Toko Faha 11 12

3 Ary koafa hitany fao naharavo reo Jiosy zany, dia nagnano zay hanambaoragna Petera koa izy. Zany dia nandritry ny andron'ny môfo tsisy masimasigny. 4 Koafa avy nisambôrigny izy, dia natany tagny an-gadra izy ave nanendry miaramila aifafatra toko hiambigny azy, nikasa hinday azy eo amin'ny ôlogno afaran'ny Paska izy. 5 Noho zany dia nitanagna tan-gadra Petera, fao ny vavaka dia nitsabony reo zay tao ampiangonagna taigna mafy tamin-Jagnahary aminazy. 6 Ny aligny alaohan'ny hindaisan'i Heroda azy hitsaraigny, Petera nandry teo agnailagnailan'ny miaramila aroa, voatady tamin'ny tady aroa, raha mbôla nijanogno niambigny fonja ny mpiambigny telo alaohan'ny tamiagna. 7 Tô, nisy anjelin'ny Tompo niboaka tampoko teo nariny azy, avakeo nisy hazavagna nangilangilatra tao agnatin'ny hefitry fonja. Namboko Petera teo amin'ny ilany izy avakeo nagnonjogno azy kay nagnanjao: "Mitsangàna malaky," ary reo tadinazy niala tamin'ny tagnany. 8 Ny anjely nivaolagna taminazy nagnanjao: "Anaovy lamba ny haigninao avakeo atôvy kiraronao." Dia natan'i Petera araka zany. Ny anjely nivaolagna taminazy nagnanjao: "Atôvy ny akanjona ambailany ary magnaraha zaho." 9 Dia nagnaraka lehy anjely Petera ary niboaka. Tsy hainy fao reo zay nitsabon'ny anjely dia taigna izy. Nihevitry izy fao nahita fahitagna. 10 Koafa avy nadalo teo amin'ny mpiambigny voalaohany ndraiky faharoa zareo, dia tonga teo amin'ny tamiagna vy zay mitondra mankagny amin'ny tanàgna; nisaokatra hoazy tamin-jareo zany. Niboaka zareo aveo nijôtso tamin'ny lalagna araiky, ary lehy anjely niala azy sambite. 13 Koafa nagnonkogno tam-baravaragna izy, nisy mpanompo vaiavy araiky antsôvigny hoe Roda tonga namaly. 14 Koafa hainy ny feon'i Petera, tamin-Karavoagna dia tsy nahavita nanaokatra tamiagna izy; fao ndraiky, nandaiha nihazakazaka nandaiha an-tragno izy, nikoragniny fao Petera nitsangagna antamiagna. 15 Dia nivaolagna taminazy zareo fao: "Laifaka anao." Fao nihizingizigny izy fao zany no izy. Nivaolagna zareo: "Ny anjeliny zany." 16 Fao Petera nanôhy nagnonkogno, aveo koafa nisokoafin-jareo tamiagna, dia nahita azy zareo aveo gaga. 17 Petera nagnetsiky tagnany taminjareo mbô hangigny, aveo nivolagniny tamin-jareo ny fomba nindaisan'ny Tompo azy niboaka fonja. Hoizy izy: "Volagno akagny amin'i Jakoba ndraiky reo rahalahy zany raha zany." Dia niala izy ary nandaiha tagny tamin'ny toairagna hafa. 20 Ary Heroda vingitry mafy tamin'ny vahoakan'i Tyra ndraiky Sidona. Niara-nagnagny aminazy zareo. Nandresy lahatra Blasto zareo, lehy mpagnampin'ny mpanjaka, mbô hagnampy zareo. Dia nangataka fihavanagna zareo, satria ny tanàgnan-jareo dia mandray ny hanigny avy amin'ny mpanjakan'ny tanàgna. 21 Tamin'ny andro voatôndro Heroda dia nampiankajo ny haigniny ankanjony mpanjaka aveo nidôko teo amin'ny dabilao fiandrianana; nikabary tamin-jareo izy. 22 Nangaiky ny vahoaka: "Zany dia feon-jagnahary, fao tsy nihin'ôlogno!" 23 Samby teo nisy anjelin'ny Tompo namely azy; satria tsy magnamia vogninahitry Zagnahary izy; nihoan'ny hankagna izy dia maty.