Toko Faha 11 13

6 Ary koafa namakivaky nôsy araiky jiaby magnagny Pafosy zareo, nahita mpagnano aôdy, zay mpagnazary Jiosy sandoko, ary ny agnarany dia Bara Jesosy. 7 Mpagnano aôdy zay niara-niasa tamin'ny reo governora, Serjio Paolosy, zay lalahy taigna mahay. Nisambôrigny lalahy io Barnabasy ndraiky Saoly, satria te hagnaboaka vaolagna Zagnahary izy. 8 Fao Elimasy "Mpagnano aôdy" (zany no nandikagna ny agnarany) nanohitry zareo; ary niaizaka ny hagnôdigny ny governora hiala amin'ny finoagna izy. 19 Ary koafa avy nandrava firenena fito tagny amin'ny tany Kanana izy, dia namaizany vahoakantsika ny tanin-jareo mbô ho laova. 20 Zany raha jiaby niboaka zany afa tamin'ny faha dimampôlo ndraiky aifa-jato taogno. Tafaran'ny zany raha jiaby zany, Zagnahary nagnamia mpitsara zareo mandra-piavin'i Samoela mpagnazary. 23 Fao avy amin'ny tamingan' lalahy io no hindaisan-Jagnahary mpagnavotro Israely, dia Jesôsy, araka zay afa nampanantenainy tsabogny. 24 Nanomboko niboaka zany, talaohan'ny nahatongavan'i Jesôsy, Jaona nagnambara voalaohany tamin'ny vahoakan'Israely jiaby mahakasiky batisan'ny fibaibahagna. 25 Satria Jaona afa nahavita ny asany, dia hoizy izy: "Zôvy no hieritreretinareo zaho? Tsy zaho lehy Izy. Fao tandrignaiso, hoisy araiky hoavy afarako, ary ny kiraron'ny tongony tsy hagnaiva zaho ny hamaha azy. 26 Oa rahalahy, zanaka avy amin'ny tamingan'ny Abrahama, ary zay midaira Zagnahary jiaby eo aminareo, hoantsika no nandifasany zany hafatra mahakasiky famonjiagna zany. 27 Fao reo zay mibidôko akagny Jerosalema, ndraiky ny mpitondran-jareo, dia tsy nahay azy, kay tantairaka njareo ny nambaran'ny mpagnazary zay vakigny isan- tsabata ny amin'ny fagnamelaohagna azy. 28 Na dia tsy mahita antony tsara hamonoagna azy aby zareo, dia nangataka tamin'i Pilato faogna mbô hamono Azy. 29 Koafa tantairaka njareo ny raha jiaby zay voasaoratra mahakasiky Azy, dia nampidirinjareo tagny amin'ny kakazo Izy aveo nampandregny tampasagna. 32 Noho zany zahay mivaolagna aminareo ny vava maharavo zay nampanantenain-Jagnahary tamin'ny Iadantsika zay afa haifany hoantsika, 33 zanaka njareo, tamin'ny nananganany Jesôsy. Araka zay afa voasaoratra ao amin'ny Salamo faharoa magnanjao: 'Zanako Anao, niany dia hanjary Iadanao Zaho.' 34 Ny antony nananganagna azy tamin'ny maty dia ny mbô tsy haharatra bariky dintany ny vatany, Zagnahary nivaolagna nagnanjao: 'Hamaizako areo ny fitahiagna masigny ndraiky azo antoko nampanantenaigny Davida.' 40 Kay mitandraima mbô tsy hiboaka aminareo zay raha nivolagnin'ny mpagnazary magnanjao: 41 "Tô, areo mpagnano tsinotsinona, ho gaga ary ho levogno. Fao Zaho magnano asa amin'ny andronareo, Asa zay tsy ninoanareo velively, na dia misy ôlogno nagnambara zany aminareo aby." 46 Fao Paoly ndraiky Barnabasy nivaolagna am-pahasakiagna aveo nagnambara: "Ilaigny ho voavaolagna aminareo alaoha ny vaolagna n-Jagnahary. Fao koafa manosiky zany areo aveo mihevitry ny haigninareo ho tsy magnaiva ny fiainagna bariky dintany, dia tô, himpôdy akagny amin'ny jentilisa zahay. 47 Araka zay afa nandidian'ny Tompo zahay, magnanjao: "Nadôko mbô ho fahazavan'ny Jentilisa areo, zany no tôkony hindaisanareo fagnavaotagna amin'ny reo zay akagny amin'ny fara-vazantany." 48 Koafa nahiregny zany ny Jentilisa, dia ravo aveo nidaira ny vaolagna Tompo. Avakeo fôntry reo zay voatendry hoamin'ny finoagna ny fiainagna bariky dintany no nino. 49 Ary ny vaolagna Tompo niparitaka airaka ny faritry jiaby.