Toko Faha 14

1 Ary tamin'ny zany tao Ikonioma Paoly ndraiky Barnabasy niaraka niditry tao amin'ny Synagogan'ny Jiosy kay nikoragna tam-pahavitrihagna aveo ny vahoaka maro Jiosy ndraiky Grika nino. 2 Fao Jiosy zay tsy nankatô ndraiky dia nagnakoratagna ny fisaignan'ny Jentlisa kay nahatonga zareo hanohitry reo rahalahy. 5 Koafa nagnandragna nandresy lahatra ny mpitariky zareo ny Jentlisa ndraiky Jiosy mbô hamono aveo hanopy vato Paoly ndraiky Barnabasy, 6 dia nanjary nivôny zareo ary nilaifa nalaky tao an-tanàgnan'ny Lykaonia, Lystra ndraiky Derbe, aveo reo tanàgna mangôlotro ny faritry, 7 kay tagny zareo no nagnambara vava maharavo. 8 Nisy lalahy araiky nibidôko tao Lystra, malemy tongotro, rango am-bôkondreniny, zay afa tsy nandaiha letry zay. 9 Io lalahy io naharegny Poly nivaolagna. Paoly nagnatriky azy tsara teo amin'ny masony kay nahita fao managna finoagna ny hahivagna izy. 10 Koa nivaolagna taminazy izy tamin'ny feo mahery nagnanjao: "Mitsangàna amin'ny hongotroa." Noho ny aviteo lehy lalahy dia nitsambotsamboagna aveo nandaiha teo amin'ny magnodidigny. 21 Aveo zareo nagnambara vava maharavo tao amin'ny zany tanàgna zany kay nahazo mpianatra maro, nimpôdy tao Lystra zareo, tagny Ikonioma, ndraiky tagny Antiokia. 22 Zareo nanôhy nampahery ny fagnahin'ny reo mpianatra aveo nampirisiky azy mbô hanôhy akao amin'ny finoagna, sady nivaolagna fao: "Tsy maintsy amin'ny fahoriagna maro no hidirantsika akao amin'ny fanjakan-Jagnahary." 23 Koafa nanendry sojabe ho nihinjareo teo amin'ny isam-piangonagna zareo, ndraiky nivavaka tamin'ny fifadian-kanigny, natôlotro njareo ho nihin'ny Tompo zany, zay ninoanjareo. 24 Dia nandalo tamin'ny Pisidia zareo kay tonga tao Pafilia. 25 Koafa nagnambara ny vaolagna tao Perga zareo, dia nandaiha nijôtso tagny Atalia. 26 Avy teo zareo no nandaiha sambo nijôtso hoagny Antokia, zay nazahoan-jareo fahasoavan-Jagnahary hoan'ny asa zay vitan-jareo avaizo. 27 Koafa homby tao Antiokia zareo ary namôry niaraka ny fiangonagna, dia nitatitry raha jiaby zay haifan-Jagnahary taminjareo, ndraiky hoe akôry no namoahany tamiagnan'ny finoagna aminjareo Jentilisa. 28 Dia nijanogno fotoagna aila niaraka tamin'ny reo mpianatra zareo.