Toko Faha 16

1 Tonga tagny Derbe ndraiky Lystra faogna koa Paoly, avakeo tô, teo lehy mpianatra araiky antsôvigny hoe Timoty, zanaka lalahin'ny vaiavy Jiosy zay nino; Grika ny iadany. 2 Izy dia tsara laza tamin'ny reo rahalahiny zay tagny Lystra aveo Ikonioma. 3 Tian'i Paoly hira-dia aminazy izy; dia nalainy izy avakeo niforàny noho reo Jiosy zay teo amin'ny reo toairagna reo, satria hain'ny izy jiaby fao Grika iadany. 4 Raha nandaiha namakivaky reo tanàgna maro zareo, dia nanôlotro toromariky hoan'ny reo mpino mbô hankatô ny fampianaragna, zay nisoroatin'ny Apostoly ndraiky ny sojabe tao Jerosalema. 5 Kay nahay natanjaka tamin'ny finoagna ny fiangonagna aveo nitômbo isa isan'andro. 6 Nandaiha namakivaky faritry ny Frygia ndraiky Galatia Paoly ndraiky namany, satria niraran'ny Fagnahy Masigny zareo hagnambara ny vaolagna akagny amin'ny faritry Asia. 7 Koafa niditry narikitry Mysia, dia te-handaiha akagny Bitynia zareo, naifa nisakanan'ny Fagnahin'i Jesôsy zareo. 8 Kay nandalo tamin'i Mysia, dia nandaiha nijôtso tagny amin'ny tanàgnan'i Troasy zareo. 9 Nahita fahitagna Paoly tamin'ny aligny: lalahy araiky Makedoniana nitsangagna teo, nagnantso azy aveo nivaolagna nagnanjao: "Avia atoy Makedonia ary avaoty zahay." 10 Koafa avy nahita ny fahitagna Paoly, dia nandaiha akagny Makedonia samby teo zahay, nahatsapa fao Zagnahary no nagnantso zahay mbô hitory ny vava maharavo amin-jareo. 11 Nangantso noho zany avy akagny Troasy, dia nandaiha mahitsy hoagny Samatrakia zahay, avakeo nandaiha Neapolia zahay ny andro magnaraka. 12 Avy teo dia nandaiha nagnagny Filipy zahay, zay agnisan'ny tanàgna Makedonia, zay tanàgna bahery manan-danja akao amin'ny faritry ndraiky ny zana-tany Romanina, ary nidôko tao amin'ny zany tanàgna zany nandritra ny andro maro zahay. 13 Tamin'ny andron'ny Sabata dia nandaiha tagny ambailan'ny tamiagna narikitry renirano zahay, zay nieritreretinay fao misy toairam-pivavahagna. Nipaitraka zahay aveo nikoragna tamin'ny reo vaiavy zay niaraka homby teo. 14 Nisy vaiavy araiky atao hoe Lydia, mpivarotro lamba vôlomparasy avy akagny amin'ny tanàgnan'i Tyatria, zay nanompo Zagnahary, nitandregny zahay. Nanaokatra ny fôny ny Tompo hitandrigny ny vaolagna zay nivolagnin'i Paoly. 15 Koafa vita batisa izy ndraiky fianakaviagnany, dia nampirisiky zahay izy, nivaolagna nagnanjao: "Raha nitsara zaho ho mahatoky amin'ny Tompo areo dia midira ary midôha ao antragno." Ary nandresy lahatra zahay izy. 19 Koafa hitany reo tompony fao lôsogno lehy fanantenagna ny amin'ny tômbony ho nihinjareo, dia nisambôrin-jareo Paoly ndraiky Silasy ary nitaritigny zareo andaiha bazary teo agnatraihan'ny reo manam-pahefagna. 20 Koafa nitondra zare teo agnatraihan'ny reo mpitsara zareo, dia nivaolagna nagnanjao: "Magnakorotagna tanàgnantsika reto lalahy reto. Jiosy zareo. 21 Magnambara fombo zay tsy ara-dalàgna hoan'ny Romanina ny magneky na mampihatra azy zareo." 25 Nagnodidigny misasak'aligny dia nivavaka Paoly ndraiky Silasy ary nihira fideragna Zagnahary, avakeo reo gadra hafa dia nitandregny zareo. 26 Tampoko teo nisy horohorontany gaida, kay nampihôzonkôzogno fôtotro ny fonja; aveo nisaokatra samby teo ny vavaravaragna jiaby, ary nivaha ny tadin'ôlogno jiaby. 27 Taitry tamin'ny tôromas ny mpiambigny tragno mahizigny aveo nahita reo varavaran'ny fonja nisaokatra; nagnaboaka mesony izy kay tsôko hamo taigna, satria nieritreretiny fao nilaifa reo gadra. 28 Fao nagnantso tamin'ny feo mafy Paoly, nagnanjao: "Aza mandratra haigninao, satria ato jiaby zahay jiaby." 29 Nampagnantso jiro lehy mpiambigny tragno mahizigny aveo niditry malaky tagnatiny, nangôrohôro noho ny hamboriagna, niondriky teo agnatraihan'i Paoly ndraiky Silasy, 30 ary ninday zareo niboaka aveo nivaolagna nagnanjao: "Tompoko, ino no tsy maintsy tsaboky biaka voavonjy? 31 Hoizy zareo nagnanjao: "Minoa Tompo Jesôsy, dia ho voavonjy anao, ana ndraiky ny fianakaviagnanao." 32 Nitory ny vaolagna Tompo taminjareo, niaraka tamin'ny ôlogno jiaby tan-tragnony. 33 Avakeo nandray zare tamin'ny aligny tamin'ny fotoagna igny faogna lehy mpiambigny fonja, aveo nanasa bain-jareo, ary izy ndraiky reo jiaby tao amin'ny tragnony araiky jiaby dia nitsabogny batisa samby teo. 34 Avakeo nivaolagna nakatra tao antragnony Paoly ndraiky Silasy aveo nagnamia hanigny teo agnatraihan-jareo izy, dia niravo tatô be izy niaraka tamin-jareo zay tantragnony, fao afa nino Zagnahary izy. 35 Ary koafa maraindraigny ny andro, dia nagnandaifa vaolagna tamin-jareo mpiambigny reo mpitsara, nivaolagna nagnanjao: "Ambilao handaiha reo lalahy reo." 36 Nitatitry zany vaolagna zany tamin'i Paoly lehy mpiambigny, nivaolagna nagnanjao: "Nampitondra vaolagna taminaha reo mpitsara mbô hagnambaila areo handaiha: noho zany zeo miboaha, avakeo mandihiana am-piadanagna."