Toko Faha 10

1 Tiako ho hainareo, rahalahy, fao reo iadantsika dia tao ambanin'ny zavogno jiaby aveo namakivaky ranomasigny. 2 Ny jiaby dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny zavogno ndraiky tao amin'ny ranomasigny, 3 aveo ny jiaby dia samy nihinagna hanim-pagnahy mitôvy. 4 Ny jiaby dia nigiaka tamin'ny vatolampim-pagnahy zay nagnaraka zareo, dia Kristy zany vatolampy zany. 5 Fao Zagnahary dia tsy nankasitraka tsara ny ankamaroan-jareo, aveo ny fatin-jareo dia naparitaka tagny antany maty. 6 Zeo regny raha regny dia aohatra amintsika, mbô tsy hagniriantsika raha ratsy ny nilainjareo. 7 Aza manompo sampy, hotra zareo. Zany dia araka zay voasaoratra magnanjao: "Reo ôlogno nibidôko mbô hihinagna ndraiky higiaka, avakeo nitsangagna mbô hiala." 8 Aoka atsika tsy hijangajanga, hotra ny natan'ny maro tamin-jareo. Tagnatiny andro araiky, dia ôlogno telo arivo sy roa aligny no maty nohon'ny zany. 9 Aoka faogna koa atsika tsy hitsapa Kristy, hotra ny natan'ny maro tamin-jareo kay naripaka reo bibilava. 10 Aza mimonimonigny faogna koa, hotra ny natan'ny maro taminjareo ka naringan'ny anjelin'ny fahafataisagna. 11 Ary regny raha regny no niboaka taminjareo mbô ho aohatra amintsika. Nisoroatagna mbô ho fampianaragna atsika ziregny—ho amintsika zay niavian'ny fara-andro. 12 Noho zany aoka zay mieritreritry ny haignany ho afa mijoro mitandrigny tsara mbô tsy ho lavo. 13 Tsisy fakampagnahy nahatakatra areo zay tsy iraisan'ny ôlombelogno jiaby. Fao naifa, Zagnahary dia mahatoky. Tsy hagnambaila areo ho alaim-pagnahy mihoatra zay zakanareo Izy. Miaraka amin'ny fakampagnahy dia hagnamia areo ny làlagna hitsoahagna faogna koa Izy, mbô hafahanareo miaritry zany. 14 Noho zany, tiako, milifasa lavitry ny fanompon-tsampy. 15 Mivaolagna aminareo hotra ny ôlogno manantsaigny zaho, mbô hafahanareo mitsara zay volagniky. 16 Ny kapoakan'ny fisaoragna zay isaoran-tsika, moa zany tsy fiombonagna amin'ny lin'ny Kristy? Ny môfo zay vakintsika, moa zany tsy fiombonagna amin'ny haignin'i Kristy? 17 Satria araiky faogna ny môfo, atsika zay maro dia haigny araiky. Atsika jiaby dia malaka amin'ny môfo araiky faogna. 18 Zahavo reo vahoakan'Israely: moa reo zay mihinagna reo fagnatitry tsy mpandray anjara akeo amin'ny alitara? 19 Ino ary no koragnintsika ? Hoe tsisy dikany moa zany ny sampy? Sa ny hanigny zay natao fagnatitry tamin'ny sampy no tsisy dikany? 20 Fao mivaolagna mahakasiky raha zay tsabony reo Jentilisa mpanompo sampy fagnatitry zaho, fao amian-jareo reo masantôko regny raha regny fao tsy amin-Jagnahary. Tsy tiako areo ho mpiombogno amin'ny masantôko! 21 Tsy afaka migiaka ny kapoakan'ny Tompo ndraiky kapoakan'ny masantôko areo. Tsy afaka miombogno amin'ny latabatra ny Tompo ndraiky latabatra reo masantôko areo. 22 Sa magnano zay mahasaro-piaro ny Tompo moa atsika? Mafy noho Izy moa atsika? 23 "Ny raha jiaby dia ara-dàlagna," fao tsy ny raha jiaby no mahatsara. "Ny raha jiaby dia ara-dàlagna," fao tsy raha jiaby no mampandroso ny ôlogno. 24 Tsisy tôkony hitady ny tômbontsoany manaokagna. Fao ndraiky, ny tsiaraikiaraiky dia tôkony hitady ny tômbontsoan'ny namany. 25 Afaka mihinagna zay jiaby avidy egny an-tsaina areo, fao aza magnotany ny fieritrairatagna. 26 Fao ''nihin'ny Tompo ny tany, zay jiaby misy akeo aminazy." 27 Raha misy tsy mpino manasa areo hihinagna, kay magniry ny handaiha areo, dia hoano zay jiaby mipaitraka eo ankilanao kay aza mametraka fagnintaniagna ny eo amin'ny fieritreraitagna. 28 Fao raha misy mivaolagna magnanjao: "Tô hanigny tô dia avy amin'ny fagnatitry ny mpanompo sampy," dia aza mihinagna zany. Zany dia nihin'ny lehy nagnambara areo, ndraiky ho nihin'ny fieritreraitagna. [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talaoha sasany dia magnampy magnanjao: "Fao ny tany ndraiky raha jiaby ao aminazy dia nihin'ny Tompo." Fao ny dikan-teny taigna tsara dia tsisy zany.] 29 Tsy mivaolagna zaho magnanjao ny fieritreraitagna manaokagna, fao ny fieritreraitan'ny ôlon-kafa. Nagnino ny fahafahako no tôkony ho tsarain'ny fieritreraitan'ny hafa? 30 Raha malaka anjara amin'ny hanigny am-pankasitrahagna zaho, nagnino no tevitevaigny amin'ny zay nagnamaizako fisaoragna? 31 Noho zany, na mihinagna na migiaka areo, na ino na ino tsabonareo, dia atôvy ho voninahitry Zagnahary jiaby. 32 Aza magnamia fanafintohinagna ny Jiosy na ny Grika, na ny fiangonan-jagnahary. 33 Miaizaka ny haharavo ny ôlogno jiaby amin'ny raha jiaby zaho. Tsy mitady tombontsoako zaho, fao nihin'ny maro. Ataoko zany mbô ho voavonjy zareo.