny andro Sabata. 17 Zany no kandindagna reo raha hoavy, fao ny taigna izy dia i Kristy. 18 Aza availa hoisy na zôvy na zôvy zay mila ny fanitrian-taigna ndraiky ny fideragnan'ny anjely hitsara areo kay tsy hazahoanareo ny lokanareo. Ny ologno karaha zany dia tsy miditry amin'ny raha hitany ary manjary mipoairapoaira amin'ny fisaignan'ny nôfotronazy. 19 Tsy mitagna ny lôhany izy. Zany dia avy amin'ny lôha zay namian-Jagnahary ny vatagna jiaby magnairagna reo vagnin-tahôlany ndraiky ny hôzany zay magnamia kay mitagna zany jiaby zany miharo; zany dia mitômbo miaraka amin'ny fampitomboagna namen-Jagnahary. 20 Koa maty niaraka tamin'i Kristy areo tamin'ny toaitran'izao tontolo zao, nagnino ary areo no miaigny karaha ny voatery amin'ny tany: 21 "Aza mompôdy, aza magnandragna, ary aza mikasiky" ? 22 Zany raha jiaby zany dia ho an'ny fahalôvagna, araka ny torolalagna ndraiky ny fampianaran'olombelogno. 23 Regny fitsipiky regny dia managna fahendren'ny fomba fivavahagna, ny fanitrian-taigna zay natan'ny taignany manôkagna ary ny famphoriagna ny vatagna. Fao zareo dia tsy manan-danja amin'ny fanohairagna ny fandifairagna ny filagnan'ny nôfotro.