Toko Faha 11

1 Ary reo apostoly ndraiky reo rahalahy zay tagny Jodia naharegny fao reo Jentilisa faogna koa nalaka Vaolagna Zagnahary. 2 Koafa nakatra tagny Jerosalema Petera, reo zay tao amin'ny antokony reo voafora dia nanakagna azy; 3 hoizy zareo: "Anao nikambagna niaraka tamin'ny reo lalahy tsy voafora sady nihinagna niaraka taminjareo!" 4 Fao Petera nanomboko nagnazava ny raha nisy taminjareo tamin'ny antsipiriany; hoizy izy nagnanjao: 5 "Nivavaka tagny amin'ny tanàgnan'ny Jopa zaho, aveo nahita fahitagna ny amin'ny fisin-draha araiky zay nijôtso, karaha lamba gaida nahidigny avy akagny an-dangitry tamin'ny reo zôrony aifatra zaho. Nijôtso taminaha zany. 6 Niatriky zany zaho avakeo nandinindiniky mahakasiky zany. Nahita reo biby manan-kongotro aifatra ny tany, reo biby dia, reo biby mandady, ary reo vôrogno egny amin'ny langitry zaho. 15 Raha voh nanomboko nivaolagna taminjareo zaho, ny Fagnahy Masigny tonga taminajareo, karaha ny nijotsoany taminay tagny am-boalaohany. 16 Tsaroako ny vaolagna Tompo, ny nivolagniny nagnanjao: "Jaona nitsabo batisa tamin'ny rano tatô be; fao areo mila tsabogny batisa ao amin'ny Fagnahy Masigny." 22 Reo vava mahakasiky zareo dia tonga tegny an-tsôfignin'ny fiangonagna tao Jerosalema, ary zareo nagniraka Barnabasy zisiky Antioka. 23 Koafa tonga izy kay nahita fagnomaizan-Jagnahary, dia ravoravo izy; ary izy nampahery azy jiaby mbô hibidôko miaraka amin'ny Tompo amin'ny fônjareo jiaby. 24 Satria izy lalahy tsara salakady feno Fagnahy Masigny ndraiky finoagna, ary ôlogno maro no nisôsoko hoan'ny Tompo. 25 Dia nandaiha nagnagny Tarsosy i Barnabasy mbô hizaha Saoly. 26 Koafa hitany izy dia nindesiny tagny Antioka. Aveo nandritra ny herintaogno piky zareo niara-nivôry tamin'ny fiangonagna aveo nampianatra ôlogno maro. Reo mpianatra dia nantsôvigny hoe kristiana tao Antioka. 27 Ary tamin'ny zany dia nisy mpagnazary maromaro nijôtso avy tagny Jerosalema nagnagny Antioka. 28 Araiky taminjareo, i Agabo no agnantsaovagna azy, nitsangagna ary notoroin'ny Fagnahy fao hoisy silagno gaida hisy magnairantany. Nisy zany tamin'ny andron'i Klaodio 29 Noho zany, reo mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsiaraikiaraiky aby, dia nanapa-kevitry ny hagnandaifa fagnampiagna hoan'ny reo rahalahy tagny Jodia. 30 Nagnano zany zareo; Nagnandaifa vaola hoan'ny reo sojabe zareo tamin'ny tanagnan'i Barnabasy ndraiky Saoly.