Toko 1

1 Izaho soja be mamangy Galo tiagna, lehy tiako amin'ny fahamarinagna. 2 Ry tiagna, mivavaka zaho mbô hambinigny amin'ny raha jiaby anao ave ho salama, karaha ny hanambinagna fagnahinao. 3 Fao taigna niravo tatô be zaho taminy nisy rahalahy avy ave nitsangagna ho antomo tamin'ny fahamarignanao, karaha ny andihananao amin'ny marigny. 4 Tsy managna haravoagna goalahy noho tô zaho, dia ny maharegny fao mandaiha amin'ny fahamarinagna ireo zanako. 5 Ry tiagna, magnano asa mahatoky anao na amin'ny ino na amin'ny ino asa tsabonao ho amin'ny reo rahalahy ndraiky reo vahiny, 6 zay nitsangagna ho vavolombelogno ny fitiavanao t'agnatraihan'ny fiangonagna. Tsara no natanao raha alaifanao mandaiha amin'ny fomba mendriky Zagnahary zare, 7 satria nohon'ny agnaragna no nialany, tsy nitondra na ino na ino avy tamin'ny reo jentilisa. 8 Noho zany, atsika dia tôkony handray karaha zany, mbô ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinagna atsika. 9 Nanaoratra raha tamin'ny fiangonagna zaho, kanaifa Diotrefa, lehy te-ho laohany aminare, dia tsy nandray zahay. 10 Noho zany, raha avy zaho, dia hotsaroako reo asa zay nitsabony, ny fomba nagnambarany raha mahatsiravigny manohitry zahay miaraka amin'ny vaolagna ratsy. Tsy afa-pô tamin'ny reo asa, dia tsy nandray reo rahalahy izy. Nandrara reo zay te-hagnano karaha zany izy avake nandroaka zare hiboaka fiangonagna. 11 Ry tiagna, aza mangalatahaka zay ratsy fao zay tsara. Lehy araiky zay magnano tsara dia nihin-Jagnahary; lehy araiky zay mitsabo ratsy dia tsy nahita Zagnahary. 12 Ny Jiaby ndraiky ny fahamarinagna dia antomoa magnambara Dimetrio. Zahay faogna koa dia mitsangagna antomo, ave hainao fao marigny ny fagnambaranay. 13 Nanagna raha maro ho soroatagna aminare zaho, fao tsy magniry hanaoratra reo aminare amin'ny stilô ndraiky ranomainty zaho. 14 Kanaifa zaho magnantaigna hahita are tsy ho aila, ave hikoragna mifagnatriky atsika. 15 Ho aminare ny fiadanagna. Magnano viloma anao reo sakaiza atoy. Viloma agny amin'ny reo sakaiza tsiaraikiaraiky araka ny agnarany avy.