Toko Faha 5

1 Zahay dia naharegny hafatra fao misy fijangajangagna eo aminareo, karazagna fitondran-taigna tsy magnaiva zay tsy azo atao aby eo amin'ny reo Jentilisa. Ny hafatra, dia hoe misy araiky aminareo miaraka mandry amin'ny vadiny iadany. 2 Areo dia taigna miavogno! Fao tsy tôkony alahelo moa areo? Ny araiky zay nagnano zany dia tsy maintsy alàgna eto aminareo. 3 Fao na dia tsy akeo ara-batagna zaho fao mbôla akeo ara-pagnahy, dia afa nitsara lehy araiky zay nagnano zany, hotra ny hoe teo zaho. 4 Koafa miara-mivôry amin'ny agnaran'i Jesôsy Tompontsika areo, avakeo ny fagnahinaha dia eo koa amin'ny ngôvon'ny Jesôsy Tompontsika, dia afa nitsara io ôlogno zaho. 5 Natako zany mbô hanoloragna zany lalahy zany ho nihin'ny satana ho famotaihagna ny nôfo, mbô ho voavonjy ny fagnahinazy amin'ny andron'ny Tompo. 6 Tsy tsara ny poairapoairanare! Tsy hainareo moa fa ny lalivay hely dia magnaova môfo jiaby? 7 Diovy haigninareo amin'ny lalivay talaoha mbô ho tonga môfo vava areo, kay mbô hanjary môfo tsisy lalivay. Fao Kristy, lehy Zanak'ondrintsika tami'ny Paska, dia natao sôrogno. 8 Noho zany dia aoka atsika hankalaza firavoravoagna, tsy amin'ny lalivay talaoha, lehy lalivain'ny fitondran-taigna ratsy ndraiky faharatsiagna. Fao ndraiky, aoka atsika hankalaza amin'ny môfo tsisy lalivain'ny fahadiovam-pô ndraiky fahamarinagna. 9 Zaho dia nanaoratra aminareo tao amin'ny taratasy naha mbô tsy hiarahanareo miasa amin'ny reo ôlogno mpijangajanga. 10 Kanaifa ny tiako volagnigny dia tsy ny ôlogno mpijangajanga jiaby eto magnairan-tany, na reo tsy mahonon-taigna, na reo mpangalatra, na reo mpanompo sampy, satria mbô hialagna amin-jareo dia mila miala amin'izao tontolo zao areo. 11 Naifa zeo zaho manaoratra aminareo mbô tsy hiaraka hiasa miaraka amin'ny zôvy na zôvy zay antsôvigny hoe rahalahy naifa miaigny ao anatin'ny fijangajangagna, na izay tsy mahonon-taigna, na manompo sampy, na mpivalaogna ratsy, na mpimamo, na mpangalatra. Aza mihinagna hanigny miaraka amin'ôlogno hotra zany. 12 Fao ino no idirako amin'ny fitsaragna reo zay akagny ambailany fiangonagna? Mifanohitry amin'ny zany, areo moa tsy tôkony hitsara reo zay ao agnatin'ny fiangonagna? 13 Fao Zagnahary dia mitsara reo zay agny ambailany. "Alao akeo amimasonareo ny ôlon-dratsy."