Toko Faha 23 27

3 Ny andro magnaraka tonga tamin'ny tanagnan'ny Sidona zahay, zay nitondrasan'ny Jolio Paoly tamin'ny hatsaram-pagnahy avakeo nagnambaila azy nandaiha, ho akagny amin'ny reo namany handray ny fikarakaran-jareo. 4 Avy tagny zahay no nandaiha an-dranomasigny aveo nandaiha sambo nagnaraka ny sisin'ny Kyprosy, narikitry ny nôsy, satria nanohitry zahay ny rivotro. 5 Avakeo nandaiha sambo namakivaky ny ranomasigny zahay aveo narikitry ny sisin-tanin'ny kilikilia ndraiky Pamfilia, homby tao Myra zahay, tanagnan'ny Likya. 6 Tagny, ny kapiteny dia nahita sambo araiky avy akagny Aleksandria zay handaiha sambo ho akagny Italia. Nambailany tao amin'ny zany zahay. 7 Koafa nandaiha sambo niadagna nandritry ny andro maro zahay aveo ny farany dia homby tam-pahasahiranagna teo narikitry Kinidio, dia tsy nagnambaila zahay andaiha tamin'ny zany làlagna zany eky ny rivotro, kay nandaiha sambo nagnaraka ny hilany takon-drivotro ny Kreta zahay, mifandrify amin'ny Salmona. 8 Nagnaraka môrony tam-pijaliagna zahay, papiky havianay tagny amin'ny toairagna araiky antsôvigny hoe Tsara-fitodian-tsambo, zay marikitry tanagnan'ny Lasea. 12 Satria ao amin'ny tafiagna dia tsy mora raha hijanonagna mandritran'ny rirignigny, dia maro tamin-jareo mpiantsambo no nanoro hevitry ny hiondragna hiala teo, fao tsaha mbô afaka hitety ny tanagnan'ny Foinkisa amin'ny fomba jiaby zahay, mbô hibidaohagna akagny mandritry ny rirignigny. Foiniksa dia tafiagna akagny Kreta, aveo magnatriky magnavaratra andraifagna ndraiky magnatsimo andraifagna zany. 13 Koafa nanomboko nitsotro moramora ny rivotro avy akagny antsimo, dia nihevitry reo tantsambo fao nanagna zay nilain-jareo. Kay nampakatra ny vatofantsiky avakeo niondragna nagnaraka an'i Kreta zareo, narikitry ny môron-dranomasigny. 19 Tamin'ny andro fahatelo reo tantsambo nanopy ny aintagna ny sambo tagny ambailain'ny sambo tamin'ny tagnan-jareo zeraiky. 20 Koafa tsy nazava taminay nandritran'ny andro maro ny masaova ndraiky lakitagna, avakeo mbôla namely zahay lehy valolandrivotro mafy, dia very jiaby ny fanantenagna ny hahavoavonjy zahay. 27 Koafa tonga ny haligny faha-aifatra amibin'ny fôlo, raha natopatopany tegny ndraiky taroy tao amin'ny ranomasigny Adrea zahay, tôkony ho tamin'ny sasakaligny dia nihevitry reo tantsambo fao narikitry tany zareo. 28 Dia nangala refi-drano zareo avakeo nahita fao aifapôlo maitatra ny halalignany; tafara helin'ny zany, mbôla nangala refin-drano zareo aveo nahita fao telopôlo maitatra ny halalignany. 29 Ambory zareo tsaha be hirafitry amin'ny vato zahay, kay nandatsaka vatofisaka aifatra avy afara zareo avakeo nivavaka mbô hiavian'ny marandraigny tsy ho aila. 33 Koafa nanomboko nahay nazava ny andro, dia nampirisiky azy jiaby Paoly mbô hangala hanigny maromaro. Hoizy: "Tô andro tô no andro faha-aifatra ambiny fôlo zay handarasanareo aveo tsy hinananareo; tsy nihinagna na ino na ino areo. 34 Noho zany dia mampirisky areo mbô hizara hanigny, fao ilaigny zany mbô hahavelogno areo. Fao tsy hoisy na araiky aminareo zay ho very na dia ny singam-bolodaohany aby." 35 Koafa avy nivaolagna zany izy, nalaka môfo avakeo nisaotra Zagnahary teo imason'ny jiaby. Aveo izy nizarazara ny môfo avakeo nanomboko nihinagna. 42 Ny fikasagnan'ny reo miaramila dia ny hamono reo gadra mbô tsisy aminjareo ho afaka andaiha hilomagno kay hilaifa. 43 Fao lehy kapiteny te-hamomjy i Paoly, kay najanony ny fikasagnan-jareo; avakeo nagnamia baiko reo mahay milomagno mbô hilatsaka ambailan'ny sambo aloha aveo ho egny antanety. 44 Avakeo tôkony hagnaraka ny ambin'ny reo lalahy, ny sasany agnambo kakazo fisaka, ary ny sasany agnambo raha hafa avy tao amin'ny sambo. Hotra zany no niseho kay jiaby taminay dia tonga soa aman-tsara tegny an-tanety.