Toko Faha 9

1 Tsy ôlogno afaka moa zaho? Tsy apostoly moa zaho? Tsy nahita Jesôsy Tompontsika moa zaho? Tsy asanaha ao amin'ny Tompo moa areo? 2 Raha tsy apostoly ho nihin'ny hafa zaho, dia farapaharatsiny Apostoly nareo. Fao areo no profo amin'ny maha apostoly zaho ao amin'ny Tompo. 3 Zao no fiarovako aminjareo zay magnadihady zaho: 4 Moa zaho tsy mahazo alalagna ny hihinagna ndraiky higiaka? 5 Moa zahay tsy mahazo mitondra vady zay mpino, hotra ny tsabon'ny reo apostoly sasany, ndraiky reo rahalahin'ny Tompo, aveo Kefasy? 6 Sa Barnabasy ndraiky zaho zeraiky no tsy maintsy miasa? 7 Zôvy no magnano fanompoagna miaramila amin'ny fandaniagna manaokagna? Zôvy no mamboly voaloboka aveo tsy mihinagna taignany? Na zôvy no miambigny ondry kay tsy migiaka ny ronono avy amin'ny zany? 8 Moa zaho mivaolagna reo raha reo no mifôtotro amin'ny fahefan'ny ôlombelogno? Tsy mivaolagna zany koa moa ny lalàgna? 9 Fao zany dia afa voasaoratra ao amin'ny lalàgna'i Mosesy magnanjao: ''Aza asiagna fehi-vava ny aomby koafa mihinagna voa izy." Taigna lehy aomby tokoa moa ny hihian-Jagnahary? 10 Tsy mikoragna mahakasiky zahay moa izy? Afa nisoroatagna amintsika, fao zay miasa tany dia tôkony hiasa amin'ny fanantenagna, aveo zay mihinagna dia tôkony mihinagna amin'ny fanantenagna hahazo anjara amin'ny vokatra. 11 Raha namafy raha ara-pagnahy teo aminareo zahay, moa fôntry loatra aminay moa ny mandidy raha ara-materialy avy aminareo? 12 Raha mampihatra zany zo zany avy aminareo reo hafa, moa zahay tsy managna mihoatra? Na dia zany aby, tsy nitaky zany zo zany zahay. Fao ndraiky, nalenay niaritry raha jiaby hotra zay ho sakagna ho amin'ny vava maharavon'ny Kristy. 13 Moa tsy hainareo fao reo zay manompo ao amin'ny tempoly dia mahazo ny hanignin-jareo avy ao amin'ny tempoly? Aveo moa tsy hainareo fao reo zay manompo egny amin'ny alitara dia mahazo anjara amin'ny zay natao fagnatitry teo amin'ny Alitara? 14 Hotra zany koa, ny Tompo dia nandidy fao reo zay mitory vava maharavo dia tôkony hahazo fivilaoman-jareo avy amin'ny vava maharavo. 15 Naifa tsy nitaky ny araiky tamin'ny reo zo reo Zaho. Avakeo tsy manaoratara zao zaho mbô mety hisy raha tsabogny zaho. Aleko maty hotra zay hisy ôlogno hangala aminaha zany raiharaiha zany. 16 Fao raha mitory ny vava maharavo zaho, dia tsisy antony tôkony iraiharaihako, satria tsy maintsy magnano zany zaho. Aveo loza aminaha raha tsy mitory vava maharavo zaho! 17 Fao raha magnano zany antsitra-pô zaho, dia managna valisoa. Fao raha tsy antsitra-pô ndraiky, dia mbôla managna ny andraikitry zay nankignigny taminaha zaho. 18 Ino zany no valisoa naha? Zany dia koafa mitory zaho, dia afaka manôlotro ny vava maharavo tsisy fandoavam-baola kay mbô tsy hampiasa tantairaka ny zoko amin'ny vava maharavo. 19 Fao na dia afaka amin'ny jiaby aby zaho, dia tonga ho mpanompo ho nihin'ny jiaby, mbô hahazoako taigna maro. 20 Teo amin'ny Jiosy dia nanjary hotra ny Jiosy zaho, mbô hazahoako ny Jiosy. Teo amin'ny reo zay ambanin'ny lalàgna, dia nanjary hotra ny ôlogno zay ambanin'ny lalàgna zaho mbô hazahoako reo zay ambanin'ny lalàgna. Nagnano zany zaho na dia tsy teo ambanin'ny lalàgna aby zaho. [Fagnamarinagna: Ny baiboly ULB ndraiky UBD dia mivaky magnanjao: "Nagnano zany zaho na dia tsy teo ambanin'ny lalàgna aby zaho." Ny dikan-teny talaoha sasany dia tsy magnisy zany.] 21 Tamin'ny reo zay ambailan'ny lalàgna, dia nanjary hotra ny ôlogno ambailany lalàgna zaho, na dia tsy ambailan'ny lalàgnan-Jagnahary aby zaho, fao ambanin'ny lalan'i Kristy. Nagnano zany zaho mbô hazahoako reo zay ambanin'ny lalàgna. 22 Teo amin'ny reo malemy dia nanjary ho malemy zaho, mbô hazahoako reo malemy. Tonga raha jiaby ho nihin'ny ôlogno jiaby zaho, mbô hamonjiako sasany amin'ny fomba jiaby. 23 Magno raha jiaby zaho ho nihin'ny vava maharavo, mbô hafahako malaka anjara amin'ny reo fitahiagnan'ny zany. 24 Moa tsy hainareo fao amin'ny fihazakazahagna araiky ny mpihazakazaka jiaby dia magnano ny fihazakazahagna, naifa araiky faogna no mahazo loka? Koa mihazakazaha mbô hahazo ny loka. 25 Ny atileta araiky dia mampihatra ny fifehaizan-taigna amin'ny fagnazaran-taignany jiaby. Magnano zany zareo mbô halaka satro-boninahitry zay mety haratra, kanaifa ndraiky atsika mihazakazaka mbô hazontsika satrobogninahitry tsy mety maratra. 26 Kay noho zany dia tsy mihazakazaka amin'ny tsisy dikany zaho na mamely totohondry amin'ny rivotro. 27 Fao fiheziky ny haigninaha, aveo atako andevo, mbô tsy ho laviny ny haigninaha, koafa avy nitory tamin'ny hafa zaho.