Toko Faha 4

1 Raha nikoragna tamin'ny reo vahoaka Petera ndraiky Jaona, dia avy reo mpisôrgno ndraiky ny lehiben'ny mpiambigny ny tempoly ary reo Sadoseo. 2 Vingitry mafy zareo nohony Petera ndraiky Jaona nampianatra vahoaka ndraiky nitory ny fitsanganagna amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesôsy. 3 Nisambôrigny zareo ary natao tagny angadra papiky hatongavany maraindraigny, satria afa haligny ny andro tamin'ny zany. 4 Kanaifa maro tamin'ny reo ôlogno zay nitandregny hafatra no nankatô; aveo ny isan'ireo lalahy zay nankatô dia dimy arivo teo ho eo. 11 Jesôsy Kristy dia vato zay natanareo mpagnorin-tragno tsinotsinona kanaifa afa natao ho laohan'ny vato fehizoro. 12 Aveo tsisy famonjiagna avy amin'ny hafa, fao tsisy agnaragna hafa ambanin'ny langitry namaizan'ny ôlogno zay tsy maintsy hahavonjy atsika." 19 Kanaifa namaly zareo Petera ndraiky Jaona nivaolagna nagnanjao: "Raha marigny eo imason-Jagnahary ny magneky areo mihoatra Azy, dia areo no mitsara. 20 Tsy afaka ny hijanogno tsy hivaolagna mahakasiky reo raha hitanay sady regninay zahay." 23 Tafaran'ny namotsaoragna zare, dia tonga teo amin'ny vahoakany Petera ndraiky Jaona ary notateriny taminjareo zay jiaby nivolagnin'ny reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo sojabe taminjareo. 24 Koafa regnin-jareo zany, dia niara-nampakatra ny feonjareo hoan-Jagnahary zareo kay nivaolagna nagnanjao: "Tompo, Anao no nitsabo langitry ndraiky tany, ndraiky ny ranomasigny, ary zay jiaby akao aminazy. 25 Nivaolagna tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny iadantsika Davida Anao nagnanjao: 'Nagnino vingitry reo firenena Jentilisa, ndraiky reo ôlogno mieritreritry raha tsisy ilagna azy?' 26 Areo mivaolagna: Mpanjakan'ny tany dia nitambatra, aveo reo mpanapaka dia nivôndrogno hanohitry ny Tompo, ndraiky hanohitry ny Kristiny.' 27 Fao afa Heroda ndraiky Pontsy Pilaty, zay niaraka tamin'ny reo Jentilisa aveo reo vahoakan'i Israely, no niaraka nivôry tao an-tanagna hanohitry Jesôsy mpanomponareo, zay nosoranareo. 28 Niara-nivôry zareo mbô hagnano zay jiaby natan'ny tagnagnagnareo ndraiky reo drafitry areo zay afa nitapahin-jareo ho tsabogny alaoha. 34 Tsisy ôlogno nanagna raha mampijaly teo amin-jareo, fao zay jiaby nanagna tany na tragno dia navidy ary ninday ny vaolan'ny raha jiaby zay lafo. 35 Avakeo napaitraka teo an-tongotro reo apostoly, ary nirasaigny tamin'ny ôlogno tsiaraikiaraiky araka zay ilainjareo.