Toko Faha 8

1 Ary momba ny hanigny atao sôrogno amin'ny sampy—haintsika fao: "Atsika jiaby dia manam-pahaizagna." Ny fahaizagna mampiraiharaiha, fao ny fitiavagna manangagna. 2 Raha misy ôlogno araiky mihevitry haigniny fao mahay raha, dia mbôla tsy mahay araka zay tôkony hahaizany aby zany ôlogno zany. 3 Fao raha misy ôlogno araiky tia Zagnahary, dia hainy zany ôlogno zany. 4 Koa raha ny momba ny fihinanagna hanigny natao sôrogno amin'ny sampy—dia haintsika fao "ny sampy eto amin'ny zao tontolo zao dia tsisy dikany" avakeo "fao tsisy Zagnahary afa-tsy araiky faogna." 5 Fao mety misy reo môdy antsôvigny hoe zagnahary, na agny andangitry na aketo antany, hotra ny hafontrizany reo "zagnahary" ndraiky ny hafontrizany "tompo." 6 Fao amintsika, "Araiky faogna no Zagnahary dia lehy Iada, zay avy aminy raha jiaby, avakeo Izy no antony hivilaomantsika, aveo araiky no Tompo Jesôsy Kristy, Zay tamin'ny alalany no nisian'ny raha jiaby, ary tamin'ny alalany no nisiantsika." 7 Na zany ndraiky, zany fahaizagna zany dia mbôla tsy ao amin'ny tsiaraikiaraiky. Fao naifa, ny sasany taloha dia nampihatra ny fanompoan-tsampy, dia nihinagna zany hanigny zany hotra ny hoe raha natao sôrogno ho nihin'ny sampy zany. Noho zany dia naratra ny fieritreretan-jareo satria malemy zany. 8 Fao tsy hanigny no hanôlotro atsika akeo amin-Jagnahary. Fao tsy taigna ratsy atsika raha tsy mihinagna, na koa hoe taigna tsara raha mihinagna zany. 9 Tandremo mbô tsy ny fahaizagnareo no antony hahatonga reo ôlogno osa ara-pinoagna ho tafintohigny. 10 Fao atôvy hoe misy mahita anao, zay manampahaizagna, mihinagna hanigny ao amin'ny tempolin'ny sampy. Tsy ny fahalimiagnan'ny fieritreraitagna moa no nahasaikiany hihinagna zay natôlotro ho nihin'ny sampy? 11 Koa nohon'ny fahaizagnao ny toetra marigny momba ny sampy, dia very lehy rahalahy malemy finoagna araiky, zay nahafataisan'i Kristy. 12 Noho zany, koafa magnatogno amin'ny rahalahinareo areo kay mandratra ny saigny malemin-jareo, dia manota manohitry Kristy areo. 13 Noho zany, raha ny hanigny no mahatonga ny rahalahiko ho tafintohigny, dia tsy hihinan-kaina eky zaho, mbô tsy avy aminaha no handavo ny rahalahiko.