Toko 1

1 Reo ohabolan'i Solomoma zanak'i Davida, Pazakan'Israely. 2 Ty ohabola tahoky dra natao ba hapianasy fahendre vo torolala, hapianasy reo zakanigny fahalala, 3 hahazoanao torolala ba hiay aminigny fanova gny mary, rariny, dragny hisiny. 4 Ty ohabola tahoky koa dra natao hagnome fahendre ho anigny kely say, dra hagnome fahalala vo fahamalia ho anigny tanora. 5 Aoky gny olo-kendry hiteno dra hapitombo gny fahalalany, dra aoky gny olo mahay magnavaky hahazo tari-dala, 6 ba hahatakasy reo ohabola, reo oha-pitenena, vo gny zakanigny olo-kendry mbamin'ireo akamatany. 7 Gny tahosy an'i Yaveh gny fiandoha-pahalala__gny mola magnamavo gny fahendre vo gny fapihara. 8 Ry zanako, tenoy gny fapenaran-dranao dra ka miala aminigny fisipiky gny reninao; ho fehiloha soa tarehy ho anigny lohanao raiky dra rado mihaton'eo aminigny tendonao. 10 Ry zanako, raha mitalia haningosy anao ho aminigny fahotan'ereo gny panota, dra ka magneky hagnaraky anazy. 11 Hara hoy ereo ho: "Avia hindray aminay, handeha sika hanohisy hamono olo, handeha sika hivony dra hamely olo sy mana-signy aminigny sy misy atony. 12 Handeha hatelisika velo reo, manahaky gny fangalanigny figna-sy Hita reo ze salama, dra hanao anereo hanahaky reo ze milasaky an-davaky. 13 Ho hitasika reo karazan-draha sarobily aby; ho fenosika amize hangalarasika aminigny hafa gny tragnosika. 14 Ario mindray aminay gny filokandrareo; hana poketra raiky avo sika aby." 15 Ry zanako, ka mandeha mizoso amize lalana zay mindray aminereo; ka anga hikasiky ze halehany gny tombokao; 16 mihazakazaha ho aminigny rasy gny tombony dra maiky handasa-dio ereo. 17 Fa sy misy dikany gny hamelarany harato hamandriha voro raha mitazana gny voro. 18 Mikotroky hamono gny vatany avo reo olo reo__ manao vela-pandriky ho anigny vatany ereo. 19 Manahaky anizay koa gny lalanigny olon'aby ze mahazo harena aminigny sy rariny; gny harena azo aminigny sy rariny mangalaky gny ain'ireo ze mifikisy amizay. 20 Mivazavaza egny an-dala gny fahendre, mapiakasy gny feony egny akalamazana izy; 21 egny amireo loha-lala mikotaba gny hitabatabany, egny aminigny fidiran'egny aminigny vavahadinigny tana gny hizakany ho: 22 "Ho mandra-pahovia, handrareo ry olo kelik'asia, gny hitia gny habadoa? Ho mandra-pahovia, handrareo ry pandrabiraby, gny hakamamy gny fandrabirabia, dra ho mandra-pahovia, handrareo ry mola, gny hakahala gny fahalala? 23 Tandremo soa gny fagnanarako; hararako amindrareo gny fiheviso; hataoko fatandrareo gny zakako. 24 Fa nitoka zaho, dra nanda gny hiteno anahy handrareo; nagnizisy gny tagnako zaho, singy sy nisy niraharaha. 25 Fa nodiandrareo fany gny fapenarako aby dra sy nitenondrareo gny fagnanarako. 26 Hihomehy gny lozandrareo zaho, handasa andrareo zaho gny fa avy gny horohoro__ 27 gny fa avy manahaky gny tafiosy gny fandringana mapatahosy dra mifoaky handrareo manahaky gny talio gny loza, gny fa avy amindrareo gny fahoria vo gny fangirifa. 28 Dra hitoka anahy ereo, fa sy hamaly zaho; hitoka fatrasy anahy ereo, fa sy hahita anahy. 29 Akory makahala fahalala ereo dra sy nifily gny tahosy an'i Yaveh, 30 sy nagnaraky gny fapenarako ereo, dra nagnamavo gny fagnanarako aby. 31 Hihina gny vokasy gny lalany ereo, dra gny vokasy gny teti-drasin'ereo gny hameno anazy. 32 Fa voavono gny kely say gny fa mivily, dra hamotiky anazy gny sy firarahianigny mola. 33 Fa na iza na iza miteno anahy dra hiteno apilamina dra ho voaaro sy hatahosy loza."