Toko faha 5

1 Avaizo mikasiky reo fotoagna ndraiky reo vanim-potoagna, ry rahalahy, tsy mila na ino na ino voasaoratra hoareo areo. 2 Fao areo haigninareo mahay tsara fao ny andron'ny Tompo dia ho avy mitôvy ny mpangalatra amin'ny aligny. 3 Koafa mivolagna zareo, "Miadagna sy milamigny," dia fahapotaihagna tsy hampoizigny no hoavy amin-jareo. Hitôvy ny fahararian'ny vaiavy bikibo koafa mitairaka zany. Tsy hoafaka hilaifa laste zareo. 4 Fa areo, ry rahalahy, dia tsy agnatiny haizigny kay hahatakatra areo tsy hampoizigny ny mpangalatra ny andro. 5 Fa areo jiaby dia zanaky ny mazava ndraiky zanaky ny andro. Tsy zanaky ny haligny atsika na ny mahizigny. 6 Amin-jany, alôhy atsika tsy hoandry mitôvy ny fatan'ny ambiny. Fao naifa aoka atsika hiambigny ndraiky hahonon-taigna. 7 Fa reo zay mandry dia magnano zany amin'ny aligny, ary reo zay mamo dia magnano zany fogna koa amin'ny haligny. 8 Fa raha mbôla an'ny andro atsika, dia tsy matsy mahonon-taigna atsika ary misikigny finoagna ndraiky fitiavagna ho fiarovan-tratra, ary ny antony ny famonjiagna amin'ny hoavy ho fiarovandaohan-tsika. 9 Fao Zagnahary tsy nagniraka atsika ho amin'ny fahatezairagna, fa hahazoagna ny famonjiagna amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika. 10 Izy lehy maty ho antsika, na mifoha atsika na mandry, dia afaka miara-miaigny aminy. 11 Kay noho zany mifampionógna ary mifampaheraiza areo, hotry ny afa nitsabonare. 12 Mangataka aminareo zahay, ry rahalahy, mbô hagnikaihanareo zay mikely aigny aminareo sy mitondra areo amin'ny Tompo ary zay magnanatra areo. 13 Mangataka areo fogna koa zahay mbô hagnaja zareo am-pitiavagna noho ny asan-jareo. Mihavàgna amin'ny haigninareo. 14 Magnanatra areo zahay, ry rahalahy: mampitandraima ny fikorontanagna, hampaherezo reo kivy, ampià reo malemy, maharaita amin'ny jiaby. 15 Indro tsisy ôlogno mamaly ratsy ny ratsy na amin-jôvy na amin-jôvy. Fao naifa, mitsakaraha zay tsara ho an'ny tsiaraikiaraiky sy hoan'ny jiaby. 16 Miravoa lalandava. 17 Aza mijanogno mivavaka. 18 Mankasitraha amin'ny raha jiaby. Fao zany no sitrapon-Jagnahary ao amin'i Jesôsy Kristy aminareo. 19 Aza mamono ny Fagnahy. 20 Aza magnano tsinotsinona reo faminaniagna. 21 Andramo ny raha jiaby. Mifikira amin'zay tsara. 22 Alao reo fisehoagnan'ny ratsy jiaby. 23 Zagnahary ny fiadanagna anie hampamasigny anao tantairaka. Aoka ny fagnahinareo jiaby, ny aigny, aveo ny vatagna dia hakajigny tsy hanantsigny ho amin'ny fahatongavan'ny Jesôsy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky lehy magnantso anao, lehy ariaky zay hagnano zany fogna koa. 25 Ry rahalahy, mivavaha fogna koa hoanay. 26 Arabaio amin'ny fagnoraohagna masigny ny rahalahy jiaby. 27 Mangataka aminareo amin'ny Tompo zaho mbô ho vakigny amin'ny rahalahy jiaby tô taratasy tô. 28 Ho aminareo anie ny fahasoagna ny Jesôsy Kristy.